Nampisavorovoro Ireo Mpanara-Dia Azy An-tapitrisany Ny Fanamelohana Ilay Mpitondra Fivavahana Indiana Ho Nanao Fanolanana

Gurmeet Ram Rahim Lehiben'ny Fivavahana Dera Sacha Sauda. Pikantsarin'i Siddharth Kannan tao amin'ny lahatsary YouTube.
Mitory fampianarana ara-panahy, ara-pinoana ary filozofika ao India ny ‘gurus‘ (mpampianatra ara-pivavahana) maro sy ny ‘babas’ (manoka-tena ho masina ara-tsaina sy ara-batana). Mahazo laza tokoa ireo sasany izay miantso ny tenany ho ‘olon'andriamanitra’ rehefa mambabo ny fon'ireo mpanaradia azy ary mampitombo ny mpankafy azy ifotony amin'ny alalan'ny fifandraisana ara-psikolojika lalina izay manome fampiononana, fankaherezana ary fikambanana.
Tamin'ny zoma 25 Aogositra, nomelohin'ny fitsarana manokana tao amin'ny Biraon'ny Fanadihadiana misahana ny Heloka Bevava (CBI) ilay mpitarika mpampisara-tsaina ny miresaka momba azy antsoina hoe Gurmeet Ram Rahim, mitarika ilay sekta goavana malaza Dera Sacha Sauda tamin'ny raharaha fanolanana miisa roa. Efa tao amin'ny fitsarana ireo raharaha ireo hatramin'ny taona 2008 rehefa nisokatra ny fanadihadiana nataon'ny CBI tamin'ilay lehiben'ny Dera Sacha Sauda. Niseho ny vehivavy roa nandritra ny famotorana ary niampanga an'i Gurmeet Ram Rahim ho nanao fanolanana. Nijanona tao amin'ny fitsarana manokana CBI anefa ny raharahan'izy ireo nandritra ny folo taona teo.
Iray amin'ireo fivavahana lehibe indrindra any India ny Dera Sacha Sauda, manana mpanjohy fototra miisa 3 tapitrisa eo ho eo. Raha malaza indrindra ao amin'ny fanjakan'i Haryana sy Punjab ao India ity fivavahana ity dia nanambara ny tenany ho fikambanana ara-tsosialy sy ara-panahy izay tarihan'i Gurmeet Ram Rahim amin'izao fotoana izao, ilay miantso ny tenany ho ‘Masina Ara-panahy’. Fantatra amin'ny fomba fiakanjony marevaka sy tamin'ny filalaovany sarimihetsika miisa roa mitondra ny lohateny hoe “Messenger of God” [Irak'Andriamanitra] ihany koa i Rahim, izay avy any amin'ny tanànakely iray ao amin'ny fanjakan'i Rajasthan.
Raha nankany amin'ny fitsarana ity mpitarika ny Dera Sacha Sauda ity mba hihaino ny didim-pitsarana tao Panchkula niaraka tamin'ny fiara miisa 700, dia nifamory teny an-dalamben'ny Haryana sy Punjab ny mpanaradia azy an'arivony mba hanohana ny ‘ olon'andriamaniny.’ Nofoanan'ny manampahefana ny fiara fitateram-bahoaka sy ny fiaran-dalamby maro, nohamafisina ny fitandroana ny filaminana, ary nakatona mialoha ny birao maro noho ny mety hisian'ny fivadihan-javatra mahatsiravina. Niha-nafana sy nisafotofoto ny toe-draharaha tany amin'ireo firenena avaratra roa ireo ora vitsivitsy talohan'ny nanambarana ny didim-pitsarana. Ary vao mainka nivadika nahatsiravina ny toe-draharaha taorian'ny namoahan'ny fitsarana ny didim-pitsarana. Nanao hetsi-panoherana feno herisetra ireo mpanohana ary nitarika fifandonana mahery vaika tamin'ny mpitandro filaminana ka voatery tsy maintsy nampiharin'ny manampahefana ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina tao amin'ny faritra Panchkula. Olona maherin'ny 30 no maty ary maro hafa no naratra.
Anand Mohan, mpitati-baovao avy ao amin'ny Indian Express, nisioka hoe:
A train bogey set on fire at Anand Vihar railways station. #Deraviolence#RamRahimConvicted@IndianExpresspic.twitter.com/j7Cm38Ts98
— Anand Mohan (@mohanreports) August 25, 2017
Fiaran-dalamby nirehitra tao amin'ny garan'i Anand Vihar.
Olom-pirenena maro sy olo-malaza no nanameloka ireo hetsika feno herisetra ireo tao amin'ny media sosialy ary nanohana ny didim-pitsarana.
Hoy i Arun Sharma raha naneso hoe:
I live in a country where Babas and Maulvis have more impact on people than Education.#Deraviolence
— Arun Sharma 🇮🇳 (@arunn333) August 26, 2017
Miaina eto amin'ny firenena iray izay ahitana an'i Babas sy Maulvis manana fiantraikany bebe kokoa amin'ny olona noho ny Fanabeazana aho.
Nisioka ilay mpilalao sarimihetsika Bollywood, Twinkle Khanna hoe:
Our fault Babas exist as we turn towards them like silly sunflowers looking for the sun,forgetting that a halo is just a trick of the light!
— Twinkle Khanna (@mrsfunnybones) August 26, 2017
Fahadisoantsika raha misy ny Babas itodihantsika tahaka ny voninkazo tanamasoandro adala mitady masoandro ary manadino fa fitaky ny hazavana fotsiny ny halo (avana manodidina ny masoandro)!
Nisioka hoe i Ajay Kadian:
Now add ‘Rapist’ too in your bio 😂 #RamRahimVerdict #RamRahimVsLaw #RamRahim #RamRahimVsLaw #RamRahimVerdic #GurmeetRamRahimSingh pic.twitter.com/ewBb02v7uy
— Ajay Kadian 🇮🇳 (@AjjayKadian) August 25, 2017
Ankehitriny ampio hoe mpanolana amin'ny mombamomba anao
Nisioka ilay mpanao sariitatra Satish Acharya hoe:
Blind Faith! #cartoon#DeraSachaSauda#GurmeetRamRahimSinghpic.twitter.com/uwP91bJ6ay
— Satish Acharya (@satishacharya) August 29, 2017
Finoana Jamba!
Ny alatsinainy 28 aogositra, nambaran'ny fitsarana ny sazy feno 20 taona, 10 taona avy isaky ny heloka, ary lamandy 14 lakh Indian rupees (eo amin'ny 21 900 dolara amerikana eo). Vao mainka nitombo ny korontana taorian'ny fanambarana.
Niampanga ny fampahalalam-baovao ho tsy namoaka ny zava-dehibe amin'ny fanamelohana i Amit Dholakia:
Hindi front pages: In Ram Rahim headlines, the missing word was ‘rape’ https://t.co/ZJFsdv5HRB via @scroll_in
— Amit Dholakia (@Amit_Dholakia) August 29, 2017
Lohatenin-gazety Hindi: Momba an'i Ram Rahim, tsy voalaza ny teny hoe ‘fanolanana’
Naneho ny hafaliany mangina ny hafa, toa an'i Yogendra Yadav, noho ny didim-pitsarana:
Done. Finally, 18 yrs after rape, 10 yrs of trial.
Now ensure that he serves his sentence as a prisoner, not as VIP in hospital & on parole. https://t.co/BM8dqqjvLY— Yogendra Yadav (@_YogendraYadav) August 28, 2017
Vita ihany ny farany, 18 taona taorian'ny fanolanana, fitsarana nandritra ny 10 taona.
Hojerena sisa raha toa ka manefa ny saziny toy ny gadra rehetra izy, fa tsy toy VIP any amin'ny hopitaly na afaka noho ny fampanantenana.
Samy nanararaotra ity tranga ity avokoa na ny antoko politika Bharatiya Janata Party (BJP) na ny antoko mpanohitra Kongresy Nasionaly Indiana (INP). Niampanga ny BJP ho manao fifamatorana ara-politika akaiky amin'i Gurmeet Ram Rahim ny INP raha ny BJP kosa milaza fa henjana loatra ny didim-pitsarana saingy mangingina ihany izy ireo.
Nomena tsiny tamin'ny tsy firaharahiana loatra nifehy ny fiarovana ny Sefo Minisitr'i Haryana ary nanambara kosa ny Sefo Minisitr'i Punjab fa tsy hisy ny fanonerana ho an'ireo mpanaradia naratra nandritra ny hetsi-panoherana nahery vaika nanerana ny fanjakana. Nanameloka ny herisetra nandritra ny fandaharany tao amin'ny onjam-peo isan-kerinandro ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi. Nahitana herisetra mahery vaika tany Uttarakhand, ilay fanjakana miankandrefana tonga any Haryana, ary nanery ireo manampahefana hampihatra ny andininy faha-144 tamin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Heloka Bevava (CrPC) tamin'ny taona 1973, mba handrarana ny famorian'olona miisa dimy na mihoatra tao amin'ny faritra.
Mandritra izany fotoana izany, mbola miatrika fiampangana heloka bevava miisa telo hafa ilay mpitarika fivavahana Gurmeet Ram Rahim , anisan'izany ny vono olona sy ny voalaza fa fanalana taovam-pananahan'ireo mpanara-dia Dera miisa 400 tao amin'ny foiben'ny sekta.
Tohina tamin'ny fiampangana an'i Rahim, mbola mijanona eny an-dalambe ireo mpanara-dia ny Dera Sacha Sauda izay mampanontany tena hoe iza no tena hinoan'izy ireo amin'izao fotoana izao.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...