
Lex Kisioi mihaino ny radio Sogoot FM ary mipetraka eo ambany hazo, metatra vitsivitsy miala ny foibe Mariashoni, kaominina Molo Nakuru, Kenya. Sary avy amin'ny Minority Africa, nahazoana alalana.
Ity tantara ity dia navoakan'ny Minority Africa tany am-boalohany ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panovana ho anisan'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny fifampizaràna votoaty.
Mijoro ao anaty orintrano Mau Forest, ahitana andrim-pifandraisana manana haavo mihoatra ny 18 metatra (60 maily) misy jirom-piaramanidina an-tampony ilay faritra misy ala sahabo ho 210 kilometatra (130 maily) andrefan'i Nairobi, Kenya. Rehefa manakaiky kokoa ianao dia mahita fefy hazo mifaningotra amin’ny tariby maranidranitra anhodikodina manasaraka ny tranon’ny Sogoot 97.1 FM amin’ireo trano manodidina azy.
Vondrom-piarahamonina mpioty-mpihaza ny vahoaka Ogiek (fantatra ihany koa amin'ny hoe Okiek sy Akiek) ary monina sy miely any atsimon'i Kenya sy avaratr'i Tanzania. Maro no mahay fiteny roa, miteny amin'ny fitenin'ny mponina manodidina, toy ny Maasai any avaratr'i Tanzania sy ny Gikuyu any Kenya.
Mandefa fandaharana amin'ny teny Ogiek manomboka amin'ny 6:00 maraina ka hatramin'ny 11:00 alina ny radiom-piarahamonina iray, Sogoot, izay midika hoe “ravina” amin'ny teny Ogiek. Mandeha isan'andro, manabe sy manome torolalana ho an'ireo Ogieks an'arivony ao anatin'ny 30 kilometatra (19 maila) manodidina ny toby.
“Mpanova lalao ny Sogoot FM ho anay”, hoy i Stephen Lele, mpitantana ny toby sady mpikambana mpanorina ny Sogoot FM. Nanampy izy hoe: “Tao amin’ny toerana onenanay, dia tsy mbola naheno onjam-peo nandefa fandaharana tamin’ny fiteninay izahay. Mifantoka amin'ny zava-drehetra mahakasika ny maha-olombelona, manomboka amin'ny kolontsaina, fahasalamana, fanabeazana, fitarihana sy fitantanana, fiarovana, sosialy ary toekarena” ny fandaharanay.
Araka ny voalazan'ny Sarintanin'ny Fiteny Manerantany (Atlas) an'ny UNESCO, fiteny maherin'ny 6.700 no teratany ary atahorana mafy hanjavona. Ao Afrika fotsiny, dia fiteny an-jatony no andalam-pahafatesana na efa heverina ho “maty”. Any Kenya, iray amin'ireo fiteny Kenyana valo miatrika ny ho lany tamingana ny Ogiek.
Milaza ny Fanisam-bahoaka sy Fanisana Trano fonenana any Kenya (Kenya Population and Housing Census) (KPHC) taona 2019 fa maherin'ny 52.696 ny Ogieks any Kenya. Milaza ireo Ogieks, fantatra amin'ny fiompiana tantely sy mpihaza ary mpioty fa natao an-jorobala tamin'ny resaka fampandrosoana maro izy ireo noho ny sata maha-vitsy an'isa azy ireo.

Ny faritra manodidina ny onjam-peo ao Mariashoni. Sary avy amin'ny Minority Africa, nahazoana alalana.
Nilaza i Stephen Moitalel Njala, raibe sady loholona ao amin'ny vondrom-piarahamonina fa nanomboka ny fahorian'ny Ogieks rehefa nandroaka azy ireo tao amin'ny tanindrazany tao amin'ny toerana Mau tamin'ny volana Oktobra 2009 ny Sampan-draharahan'ny Ala any Kenya “KFS”.
Nofaritan'i Njala ho toy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona eo amin'ny fiaraha-monina ny fandroahana, izay nisy fiantraikany ratsy ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-politika teo amin'izy ireo. Nohamafisiny fa « tsy afaka handroso ny kolontsainay sy ny fiteninay raha esorina aminay ny zo fototra sy ny fahalalaha. Tsy manana solontena ao amin'ny antenimieram-paritra sy ny antenimieram-pirenena, ary koa ao amin'ny governemantam-panjakana sy governemantam-paritra izahay. “
“Amin'ny maha vondrom-piarahamonina, ao amin'ny sampana fikarakarana fatratra ny kolontsainay sy ny fiteninay” hoy i Njele. “Ny ataonay izao dia miezaka mafy ny hanarina izany. Na dia tojo olana ara-teknika maro aza ny onjam-peo, dia mirehareha amin'ny onjam-peo tokana, Sogoot FM izahay, izay niara-niasa taminay zokiolona mba hampiroborobo ny fiteninay sy ny kolontsainay.
Nilaza i Wendo Nabea, manampahaizana momba ny haiteny sy fifandraisana ara-tantara ao amin'ny Oniversiten'i Laikipia any Kenya fa mitana anjara toerana amin'ny fiteny tandindomin-doza manerana izao tontolo izao ny tsy fahampian'ny fanazaran-tena, ny fiteny roa, ny fifindra-monina any ambanivohitra-tanàna, ary ny loza voajanahary:
“Manaiky ny fahasamihafan'ny kolontsaina izahay, manaiky fa misy manana hery lehibe kokoa noho ny hafa. Amin'ny ankapobeny, ny tanora matetika no miantehitra amin'ireo kolontsaina ireo mba hivelomana, ka mitarika ho amin'ny aretin'ny fiankinan-doha izay manohintohina ny fiteny sy ny kolontsaina mbola misy.”
Nanasongadina i Erick Kinya Muriuki, mpiandraikitra ara-kolontsaina ao amin'ny Faritra Nakuru, fa manana fototra ara-tantara hatramin'ny fanjanahantany ny olan'ny teny ao amin'ny firenena. Nandritra izany fotoana izany, noraràna tsy hampiasa ny fiteniny teo anatrehan'ny tompo mpanjanaka azy ny Kenyana. Nanamarika ny fiandohan'ny fihenan'ny fiteny indizeny na ny fiteny eo an-toerana ao Kenya izany.

Ny mpitantana ny onjam-peon'ny Sogoot FM, Stephen Lele, eo am-piasàna. Sary avy amin'ny Minority Africa, nahazoana alalana.
“Taorian'ny fahaleovantena, tokony notapahintsika hiala amin'ny tenantsika ny tadi-poitran-toe-tsain'ny fanjanahantany, fa tsy nataontsika mihitsy izany,” hoy i Muriuki nanamarika. “Nanjary fiteny anglisy no nenti-mampianatra, lasa lamaody, ary hadinontsika ny niaro ny fitenintsika teo an-toerana.”
Raha tokony hampiasaina hanavotana ireo fiteny tandindomin-doza ny fanavaozana sy ny fandrosoana ara-teknolojia, dia mihevitra i Nabea fa sehatra iray hanandratana ireo fiteny efa malaza izany:
“Mirehareha ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ao Kenya rehefa miresaka amin’ny teny anglisy, izay fiteny ofisialy ny zanany, ary manambany ny tenim-pirenena, swahili, sy ny fitenin-drazana hafa.”
Nilaza i Muriuki fa efa an-dalana ny fepetra hamerenana ireo fiteny sy kolontsaina rava amin'ny alàlan'ny famolavolana sy fampiharana politikam-pahalalàna teratany, izay efa eo amin'ny dingana mandroso.
Hiaro ny fiteny teratany ny sasany amin'ireo politika ireo ary “hikarakara ny kolontsaina rehetra izay noheverina fa efa azo”, hoy izy. “Tsy very daholo ny zava-drehetra; manana fitaovana sy fandaharan'asa napetraka izahay; mamporisika ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza ihany koa izahay hamela sy handrisika ny zanany handray anjara amin’ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana toy ny mozika, fetiben’ny tantara an-tsehatra, hira sy dihy mampiavaka mba hiarovana ny kolontsaintsika sy ny fitenintsika.”
Ho an'i Lele, fomba iray hiantohana ny Ogieks hiloa-peo ny Sogoot FM, ary ampahafantarina, ampianarina ary ampialàna voly amin'ny fiteniny eo an-toerana ny mpikambana rehetra ao amin'ny vondrom-piarahamonina : “Rehefa nesorina ny zonao amin'ny maha-fiarahamonina anao, dia tsy mana-kambara ianao; tsy afaka mifidy ny mpitondra anao akory ianao. Mandrorona ho azy ny fitenintsika ary maty.”
Noho ny fanohanan’ny vondrom-piarahamonina notarihin’ireo zokiolona, dia nanohy ny fampielezam-peo tamin’ny fiteny Ogiek ny onjam-peo nanomboka tamin’ny taona 2019 niorenany.
Amin'ny fotoana samihafa, nivondrona ny vondrom-piarahamonina mba hanangonam-bola hividianana fitaovana na haingo famantarana ho an'ny onjam-peo. Tamin'ny taona 2018, afaka nanangana trano fampielezam-peo maoderina izy ireo, izay ahitana efitrano famoaham-baovao, birao ary studio. Manampy ireo tanora mpanolotra fandaharana amin'ny famoronana votoaty ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina amin'ny alalan'ny fizarana fahalalana momba ny fiainana nentim-paharazana sy ny fikarakarana fivoriana mba hampiroboroboana ny fahaiza-mihaino.