Però: Mankalaza Ny Tsingeritaonany I Lima 

(Marihina fa tamin'ny 21 Janoary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)


Sarin'ny Katedraly ao Lima avy amin'i Luis Rodríguez ary nampiasàna lisansa Creative Commons 

Ny Alahady 18 Janoary, nankalaza ny faha 474 taona nanorenan'i Espaina azy ny Tanàndehiben'ny Mpanjaka, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Lima, Però . Maro ireo bilaogera no nanararaotra ity fotoana ity tamin'ny fanolorana teny vitsivitsy ho an'ny tanàndehibe, na nandefa sary maromaro, toa an'i Ernesto ao amin'ny Física 3 [es]  , izay monina any ivelany amin'izao fotoana izao. Hoy izy raha nanoratra : ” Ao am-po i (Lima) , miverina ao an-tsaina ireo lalambeny rehetra ” na toa an'i Isabel ao amin'ny Burbujas Recargadas [es]  izay nanoratra hoe: ” Mandevona anao i Lima , kanefa mampihanta anao ihany koa izy . Saro-takarina i Lima… . Kanefa, izy no tanàndehibeko.

Tsy ny rehetra no naneho ny fihetseham-pony manoloana an'i Lima, toy ny bilaogera sasany tahaka an'i Eduardo Villanueva izay nanadihady ihany koa ny olan'ilay tanàndehibe tao anatin'ny andian-dahatsoratra. Nitanisa ireo zavatra sasany izay tsy ampy tao an-tanàndehibe izy tao amin'ity lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy Casi Un Blog Mk.II [es] ity :

3 – Una buena arena deportiva que también sirva para conciertos. La solución actual, el estadio nacional o el estadio de la U, sirve para algunos casos; para otros más pequeños, lo que hay como el Dibós no alcanza, y cada vez que viene alguien que puede traer 5000 personas pero no 15000 falta dónde ponerlo.

4 – Un gran parque abierto a todo el mundo pero con controles de acceso, que sirva como sitio para caminar, disfrutar y ver y hacer cultura. El Campo de Marte no está bien mantenido y lo que se ha hecho con el Parque de la Reserva es una brutalidad: podrían haberse puesto las piletitas en otro sitio si se quería “disneyficar” un espacio público.

6 – Hacer algo con el rio Rímac, que está esencialmente abandonado a su suerte, desde lo ecológico hasta lo urbano.

10 – Casi es obvio: un sistema decente de transporte público.

3 – Ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena izay afaka hanaovana fampisehoana ihany koa . Ny kianja nasionaly na ny kianjan'ny Universidad (Klioban'ny Baolina Kitra ) izay mety tsara ho an'ny hetsika samihafa no vahaolana amin'izao fotoana izao; fa raha ho an'ny hetsika majinika dia tsy ampy ny Dibós (Coliseum), ary tsy misy ny toerana hametrahana ireo olona isaky ny misy ny hetsika izay mahasarika olona miisa 5000, fa tsy 15.000.
4 – Ny zaridaina lehibe misokatra ho an'ny rehetra, kanefa misy fanaraha-maso amin'ny fidirana, izay toerana azo handehandehanana , hialan'ny olona voly, hitazatazanana manodidina, ary hanaovana hetsika ara-kolotsaina. Tsy voakarakara ny Campo de Marte ary tena herisetra tsotra izao no nataon'izy ireo tamin'ny Valan-javaboary: tany an-kafa no tokony nametrahan'izy ireo ny loharano raha tiany ho “Disney-fy” ny toerana ho an'ny daholobe.

6 – Karakarao ny Renirano Rímac, indrindra eo amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny fanavaozana ny toerana an-tanàndehibe.

10 Ary ny tena miharihary: ny rafitra fitateram-bahoaka mendrika .

Anisan'ny hita ao anatin'ny lahatsoratra hafa avy amin'i Villanueva ny : Fankalazana an'i Lima [es] , Lima: Misy Zavatra Tokony Hankalazaina Ve? [es] sy ny Nahoana no halako ny Ben'ny tanàna Castañeda (ny Ben'ny tanàna ao Lima) [es] . Raha avy amin'ny fomba fijery hafa indray dia nanoratra ilay bilaogera tao amin'ny El Tonto de la Colina [es]  fa tanàndehibe mahafinaritra i Lima ary tena mahaliana ny tantarany:

Lima fue la capital de un territorio que llegó a abarcar toda Sudamérica y la actual Panamá. El virrey que gobernaba desde Lima en representación del Rey de España tenía un poder casi ilimitado dentro de este territorio y poseía una corte que nada tenía que envidiar a las cortes europeas. Hoy nos cuesta pensar que desde aquí se gobernaba todo un continente.

Todas las riquezas del Nuevo Mundo salían desde el puerto de Lima hacia España. El comercio resultante hacía que la ciudad tenga un lujo escandaloso. Se tiene noticia de que en una ocasión, los comerciantes de Lima, para recibir a un virrey, mandaron pavimentar la calle que da a la plaza principal con adoquines de oro, y las dos calles siguientes con adoquines de plata. Si, pues, las calles de Lima estaban empedradas de oro.

Lima no renivohitry ny faritra izay manenika an'i Amerika Atsimo iray manontolo sy ilay antsoina ankehitriny hoe Panama. Manana fahefana saika tsy voafetra ao anatin'io faritra io ny governora mpisolo toerana izay mitondra ao Lima ary misolotena ny Mpanjakan'ny Espaina sy manana fitsarana, mitovy amin'ny fitsarana Eoropeanina. Sarotra ny mino fa avy eto (Lima), no hifehezany ny kaontinanta iray manontolo.

Miala avy ao amin'ny seranan-tsambon'i Lima mankany Espaina ny haren'ny Tontolo Vaovao rehetra. Niteraka rentirenty ara-barotra tafahoatra ho an'iity tanàndehibe ity izany. Voalaza fa namboarin'ny mpandranto tao Lima ho lalam-bato volamena ny lalambe teo an-kianja rehefa nandray ny governora mpisolo toerana izy ireo indray mandeha ary namboarina ho lalam-bato volafotsy ny arabe roa manaraka. Eny, natao lalam-bato volamena ny lalamben'i Lima .

Nandefa sary sy namoaka rohy mankany amin'ny zava-misy mahaliana  momba ny tanàndehibe ny bilaogera hafa tahaka an'i El Pensieve of Dinorider [es]. Nandefa ny lahatsarin'i Lima fahiny maromaro i El Amautacuna of Historia [es] . Namoaka ny lahatsary iray manangona ny sarin'i Lima amin'izao fotoana izao ny bilaogin'i Jota Erre [es]. Mamintina ny fankalazan'ny vahoaka nandritra ny tsingerintaonan'i Lima ny bilaogy La Mejor Cara de tu Lim@ [es] . Namoaka sary vitsivitsy ihany koa ny bilaogy Globalizado [es] .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.