Miblaogy Momba Ilay Fipoahana Tao Londra

Moblog_c5e3bfbeddbfb

(Fanamarihana: navoaka tamin'ny Jolay 2005 ity lahatsoratra ity)

(Sary an'ny “alfie” ) navoaka tamin'ny moblog.co.uk)

Misaotra an'i Erica George noho ny nanaovany fanamarihana ho anay mikasika ity Vondrom-piarahamonina Livejournal ity izay natokana ho amin'ny fizaràna ireo vaovao mikasika ny fihetsiketsehana vokatr'ireo fipoahana baomba androany tao Londra.

Nametraka wiki “London Responds” iray ny DoWire.org

Nihodina tontolo andro ny Metroblogging London, sahala amin'ny nataon'ireo blaogy hafa an'arivony, efitra firesahana, tranonkala moblog, sns… Manana fitambarana rohy iray tena tsara ny Boingboing.

Ny làlana tsara indrindra hahitàna ireo lahatsoratra anaty blaogy sy ireo sary arakaraky ny fovoahan'izy ireny amin'ny aterineto dia avy amin'ny fampiasana ireo marika technorati sy flickr.

Azo natao ny namandrika tamin'ireo fahana RSS tamin'ireto marika Tchnorati manaraka ireto:
London
bombs
July 7
7 July
terrorism
London bomb
London blast
London explosion

Ao amin'ny Flickr, jereo ny bomb blast pool sy ny London explosions pool

Ary koa ireto marika manaraka ireto :
London
bomb
blast

Ao amin'ny buzznet:
http://www.buzznet.com/buzzwords/london/  (rohy maty)

Azafady, avelao izahay hahalala ireo vohikala tsara hafa sy ireo rafitra hafa fanamarihana izay mampitambatra ny fanoratana blaogy mifandraika amin'ny fipoahana baomba tao Londra.

Samy namondrona olona marobe ireo media goavana rehetra mba hampitambarana sy hanangona ireo tantara sy ireo sary vavolombelona mikasika ireo fipoahana baomba tao Londra androany. Manokana amin'izany ny asa mendrika vitan'ny BBC, mampiseho ny fahafahana miaraka miasa notontosain'ireo matianina sy ireo olom-pirenena handrakofana ny tantara. Manana pejy iray tena ilaina eto ny Gazety Wall Street, izay misy isanandro ireo rohy vaovao ao aminy. Manangona tantara betsaka ihany koa ny Wikinews – sady avy amin'ireo loharano matihanina no avy amin'ireo olom-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.