Kazakhstan: Toekarena sy bilaogy

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009)

Miresaka mikasika ireo maodelin'ny fitondrantenan'ny vahoaka ao Kazakhstan eo anivon'ny fiarahamonina ny Megakhuimyak… [ru]:

Tian'ireo olona aty amin'ny Firenena an-dàlam-pandrosoana manokana ny mandany ny volany amin'ny fisehosehoana, indrindra, rehefa misy hidirany amin'ny lanonam-panambadiana. Vao nisy mpifankatia nanambady, fa efa dolara an'aliny sahady no lany. Avy eo mandoa trosa mandritra ny taona maro ry zareo, ary aorian'izay dia manomboka manangom-bola hanaovana lanonana mitovy amin'izany ihany ho an'ny zanany. Ary avy eo vao gaga – maninona no toa mahatsiaro tsy fahampiam-bola foana izy ireo?

… ary milaza ny heviny ihany koa izy momba ny fihatahana ara-toekarena eo amin'ny kajikajy nataon'ny fanjakana [ru]:

Ho fampiakarana ny haben'ny fanadiovan-tsolika ho 4,5 tapitrisa taonina ka hatramin'ny 2015, naroso ny sosokevitra hampiasa vola 3,4 tapitrisa dolara ao amin'ireo fanadiovan-tsolika efa misy. Manontany tena aho hoe fa maninona no tsy mihevitra fomba iray hafa izy ireo – afaka tsinjaraina ho fanadiovan-tsolika kely miisa 18 afaka mitahiry 250.000 taonina avy ireo 4,5 tapitrisa taonina ireo. Ary 360 tapitrisa dolara ny vidin'izy ireo mitambatra.

Mandritra izany fotoana izany, mampahatsiahy i katelka, fa lasa manan-kery ao Kazakhstan ny Lalàna mikasika ny Fitsipika anaty Aterineto izay mahatonga an'ireo bilaogy hitovy amin'ny mediam-bahoaka [ru]:

Misy fanontaniana mipoitra mifandray amin'ity lalàna ity: indray andro aho namaky bilaogina saka, izany hoe, nisy tompon-tsaka nitoraka bilaogy ”amin'ny anaran'ny” sakany… Iza izany no tokony heverina ho mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity? Ny saka?

Navoaka tao amin'ny neweurasia ihany koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.