Rakipeo: Vovonana Global Voices Fivoriana Faha 4 Fizarana Faha 2

(Marihana fa tamin'ny 15 Desambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy amin'ny endrika rakipeo ny Vovonana Global Voices 2005 !! Navoaka tamin'ny endriny isan-karazany ny rakipeo tsirairay mba ahafahan'ny rindrambaikon'ny rakipeo rehetra mamaky izany.

Kitiho eto raha hihaino ny Fizarana Faharoa tamin'ny Fivoriana Faha 4: Ny hoavin'ny Fifanakalozan-kevitra Manerantany (24 MB, 51 min)

Ahoana no ahafahan'ny Global Voices sy ireo mety ho mpiara-miombon'antoka matanjaka amin'ny sehatra matihanina sy ny asan'ny fampitam-baovaon'ny olom-pirenena manangana Fifanakalozan-kevitra Manerantany demaokratika sy ara-drariny kokoa – fifanakalozan-kevitra izay handraisan'ny olona rehetra fitenenana tsy amin'ny fomba azo antoka sy azo atao ihany fa ny hananany vintana ho re ihany koa? Hatraiza ny ilazana ny vahaolana ho ara-teknika (rindrambaiko, sns.) ary hatraiza no ilazana izany idiran'ny ezaky ny olombelona, ​​ny fomba sy ny fikambanana? Noho ny fangatahan'ny besinimaro,  nifantoka betsaka tamin'ny olan'ny fandikan-teny ny tapany faharoa tamin'ity fivoriana ity .

Notarihan'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon, niaraka tamin'ny fandraisan'anjaran'i Ahmed (Arabia Saodita), Haitham Sabbah ( Toniandahatsoratra Afovoany Atsinanana/Afrika Avaratra), Farid Pouya (Iran), Kevin Wen (Shina), Jordan Seidel (Polblog), Pat Hall (Blogamundo ), ary Chris Ahearn (Reuters)

FANAMARIHANA: Nisy olana madinidinika sasany nahatonga ny fandraketam-peo tapaka tamin'ny fotoana vitsivitsy. Efa nofafana ireo fizarana nisy izany. (Rakipeo natolotr'i Benjamen Walker.)

Araho eto ny bilaogy mivantana misy ny Fizarana Faha 4 . (Natolotr'i Angelo Embuldeniya sy SJ Klein.) FANAMARIHANA: tohin'ny Fizarana Voalohany tamin'ny Fivoriana Faha 4 ity fandraisam-peo ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.