Fandripahan'Ala Tsy Voahevitra ao Jharkhand, India Hitadiavam-Pandrosoana

The women of the mountain villages in Rajasthan, India, carry 70 albs of wood on their heads every day for their cook fires. Image from Flickr by Engineering For Change. CC BY-SA 2.0

Miloloha hazo hatramin'ny 30 kg hanaovana kitay isan'andro ny vehivavy any ambohitr'i Rajasthan, India. Sary avy amin'ny Flickr navoakan'ny Engineering For Change. CC BY-SA 2.0

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Video Volunteers, fikambanam-pampitam-baovao miorina ao India nahazo loka iraisampirenena. Navoaka eto ambany ny endrika nasiam-panovana taminy noho ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Tahaka ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao, iray amin'ny mahatonga fahapotehan'ny tontolo iainana ao India ny fandripahan'ala. Araka ny fanadihadiana vao haingana, Namoy ala hatramin'ny 247.447 km toradroa (28%) i India tao anatin'ny 80 taona farany. Niteraka fahapotehana tsy tafaverina amin'ny laoniny intsony manerana ny firenena ny fandripahan'ala izay mandrava ireo fonenana sy tontolo voajanahary marefo eo amin'ny manodidina, izay miteraka haintany, fihafanan-kafanana ary loza natoraly hafa. Nampihena be dia be ny rotsak'orana tao India tao anatin'ny taompolo vitsivitsy ny fandripahan'ala araka ny fanadihadiana navoakan'ny Scientific reports.

Mihabetsaka ny faritry ny ala ao India no mivadika ho toeram-pambolena hamahanana ny filàn'ny mponina ao an-toerana izay mihamitombo hatrany hatrany. Miteraka fandripahan'ala avokoa na ny fitrandrahana ala ho amidy, na fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ary ny fananganana indostiria. Ny tantara an-dahatsary navoakan'i Amita Tutti, solotenam-paritra ao amin'ny fikambanana Video Volunteers  ity no mampiseho fa hazo an'arivony maro no notapatapahana hanitarana ny arabe sy hampandrosoana ny fotodrafitrasan'ny sampandraharaham-panjakana ao Jharkhand. Iharan'izany avokoa na dia ireo hazo efa mihoatra ny zato taona aza.

Efa nilaza ny fanoherany amin'ny fandravana ny hazo hanamboaran-dalana ao amin'ny faritra ihany ny olom-pirenena, ka anisan'izany ireo fikambanana sivika sasantsasany. “Mba manalokaloka ny mpitaingina fiara sy ny mpandeha an-tongotra mandritra ny fotoana mahamay ihany koa ny hazo,” hoy i Pinki Kumari, mponina ao Khunti

Raha milaza ny manampahefanan'ny governemanta fa efa nomena ny alalana hanitarana ny lalana, dia milaza sompirana kosa ny mpikatroka iray fa mivarotra ny hazo notapahina amin'ny mpivaro-kazo hahazoana tombombarotra ireo manampahefana ireo.

Ao Junagarh. India androany maraina. Mampalahelo. Fandripahan'ala.

Efa nitaky ny hambolena ireo hazo zanatany sy hitazonana ireo zava-maitso ao amin'ny distrika ihany ny mponin'i Khunti. Tamin'ny volana jolay lasa teo, olompirenena avy amin'ny manodidina an'i Uttar Pradesh miisa 800.000 no namboly hazo mihoatra ny 49 tapitrisa tao anatin'ny 24 ora ho fanehoan'izy ireo ny fanoherana ny fandripahan'ala. Mila ezaka mihoatra noho izany voatantara izany i India mba hampifandanja ny fahaverezana hazo vokatry ny fiitaran'ny tanandehibe sy ny fandrosoana.

Ireo mpifandray amin'ny fikambanana Video Volunteers dia avy amin'ireo fiarahamonina natao anjorombala ao India ary mamokatra lahatsary amin'ireo tantara tsy misy mpilaza. “Vaovao ho an'ireo izay miaina azy” ireo tantara ireo. Maneho ny tokotany itrangan'ny fitantarana ireo fanamby atrehin'ny zon'olombelona sy ny fampandrosoana maneratany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.