27 Aogositra 2018

Tantara tamin'ny 27 Aogositra 2018

Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany

  27 Aogositra 2018

Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy.

Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto

GV Mpisolovava  27 Aogositra 2018

Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?

Nikaragoà: Miverina ao amin'ny Plaza de la Revolución indray.

  27 Aogositra 2018

Manana toerana ahitana foibe ara-tantara sy marika ny tanàna tsirairay. Ao Managua, Nikaragoà, Plaza de la Republica, fantatra amin'ny hoe Plaza de la Revolución no toerana toy izany. Maro ireo tranga ara-tantara nitranga tao amin'io kianja io, toy ny hetsika mpomba an'i Somoza, ny fandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979, sns.