Inona No Tena Mandresy Lahatra Ireo Mpankafy Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany 2018 ? Ny Fango Vaovao Mampisavoritaky Ny Fizahantany Rosiana Ve Sa Ny Fampitandremana Hentitra Ataon'ny Governemantany ?

Hazavain'ilay fanazavana amin'ny fango fa ilay efajoro mena amin'ny sisiny farany havia dia i Krimea, ilay saikanosy nozanahana izay loharanon'ireo antambo farany nanjo an'i Rosia // russia-brand.com

Miaraka amin'ny fanombohan'ny fiadiana ny amboara erantany FIFA 2018 amin'ny Jona 2018, dia mikatsaka ny hanome endrika vaovao ny firenena ny antokon-draharaha federaly Rosiana miasahana ny fizahantany . Hatao any amin'ny tanàna 11 manerana an'i Rosia ireo lalao baolina kitra.

Ho fitsinjovana ny lalao, dia nampahafantarin'i Rosturizm vao haingana ny “teny faneva” vaovaon'ny fizahantany ao amin'ny firenena : ” Aty Rosia Izao tontolo izao“, anarana nomena noho ny haren'ny kolontsaina sy ny vahoaka izay mety ho hita ao amin'ny firenena .

Ny vokatr'ilay fifaninanana naharitra roa taona niaraka tamin'ireo mpifaninana maherin'ny 500, ilay fanentanana nandresy dia nalaina tamin'ny haren'ny hetsika ara-javakanton'ny Suprematism taloha izay novolavolain'ny mpanakanto toa an-dry El Lissitzky, Kazimir Malevich, ary Ivan Kliun tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha 20.

Mampatsiahy ny sarintanin'i federasiona Rosiana, manomboka amin'ny zanatany Krimea mamakivaky ny tendrombohitr'i Oural mankany amin'ny faritra farany Atsinanan'i Rosia sy ny any ambadika any ilay fango fototra.  Miaraka amin'ireo vondrom-poko 170 mahery sy fiteny vitsy an'isa 100  fantatra ôfisialy any Rosia.  Ny habetsahan'ireo foko, ny fomba fiteny ary ny halalaky ny kolontsain'ny firenena amin'izao fotoana izao no ezahan'ilay fango hampitaina. Mampifanindry ireo sarinà mpanakanto rosiana, ny sakafo, ny mpanao fanatanjahantena, ny tontolo taza-maso ary endrika fiangaly kanto amin'ilay sary fototra ny fotokevitra hafa amin'ilay angona.

Fiangaly kanto isankarazany nampidirina tao amin'ilay fanentanana endrika supermatist fototra //  russia-brand.com

Haseho amin'ny fotoana iray faminavinana goavan'ny indostrian'ny fizahantany any Rosia izay endrika nandresy. Ny fanjakana sy ireo lehibena indostria kosa dia samy manantena fa hitombo ny isan'ny vahiny mpitsidika an'i Rosia, entanin'ny fitiavana lalao.

Araka ny filazan'ny Rosturizum, dia niakatra 14 isanjato ny fizahantany vahiny nanomboka tamin'ny 2016 ka hatramin'ny 2017. Vao haingana no notaterin'ny  FIFA fa maherin'ny tapakila 3 tapitrisa no nangatahana ho an'ireo lalao samihafa amin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany.  Raha toa ka mihoatra amin'ny tolotra ny tinady, dia efa novolavolaina ny rafitra fisarihana mba hamaritra hoe iza no hahazo tapakila amina lalao aiza.

Miaraka amin'ireo fangatahana 38 isan-jato avy any ivelany, niara-niasa tamin'ny FIFA ny governemanta rosiana mba hamolavola ny rafitra fivahinianana tsy ilàna fahazoan-dàlana mandritra ny lalao.  Miaraka amin'ny solonà-fahazoandàlana “Fan ID” ihany koa ny fivezivezena malalaka any amin'ireo tanàndehibe mpampiantrano, ary na eo aza ny elanelana lavitra dia mety tsy maintsy hitsangantsangana hamakivaky an'i Rosia ny olona iray. Ny tanjon'ireo ezaka ireo dia ny hahazoana tombony araka izay atao amin'ny fizahantany mandritra ny lalao.

Ianteheran'ireo manampahaizana momba ny fizahantany mba hampiroborobo ny fizahantany ireo lalao na dia aorian'ny fahavitan'ny fiadiana ny tompondaka aza. Na izany aza, dia nohavaozin'ny traikefa azon'ny firenena tamin'ny fiadiana ny tompondakan'ny Konfederasiona FIFA 2017 ny fanantenana. Araka ny fanambaràna an-gazety ho an'ny velakevitra momba ny fizahantany navoakan'ny fanaparitaham-baovaon'ny fandraharahana rosiana dia manamafy i Vedemosti :

…не оправдал ожидания туристического бизнес-сообщества, – гостей оказалось явно меньше, чем планировалось организаторами, жить они предпочитали в частном секторе, бронируя размещение через онлайн-сервисы в обход туроператоров, готовых предоставить им экскурсионные программы и удобную логистику.

…tsy araka ny nandrasan'ny indostrian'ny fizahantany. Nihena be ny isan'ny mpitsidika fa tsy araka izay nandaminan'ny mpikarakara azy, satria naleon'ireo vahiny mipetraka amin'ny tranon'olon-tsotra, manao famandrihana amin'ny alàlan'ny tolotra amin'ny aterineto sy miala ireo mpikarakara fitsangatsanganana izay efa vonona hanolotra fitsangantsanganana ary fitaovana mahazatra.

Noho io antony io, dia nidina avy any amin'ny roa tapitrisa eo ho eo nankany amin'ny iray tapitrisa ny vinavina ho isan'ireo vahiny avy any ivelany hanatrika ny fiadiana ny Tompondaka Erantany aorian'ny fiafaran'ny fiadiana ny tompondakan'ny Konfederasiona.

Mampitandrina ireo mpizaha tany i Etazonia amin'ny ” fampihorohoroana sy ny fanorisorenana”

Koa satria efa ho tapitra ny andiany voalohany fivarotana ny tapakila, dia namoaka torolàlana nohavaozina ho an'ireo mpandeha  Amerikana ho any Rosia ny Departemantam-panjakana Amerikana, mitanisa ny fampihorohoroana sy ny fanorisorenana ny olom-pirenena amerikana ataon'ny sampan-draharahan'ny fampiharana ny lalàna ho antony “handinihana tsara ny dia”.

Henjana ny fanesoan'ireo mpanaramaso rosiana ilay hetsika :

Mametraka an'i Rosia eo amin'ny sokajy 3 amin'ny 4 ny torohevitra ny #US #StateDepartment momba ny dia :” handinihana tsara ny dia”- angamba “noho ny fampihorohoroana sy fanorisorenana”. Tena mampihomehy izany. Na hetsika ara-politika na hadalàna, tena mampihomehy mihitsy.

tsy amin'ny ampahany momba ny fisorohana ny dia ho any Kaokazy avaratra sy Krimea – Fahamailoana izany

Novalian'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Rosiana avy hatrany ilay torolàlana momba ny dia, izay nampametra-panontaniana ny mpitondra teny, Maria Zakharova, ny amin'izay mety hanjo ireo mpandeha amerikana.

Tsy  Etazonia irery ihany anefa, na izany aza, no firenena namoaka torolàlana ho an'ny fivahinianana. Ny governemanta Frantsay dia efa namoaka filazana tamin'ny taona lasa, araka ny fanamarihan'ilay mpaneho hevitra iray, angamba mety hanampy amin'ny fampifandraisana ilay filazana, amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izao ilay kisary ampiarahana aminy,  hanatombo bebe kokoa noho ny ilay an'ny amerikana :

Taorian'ilay filazàna momba ny fitsidihana an'i Rosia mampiady hevitra navoakan'ny Departemantam-panjakana, dia inty  misy torolàlana mitovy amin'izany avy amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Frantsay : azo antoka ny rehetra, afa-tsy Kaokazy Atsimo. Ohatra ny mba rariny kokoa.

Heverina hitondra ampahana mpizaha tany betsaka ho amin'ny fiadiana ny Amboara Erantany miaraka amin'i Etazonia sy ireo firenena Eoropeana hafa, ho hita eo raha hisy fiantraikany amin'ny isan'ny mpitsidika ireny filazàna ireny.

Fa na izany na tsy izany, dia mitodika amin'ireo mpitia baolina kitra avy any Amerika Latina ihany koa ireo manampahaizana momba ny fizahantany rosiana noho ny halehiben'ny  fahafahan-dry zareo mandeha, satria tsy toy ireo Eoropeana mpankafy — izay mety ho moramora kokoa ny fandehanany mankaty Rosia sady mety ho tonga andro vitsivitsy monja — mety ho ampitomboina herinandro vitsivitsy ny an'ireo mpankafy avy any amerika Latina mba hampitombina ny dian-dry zareo lavabe. Tsy miankina amin'ny hoe iza no firenena mitàna ny laharana voalohany amin'ny isan'ny mpizaha tany ho aty Rosia, mandritra ny iray volana amin'ity fahavaratra ity, fa tena ho  “izao tontolo izao aty Rosia” marina tokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.