Mandrehitra Adihevitra ao Aostralia ny Fiantsoana Hetra Ho an'ny Siramamy Amin'ny Fanjakan'i Nanny

Sugar Tax report

Tatitra momba ny Hetran'ny Siramamy -Sary avy amin'ny Ivontoerana Grattab (CC BY-NC-SA 3.0)

Miady an-trano mikasika ny sosokevitra iray nataon'ny Ivontoeran'i Grattan mba hampiakarana hetran-tsiramamy amin'ny zava-pisotro mba hiadiana amin'ny hatavezana  tafahoatra. Namoaka tatitra iray ilay vondrona fakàn-kevitra tsy miankina,’ Hetranà siramamy amin'ny zava-pisotro – Handrakofana ny sandan'ny hatavezana eny anatin'ny ffiarahamonina’, tamin'ny fanolorana hoe:

Tokony mampiditra hetra amin'ny zava-pisotro mamy i Aostralia mba hakàna ny ampahany amin'ny sandan'ny hatavezana tafahoatra avy amin'ny fiarahamonina.

Ny safidy tsara indrindra dia fametrahana hetra 40 cents isaky ny 100 graman-tsiramamy, amin'ireo rehetra tsy misy alikaola, zava-pisotro vita amin'ny rano izay ahitana siramamy fanampiny.

Tonga dia nandà avy hatrany ilay hevitra ny Lefitry ny Praiminisitra, Barnaby Joyce, nantsoiny ho ”adala marary saina” – fomba fiteny zavatra tokana lazaina aminà teny roa samihafa na miteny zavatra iray averina in-droa, satria ny hoe adala dia midika marary saina. Tsy nahafaly an'ilay mpanoro hevitra ara-tsakafo Miranda Blake io:

niezaka ny fanambatambazana ‘atsaharo ny  mihinana be loatra’ ampolotaona maro ny governemanta @BarnabyJoyceLNP. Vokany? Lohalaharana amin'ny hatavezana erantany #hetran-tsiramamy

Mpikambana ao amin'ny parlemanta ho an'ny Nasionaly, antoko manana fifandraisana akaiky amin'ny sehatry ny fambolena i Joyce.

Mba hampiasana teny fanoharana amin'ny baolina kitra, ny sasany ao amin'ny haino aman-jery dia tokony ho voampanga ho ‘milalao ny olona fa tsy ny baolina” (famelezana manokana):

‘Mbola aloha loatra ve izao raha haminany fa mety ho lasa zavatra miely be eran-tany ny Fandaharana Famporisihana Fampihenan-tavy an'i Barnaby?” #hetran-tsiramamy

Nisy ireo fiampangana fihatsarambelatsihy tsy afaka nialana mikasika ny hetra avo amin'ny toaka sy sigara amam-paraky. Ho famaliana ny bitsik'i Joyce izay niteny fa ”tsy hamaha ny olana ara-tavinao” ny Birao Aostraliana misahana ny Hetra, hoy i Christian Peterson nanohitra:

Fa raha ny hita dia hamaha ny olan'ny fampiasànao ny toaka sy nikôtinina izany. Misy antony mihatsara velatsihy ary ny politisiana dia sary miiba  eo amin'ny kolontsaintsika. #hetran-tsiramamy

Fahavalony taloha no lasibatr'i Adam Cleave, izay miara-miasa anatina raharaham-bondron'orinasa ho an'ny Imperial Tobacco :

Mety ho voavonjy ny fifandanjan'ny tetibola, amin'ny fampifandanjàna ny isan'ny vondron'olona vidiana vola hanao tsindry momba ny hetra, vondrona izay tena misy tokoa mba handraràna ny zavatra tsy tian-dry zareo #hetran-tsiramamy

Nampifandraisin'i Aaron Lane tamin'ny fikarohany ho an'ny vondrona fakàn-kevitry ny tsena malalaka ‘Ny Ivontoeran'ny Raharaham-bahoaka (@TheIPA)”, mpanohana nentim-paharazana ny governemanta bitika sy ireo mpanohitra ilay fanjakana antsoina hoe ‘fanjakan'i nanny':

Efa ao amin'ny lisitr'ireo hevitra ratsy sahady, izay tsy mandeha, ny hetran-tsiramamy. Ny fikarohana @TheIPA tamin'ny 2014:  #ausvotes #fanjakan'inanny

Maro tamin'ireo mpampiasa Twitter no niahiahy mikasika ny antony nanosika tao ambadik'ilay sosokevitra:

Toy ny fisolokiana #hetraKArbona mba hahazoana vola bebe kokoa avy amin'ny vahoaka ny #hetran-tsiramamy

Ny hafa toa an'i Caitlin Syrett dia nandà ny hevitra mampiditra ny andraikitry ny tsirairay:

@Barnaby_Joyce: ”Mino ny fahalalahan'ny tsirairay aho.”
Antontan'isa:”Jereo ny toerana nitondran'izany antsika”. #auspol #hetran-tsiramamy

Ny nify no tao an-tsain'i Matthew Hopcraft, manam-pahaizana amin'ny fahasalama'ny nify, araka ny mety ho nantenainao :

Maheno fanoherana maro aho mikasika ny #hetran-tsiramamy ho toy ny ampahany amin'ny ady amin'ny #hatavezana tafahoatra #diabeta
Fa tsy maheno fomba azo antoka azo atao safidy

Nanana jery matanjaka mikasika ilay hetra ilay mpamoaka lahatsoratra ara-toekarena ho an'ny gazety an-tsoratra Sydney Morning Herald:

Fanarontsaronana hiarovana ny tombontsoan'ireo orinasa mivarotra zavatra manimba ny fahasalamana ny firesahana ny ‘fanjakan'i nanny’ #ausecon

Mandritra izay fotoana izay, efa nisaina zavatra hafa ny sasany:

Raha hihevitra hetran-tsiramamy ihany, mety hahasoa kokoa raha nisy famatsiana voankazo sy legioma vaovao ho an'ny olona kely fidiram-bola sy ireo mpisotro ronono

Noho izany, inona avy ary no tena vola lany amin'ny krizin'ny tavy tafahoatra, ary ahoana no hitondràn'ny hetran-tsiramamy fahasamihafàna?

Tao anatin'ity podcast ity, ny mpiara-manoratra ny tatitra, Stephen Duckett, dia niresaka ilay olana. Misy fahazoandàlana lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 3.0) izany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.