Repoblika Demaokratikan'i Kongo : Miantraika Amin'ny Ezaka Ho Fiarovana ny Babakoto ny Ady

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Misy toedraharaha tsy marin-toerana mihitsy mitranga ao amin'ny valan-javaboaharim-pirenena Virunga ao Kongo. Ny ady ao Kongo ankehitriny dia miha-mahazo ireo faritra arovana misy ireo babakoto any amin'ireo tendrombohitr'i Virunga, izay eo ambany fifehezan'ny mpihoko. Manaraka akaiky ny raharaha ny Gorilla Protection ary mandefa tsy tapaka ny fanavaozam-baovao avy aminy. Ny lahatsoratra farany indrindra dia mampiseho ny fiharatsian'ny toedraharaha, ary manontany izay momba izay hoavin'ireo babakoto any an-tendrombohitra miaraka amin'ny fitohizan'ny ady.

One of our guards returned late last night, and only just with his life. When he tried to go out with the rest of his small team to locate the gorillas they came under attack by armed men.This means that it is impossible for anyone to be in Bukima, and so it also means that none of our guards are able to be in the Gorilla Sector.

Halina, efa taraiky be vao tafaverina ny mpiambina iray avy ato aminay, efa nila ho faty. Rehefa niezaka ny nivoaka niaraka tamin'ny andiany kely misy azy izy mba hijery izay misy ireo babakoto, dia nisy olona nirongo fiadiana nanafika azy ireo.
Midika izany fa sarotra ho an'ny rehetra ny monina aty Bukima, ary koa tsy misy amin'ireo mpiambina avy ato aminay ho afaka hankany amin'ny faritra misy ireo babakoto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.