Mankalaza ny Fahasamihafana Ara-piteny Antserasera Amin'ny Alalan'ny Fanamby Sary-sy-Soratra Amin'ny Fitenin-dReny

mememl3

Mandraisa anjara amin'ny Fanamby Sary-sy-soratra amin'ny fitenin-dReny amin'ny alalan'ny famoronana sary mampihomehy sy mampisaintsaina amin'ny aterineto amin'ny tenin-dreninao. Manomboka anio ka hatramin'ny 21 Febroary, manasa anao izahay mba handray anjara amin'ity fanentanana antserasera ity ho fahatsiarovana ny Andro iraisampirenena ho an'ny Tenin-dReny [naotin'ny mpanitsy: niniana tsy nosoratana mihitsy ny fitenin'i Akademia Malagasy hoe teny ibeazana izay teny frantsay ny antsika Malagasy nefa mifanohitra tanteraka amin'ny tanjon'ny voalaza eto izany].

Napetraka ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dReny mba hampiroboroboana sy hankalazàna ny fahasamihafana ara-piteny sy ara-kolontsaina manerana izao tontolo izao, miaraka amin'ny fanasongadinana manokana ny tenin'ny vazimba teratany, ny vakoka, ny tenin'ny vitsy an'isa, ary ny teny tandindonin-doza. Noho ny fanampian'ny fitaovana nomerika sy ny aterineto, misy ankehitriny ny sehatra tsy manam-paharoa ho fanehoan-kevitra sy ifandraisana amin'ny hafa ihany koa hiasa hamelona indray ny tenin-drenin'izy ireo.

Karakarain'ny Rising Voices sy ny namanay ao amin'ny Living Tongues Institute [Ivo-toeran'ny Teny Velona], First Peoples’ Cultural Council [Vaomiera Ara-kolontsain'ny Vahoaka Voalohany], Indigenous Tweets,[Sioka Indizeny] Endangered Languages Project [Tetikasa ho an'ny Teny Andala-pahaverezana], First Languages Australia,[Fitenin'i Aostralia Voalohany] ary ny Digital Language Diversity Project [Tetikasan'ny Fahasamihafam-Piteny Nomerika] ary koa ireo mpiara-miasa manerantany maromaro, manasa anao ny Fanamby Sary-sy-soratra amin'ny Tenin-dReny mba hametraka ny fahaizanao mamorona sy ny fitiavanao ny teny mba hamorona Sary-sy-soratra amin'ny tenin-dreninao.

Meme in the Tének language from México. Created by Luís Flores.

Sary-sy-soratra amin'ny teny Tének avy ao Meksika. Noforonin'i Luís Flores.

Raha handray anjara, araho fotsiny ireo dingana tsotra ao amin'ny tranonkalan'ny Fanamby (http://memeML.org), izay ahitana fitadiavan-tsary, manisy lahatsoratra sy tenirohy, miaraka amin'ny #MemeML, ary zarao ao amin'ny sehatra media sosialy ankafizinao indrindra. Hahita rohy mankany amin'ireo sehatra tranonkala maimaimpoana ihany koa ianao hamoronana sy hitahirizana ny famoronanao. Ao anatin'ny volana alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Tenin-dReny taona 2017, hizara, hamerina sioka sy handefa izay fandraisana anjara manerantany izahay ary hampiseho ny sasany amin'ireo ankafizinay indrindra eto amin'ny Rising Voices.

Raha fikambanana, firaisambe, tetikasa na vondrona hafa miasa amin'ny famelomana indray ny teny manerantany iana[re]o, dia mitady mpiara-miasa vaovao hiaraka aminay izahay mba hampiroborobo ity Fanamby ity. Mitady ireo hafa ihany koa izahay mba hanampy handika teny ny tranonkala amin'ny teny maromaro kokoa ka afaka mahatratra mpiteny amin'ny teny maro kokoa izahay. Mifandraisa aminay raha mila fanazavana fanampiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.