Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maodely Superhero Bitika Manentana ny Fifidianana Azy ho Governora an'i Jakarta ao Indonezia Indray

Miniature model of Jakarta Governor Basuki Tjahaja Purnama, more popularly known as Ahok. Photo by Dennys Wang, used with permission.

Maodely bitika ny governoran'i Jakarta, Basuki Tjahaja Purnama, fanta-bahoaka kokoa ho “Ahok.” Sary avy amin'i Dennys Wang, nahazoana alalana.

Miely haingana ao amin'ny media sosialy ny andian-tsary mampiseho ny maodely bitika an'i Basuki Tjahaja Purnama, governoran'i Jakarta, fanta-bahoaka kokoa ho “Ahok”.

Ny maodely bitika an'i Ahok dia natsangan'ilay artista Dennys Wang, manampahaizana manokana amin'ny fanaovana maodelin'olo-malazan'ny superhero. Tamin'ity indray mitoraka ity izy nifidy ny hanangana ny superhero keliny manokana, ny govenoran'ny renivohitr'i Indonezia.

Mahatonga ny sary ho tena mahasarika tanteraka, naka ny sarin'ny governora bitika manao fampielezan-kevitra sy miarahaba ireo mpifidy eny amin'ny toeram-bahoaka isan-karazany ao an-tanàna avy eo i Wang. Nalefany tao amin'ny Facebook ny sary ary nomeny anarana hoe “Fanentanana bitika” (Kampanye Miniatur).

Tafiditra tao anatin'ny raharaha fanompana zava-masina i Ahok hatramin'ny herintaona teo, izay mbola mifaninana ho amin'ny fifidianana azy indray amin'ity taona ity, ka nisy aza moa ny filàna ny hisehoany teny amin'ny fitsarana [mg].

Ao Indonezia, matetika miampanga an'i Ahok noho ny finoany sy ny foko misy azy ny firenena malaza be Silamo indrindra manerantany. Tamin'ny herintaona, olona an’ hetsiny no nivory teny an-dalambe, miantso ny fandroahana an'i Ahok  noho ny filazana fa nanevateva ny finoana silamo izy.

Mitsikera ny fomba fitantanan'i Ahok ihany koa ny vondrona, izay milaza fa midera ny saranga antonony izy ka voa mafy ny mahantra.

Na dia niharatsy aza ny lazany noho ny fampangana fitenenan-dratsy. Mbola i Ahok no loha laharana amin'ny fififaninana hofidiana governora, araka ny fanadihadiana tany am-boalohany.

Nandritra ny firesahany tamin'ny Global Voices, nizara ny antony namoronany ny maodely Ahok bitika  i Dennys:

Di US dan luar negeri lainnya udah banyak action figure seperti Barrack Obama, Abraham Lincoln. Winston Churchill, mereka semua orang hebat. Jadi Saya rasa Ahok cocok untuk dibikin Action figurenya dari Indonesia

Ao Etazonia sy any ivelany, marobe ireo olo-malaza [ara-politika], tahaka an'i Barack Obama, Abraham Lincoln, Winston Churchill, ary lehilahy goavana izy rehetra ireo. Mino aho mendrika ny ho olo-malaza manokana i Ahok, mba hisolotena an'i Indonezia.

Nilaza i Dennys fa Jakartana maro no nientanentana mahita ny governora bitika miarahaba azy ireo eny an-dalambe. Ireto ambany ireto ny sary sasany avy amin'ny tetikasa “Fanentanana Bitika”:

Governor Ahok's miniature. Photo by Dennys Wang, used with permission.

Sary bitikan'i Ahok governora. Sary avy amin'i Dennys Wang, nahazoana alalana.

Miniature Ahok greeting the residents

Ahok bitika miarahaba ny mponina ao Jakarta. Sary avy amin'i Dennys Wang, nahazoana alalana.

‘Ahok’ miarahaba ny mpifidy azy. Sary avy amin'i Dennys Wang, nahazoana alalana.

Miniature Ahok greeting a supporter

Ahok kely miarahaba ny mpanohana azy. Sary avy amin'i Dennys Wang, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.