(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)
-Zavatra voalohany indrindra. Vao haingana ny blaogy Keniana WebRing no nankalaza ny tsingerintaonany voalohany ary nahatratra mpikambana 100. Ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fiarahabana. Ireto misy sombintsombiny momba ny fikambanana mahagaga izay tsy iza fa ny Kenya Unlimited.
- Bankelele indray manome vaovao mahasoa mikasika ny fividianana petra-bola ao amin'ny tsenam-bola Keniana.
avy aty ivelan'i Kenya. Bala sy Tantely Afrikana
-Ao anatin'ny fitadiavana asa ve ianao ary leon'ny fandavàna an-taratasy mahazatra? Wg-K manome soratra hafa (sy manala azy)
- Nahoana no nandefa bilaogy ny akoho? Tsindrio eto raha te hahafantatra…mampikakakaka.
- Guessaurus indray mizara amintsika ny fifandraisany ara-pitiavana amin'ny torimaso.
-Mahatonga ny MMK handinika indray ny safidiny momba ny asa ny diany mankany Monaco.
- AfroFeminista te hihinana fotsiny ny fritiny am-pilaminana.
- Haidhuru manana lahatsoratra mahafinaritra izay azo antoka fa hanako eo amin'ny “diaspora” mpila ravinahitra…”Fantatrao fa tao amin'ny Etazonia ela loatra ianao raha….“
– Manjaka amin'ny vaovao ny fitsapa-kevi-bahoaka ny lalàmpanorenana atsy ho atsy any Kenya. Indrisy fa miatrika ny safidin'i Hobson ny Keniana ary nanjary fahafahana ho an'ireo mpanao politika Kenyana mba hitondra ny fandrendreham-bahoaka mahazatra azy ireo amin'ny ambaratonga vaovao izany. Echawawa kosa maneho ny tsy fankasitrahany ny cirque (fampisehoana mampihomehy) misy ankehitriny.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...