27 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 27 Jolay 2018

Kenya : Ny 4×4 ampiasain'ireo mpiasan'ny ONU

  27 Jolay 2018

Mahatezitra blaogera sasany ny fampiasan'ny mpiasan'ny ONU fiara 4x4. Mizara sary mikasika izany izy ireo ao amin'ny blaoginy, ary namorona vondrona mihitsy aza tao amin'ny Flickr, "Kick The Habit" [amin'ny teny anglisy].

Azerbaijan: Tontolon'ny blaogy mavitrika

  27 Jolay 2018

''Tao anatin'ny sahotaka tamin'ilay famonoana mpianatra maro ny 20 Aprily 2009 tao amin'ny Akademian'ny Solitany tao Azerbaijan, sy ny fisamborana ireo tanora mpikatroka sy blaogera amam-polony sasany, mampahafantatra ireo mpamakiny ny tohin'ity loza mahatsiravina ity ny Flying Carpets and Broken Pipelines («Karipetra manidina sy fantsombe tapaka»).''

FOKO: manentana feo vaovao hatrany hatrany

Rising Voices  27 Jolay 2018

Maro dia maro no nitranga tamin'ny FOKO Madagasikara nandritra ny volana lasa. Tsy nanakana ireo mpikatroka mavitrika tsy hibilaogy ny tondra-drano sy ny krizy maha-olona nateraky ny ny rivo-doza telo samihafa tamin'ny volana Febroary 2008 izany. Natao tao anaty fandaharam-potoana ny atrikasa momba ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.