Bilaogera Alemàna-Ejypsiana Navotsotra Rehefa Niharan'ny Herisetra Ara-tsaina Nandritra Ny 5 Andro

(Fanamarihana: ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy dia efa nivoaka tamin'ny volana Febroary 2009 )

free-philip-rizk.jpg
Navotsotry ny manampahefana Ejiptiana ilay bilaogera Alemana-Ejiptiana Philippe Rizk tamin'ny Alarobia rehefa notànana notampena-maso nandritra ny dimy andro tany amin'ny toerana tsy fantatra ary niharan'ireo karazana herisetra ara-tsaina.

Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Tambajotra Arabo misahana ny Zon'Olombelona (ANHRI), nanoritsoritra izay nitranga i Rizk:

I was repeatedly questioned about everything and I was terrified. Although I was not abused physically, I was blind-folded all the time. Officers kept saying to me, and I was threatened with long term imprisonment. They asked me if I supported Hamas, was working for Israel, and, being Christian, if I was an evangelist. I was never informed of any charges against me

Nohadihadiana momba ny zava-drehetra aho ary nihorohoro. Na dia tsy niharan'ny herisetra ara-batana aza aho, dia notampenana foana ny masoko. Nanohy niresaka tamiko ireo manampahefana, ary nampitahorina fanagadrana mandrapaha-faty aho. Nanontany ahy ry zareo raha toa aho ka nanohana ny Hamas, niasa ho an'i Israely sy ny Kristiana, na raha evanjelista aho. Tsy nampahafantarina ahy mihitsy ny fiampangàna ahy

Nanangana pejy habaka momba an'i Gaza manokana ity tanora bilaogera ity talohan'ny nitanana azy, ary nanomana fanadihadiana momba ny fihetsiketsehana manohitra ny ady Isiraeliana ao Ejipta.

Nanao bemidina tao an-tranon'i Rizk ny mpitandro ny filaminana tamin'ny alatsinainy lasa teo, nitady azy ary nangataka ny rain'i Rizk mba hiaraka amin'izy ireo any amin'ny biraony. No sady naka an-keriny ireo fakantsariny nomerika, fakantsary lahatsary, finday,  iPod, kapila mangilatra sy DVD telopolo, boky maromaro sy gazety, antontan-taratasy manokana, horonantsari-mihetsika enimpolo, fitoerana laptop, kitapo fentina mandeha lavitra, kapila mangilatra telo ary kitapo misy entana manokana, araka ny voalazan'i Rizk.

Nilaza ihany koa ny ANHRI fa ny fakàna an-keriny ny tenimiafin'ny mailakany dia midika fa tsy voatery avy aminy ireo hafatra rehetra nivoaka tamin'ny anarany.

Nisento ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana rehefa nandre ny famotsorana an'i Philippe, niely tamin'ny alàlan'ny Facebook sy hafatra jaiku ny vaovao. Ny alina talohan'ny namotsorana azy, mpikatroka sy bilaogera am-polony no nanao fihetsiketsehana mitaky ny famotsorana azy, ary nanangana bilaogy ho amin'izany tanjona izany ihany ary nanaparitaka vaovao farany momba ny fisamborana azy ireo mpiara-miasa aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.