Nepal: Fandriampahalemana Anatin'ny Limby

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Ôktôbra 2006)

Tokony nifanatrika noho ny fihaonany an-tampony ny firaisan'ny antoko fito sy ny Maoista tamin'ny volana Septambra, saingy tsy tanteraka izany. Nangataka fotoana fanampiny ny Praiminisitra Girija Koirala. Ankehitriny, tokony amin'ny 08 Ôktôbra no hanaovana ilay adihevitra entina handraisana fanapahankevitra. Samy efa nihetsika ny roa tonta. Nivoady ny hitarika hetsipanoherana an-dalambe ao an-drenivohitra ny lehiben'ny Maoista, Prachanda, hakany ny fahefam-panjakana raha toa ka tsy mahomby ny resaka am-pilaminana. Mitazona hatrany ny heviny i Koirala fa tsy maintsy manala ny fitaovam-piadiany ireo maoista alohan'ny ahafahana mamaha ny olana ara-pôlitika.

Manana ity lahatsoratra ity ny United We Blog: Vaovao Farany momba ny Fizotran'ny Fandriampahalemana: Ny Fandrosoan'ny Pôlitika Ankehitriny:

“…..Tena vitsy ireo antony tokony hananana fanantenana amin'ny SPA hiray feo manoloana ny olana tena goavana: ny fitondran'ny mpanjaka. Tena mihizingizina hanome sehatra ho an'ny fitondran'ny mpanjaka ny Praiminisitra Girija Prasad Koirala, izany hoe, mamonjy ny andrimpanjakana izay nirian'ny fikomiana nalaza sy ara-tantara tamin'ny volana Aprily hofoanana……ny mety hijanona amin'ny lalàmpanorenana vonjimaika, ny fananganana parlemanta vonjimaika sy fanjakàna vonjimaika, izay ahafahan'ny fanjakàna sy ny antoko hilefitra anatin'ny resaka miaraka amin'ireo Maoista……samy nandinika ny fitantanana ny tafiky ny andaniny sy ny ankilany ny roa tonta tao anatinà dingana telo: Voalohany, ny fangiazana ny tafiky ny roa tonta anatinà toby miaramila, faharoa, ny fanamarinana sy ny fanasarahana ny tafika Maoista amin'ny fitaovam-piadiany, ary fahatelo, ny fampidirana ny tafika Maoista ao anatin'ny Tafika Nepaley, ny Mpitandro filaminana Nepaley ary ny Tafika Fampandrosoana.”

Manana rakipeon'ny resadresaka nataony tamin'ny lehiben'ny Maoista, Baburam Bhattarai, i Samudaya.

Samy nasiaka tamin'ny roa tonta ny Democracy For Nepal, fa indrindra tamin'ny firaisan'ny antoko fito noho ny tsy fahazavan-tsainy: Pramukh Dar, Aza Mitaraikiraiky: Tsy Toejavatra Momba Izay Iray Nisy Voalohany Teo amin'ny Akoho sy ny Atody ity, Parlemanta Vonjimaika: Ohatra ny Mety ny 300. Votatitra anatin'izany ihany koa ny tamin'ny naha-tany New York ny lefitry ny Praiminisitra, KP Oli: Ilay Tranga KP Oli. Misy rakitsary lava be mihitsy.

Manana lahatsoratra avy amin'i Bindu Chaudhary ny Madhesi: United We Stand  momba ny iray amin'ireo vondrona atao anjorombala indrindra ao amin'ny firenena, ny Madhesi: Fanavakavahana: Mandra-pahoviana?

Eo amin'ny 90 isan-jaton'ny distrikan'i Terai, izay onenan'ny 95.5 isan-jaton'ireo vahoaka Madheshi, no manana isa goavana amin'ny mponina tsy nahazo fanabeazana (raha oharina amin'ny 13 isan-jato fotsiny any amin'ireo havoana sy tendrombohitra). Ary koa, 50 isan-jaton'ny distrikan'i Terai no manana ‘taha ratsy indrindra’ amin'ny fahaizan'ny ankizy mamaky teny (raha oharina amin'ny 29 isan-jato any amin'ireo havoana sy tendrombohitra). Amin'ny lafiny jeografia, eo amin'ny 45 isan-jatony amin'ny distrikan'i Terai no manana ny laharam-pahantrana ‘ratsy indrindra’ (raha oharina amin'ny 29 isan-jato any amin'ireo havoana sy tendrombohitra). Ary ihany koa, 50 isan-jaton'ny distrikan'i Terai no manana tondron'ny tetibola isan'olona ‘ratsy indrindra’ (raha oharina amin'ny eo amin'ny 17 isan-jato ho eo ho an'ny distrikan'ny havoana). Mbola manampy trotaka izany koa ny tsy fisiana afa-tsy 11,2 isan-jaton'ny vahoaka Madheshi ao anatin'ny tondron'ny fitantanam-panjakàna izay tsy misy na iray aza amin-dry zareo mitarika ny lafiny kolontsaina sy fanabeazana ary ny raharaha matihanina. Misy fandraràna tsy volanina momba ny fampidirana azy ireo ao amin'ny tafika Nepaley, ary tsy dia misy lanjany loatra ny isan-dry zareo ao anatin'ny mpitandro filaminana Nepaley.

Manana fibedesana tsy fahita firy ho an'ny mpanjaka i Blogdai: Eh ry Mpanjaka! Nosimbanao ilay izy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.