Nanakorontana ny fiainan'ny olona an'hetsiny sy niteraka fahavoazana lehibe tamin'ny fananana sy ny fotodrafitrasa ny andiana tondradrano mahatsiravina tao Bangladesh, India sy Nepal ka nahatonga azy ireo hifindra toerana.
Niteraka tondradrano sy tany nihotsaka ny oram-baratra nivatravatra tany atsimon'i Nepal sy avaratr'i India, ary nikoriana nanerana an'i Bangladesh ny safodrano ka nahafatesana olona miisa 175 farafahakeliny tany amin'ireo firenena telo ireo.
Olona miisa 6 tapitrisa farafahakeliny no niharan'ny tondradrano tao amin'ny faritr'i Terai ao Nepal ary fonenana maherin'ny 48.000 no safodrano. Diboky ny oram-batravatra ny ampahan'ny lalamben'i Mahendra, fifandraisana manan-danja indrindra mampitohy ny andrefana sy atsinanan'i Nepal. Tanànakely sy fonenana maromaro no tsy nahazo vonjy na fanampiana satria sarotra tamin'ireo mpamonjy voina ny nandeha tany amin'ireo faritra lavitra ireo. Tapaka ny fitaovana fifandraisandavitra sy ny herinaratra ary tondraky ny rano ny lalana ifandraisana.
Nizara sary sy lahatsary mampiseho ny faharavana tao amin'ny media sosialy ny olona .
A man carries his cattle on his shoulder as he moves to safer ground in Saptari,Nepal,12 August 2017. #nepalflood#epaphotospic.twitter.com/Cb6iOMOE3p
— Narendra Shrestha (@Narendraphoto) August 12, 2017
Nitondra ny biby fiompiny eny an-tsorony ny lehilahy iray rehefa nifindra nankany amin'ny toerana azo antoka any Saptari, Nepal izy ny 12 aogositra 2017.
Father & son try to protect their goats after flood water gushed into their settlement in Sunsari, #Nepal (? by Madhav Ghimire) #NepalFloodpic.twitter.com/bOUqPjEnlh
— Nepal Pix (@NepalPix) August 12, 2017
Niezaka niaro ny osiny ny raim-pianakaviana sy ny zananilahy rehefa tondraky ny rano ny fonenany tao Sunsari, Nepal
Terai in trouble! Flood everywhere!small help can bring big change in their lives!lets help! @iamsrk u r the reason behind this unity! Thnx! pic.twitter.com/TSeo6H7BDu
— SRK Fan Club NEPAL (@club_nepal) August 12, 2017
Misedra olana i Terai! Tondradrano na aiza na aiza! Afaka mitondra fiovana goavana eo amin'ny fiainany ny fanampiana kely! ianao no antony mampety ity firaisankina ity! Misaotra!
A slideshow about #NepalFlood from our team @tuluprotocolhttps://t.co/9AO7HlGQA8
— Puru Shah (@digitalsubway) August 14, 2017
Sary momba ny tondradrano ao Nepal avy amin'ny ekipanay
#NepalFlood Death toll reaches 91, injured 25 missing 38.
2.8K house damaged, 3K infrastructures partially damaged. 26K rescuers mobilized. pic.twitter.com/O1MX2tE37u— Ashok Dahal (@ashokpillar) August 14, 2017
Nahatratra 91 ny isan'ny maty, 25 no naratra ary miisa 38 no tsy hita popoka.
Trano miisa 28.000 no simba, simba ny ampahany tamin'ny fotodrafitrasa miisa 3.000. Mpamonjy voina miisa 26.000 no nahetsika.
Nizara ity lahatsary YouTube izay mampiseho ny fihotsahan'ny tany sy ny fahasimbana vokatry ny tondradrano tao Nepal ity i Lucky Deepak:
Niezaka nanangona vola sy fanampiana ny olona sasany entina hanampiana ireo tra-boina tao Nepal:
Help Flood Victims in Nepal – 2017 https://t.co/YaOKifZv2K
— Pramod Shah (@Hellowpramod) August 15, 2017
Ampio ireo Tra-boina tamin'ny Tondradrano ao Nepal – 2017
Tsy nitsahatra ny orana nandritra izany fotoana izany tany India ary niteraka fihotsahan'ny tany tao Uttarakhand sy Himachal Pradesh ary nahatonga tondradrano tany amin'ireo fanjakana atsinanana sy avaratra atsinanan'i Assam sy ny faritra tao Bihar sy Bengal Andrefana. Olona 99 farafahakeliny no namoy ny ainy ary maherin'ny 2 tapitrisa no lasibatra manerana ireo distrika miisa 21 ao amin'ny fanjakana Indiana Assam. Farafahakeliny olona miisa 41 no maty ary olona miisa 180.000 no nafindra toerana tao amin'ny fanjakan'i Bihar taorian'ny tondradrano tao amin'ireo distrika miisa folo ireo. Ity no andiana tondradrano fahatelo hatramin'ny niatombohan'ny vanim-potoanan'ny orana tamin'ity taona 2017 ity.
In photos: Flood situation worsens in Bihar, West Bengal, Assam, rail and road services disrupted https://t.co/xQDLpw0Zihpic.twitter.com/wq41UX1Oqy
— scroll.in (@scroll_in) August 14, 2017
Saripika: Niharatsy ny toe-draharahan'ny tondradrano tao Bihar, Bengali Andrefana, Assam, tapaka ny làlamby sy ny lalambe
Assam flood: Embankment breach at nigh creating havoc…. pic.twitter.com/Nr2rEugOCM
— peter alex todd (@peteralextodd) August 13, 2017
Tondradrano tao Assam: nahatonga faharavana ny fefiloha vaky tamin'ny alina .
@narendramodi@PMOIndia Sir if u hv time pls hv a look.U will know why Assam needs a permanent solution of t floods #AssamFloodpic.twitter.com/TmnWZbTYxZ
— Assamesenomad (@Assamesenomad) August 14, 2017
Andriamatoa Praiminisitra, raha toa ka manam-potoana ianao dia miangavy anao mba hijery izany .Ary ho fantatrao hoe nahoana i Assam no mila vahaolana maharitra amin'ny tondradrano
Raha nidina nankany Bangladesh dia niakatra be ny haavon'ny ankamaroan'ny renirano vokatry ny fahatondrahan'ny rano avy any India sy Nepal ary ny oram-batravatra mavesatra. Olona mihoatra ny 1 tapitrisa no tratran'ny tondradrano rehefa tondraka ny renirano izay narahana orambe andro maromaro tao Bangladesh. Nilaza ny manam-pahaizana fa miatrika safodrano lehibe ny firenena, tahaka ny nitranga tamin'ny taona 1988.
Unusual flood in four northern districts; In Bangladesh, major floods like 1988 are coming… https://t.co/HLyRDQPfTypic.twitter.com/WKHdLkwf1U
— juwelishlam (@blogbanglamail) August 14, 2017
Tondradrano tsy mahazatra tany amin'ny distrika miisa efatra any avaratra; Ao Bangladesh, tonga ny tondradrano lehibe tahaka ny tamin'ny taona 1988 …
#Flood situation worsened in 20 districts in #Bangladesh. It might get even worse. https://t.co/UqngoQWHNopic.twitter.com/0iF2nngAhx
— Ahmede Hussain (@ahmedehussain) August 14, 2017
Niharatsy ny toe-draharahan'ny tondradrano tany amin'ny distrika miisa 20 ao Bangladesh. Mety hiharatsy kokoa izany.
Namoaka lahatsary iray mampiseho ny halehiben'ny tondradrano ao Dinajpur, distrika avaratr'i Bangladesh ity mpisera YouTube ity: