Tsy Mahavita Manome Fiahiana Ara-pahasalamana Sahaza Ho An'ireo Tambanivohitra Mahantra i Bihar ao India

Zana-tsampana ambanivohitra navadika ho fitahirizana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary Volunteers Video
Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Video Volunteers, fikambanana media-nà vondrom-pirahamonina iraisampirenena ao India nahazo loka. Dikany iray voatonta no zaraina etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Aao amina zana-tsampan'ny tobim-pahasalamana ao Pranpur, ao amin'ny fanjakana Indiana ao Bihar, malazon'ny hirifiry ny rain'i Ram Subhagram izay tratry ny lefakozatra, , manantena fa hisy mpitsabo tonga hijery azy tsy ho ela.
Fa fantatr'i Ram fa mety ho mandrakizay ny fiandrasany. Olona iray ao anatin'ny efatra any ambanivohitr'i Inde no miaina ao anatin'ny fahantrana, ary ny tsy fahasalamana no antony voalohany miteraka ny fahorian'izy ireo. Raha toa ka misy ny aretina, ny tobim-pahasalamam-panjakana akaiky azy indrindra dia ny zana-toby iray, izay mamaly ny filàna ara-pahasalaman'ny olona eo amin'ny 5.000 amin'ny ankapobeny ary 3.000 avy amin'ireo faritra havoana, foko sy faritra tsy mandroso. Ary raha miteny ny taridàlan'ny Ministeran'ny Fahasalamana fa natao hiasa 24/7 ny zana-tsampan'ny tobim-pahasalamana iray ao amin'ny firenena, ity tobim-pahasalamana ity dia nivoha nandritra ny andro vitsivitsy monja isam-bolana nandritra ny 20 taona farany.
Tsy manana safidy hafa ankoatry ny miandry ny fisokafan'ilay toby i Ram mba hahazoana fitsaboana ho an'ny rainy satria ny fahantrana no tsy hahafahany mitady fitsaboana amin'ireo fiahiana ara-pitsaboana tsy miankina.
Ny tsy maha-eo lava ity foibe ity dia tena ratsy ka nanapaka hevitra ireo mponina tao ny hampiasa ny faritra tavela ho amin'ny fitahirizana entana. Nanazava ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers, i Surendra Sharma izay monina ao amin'ny manodidina ny tanànan'i Madanpur sy nitata ity tantara ity:
Ireo mponina ao Pranpur dia nanomboka nampiasa ilay toerana haolo ho toy ny fitahirizana sakafo sy trano bozaka ampiasaina tsindraindray ho an'ireo havana sy namana mivahiny.
Ny varavaran'ny toby dia manana hidy mandrakizay, fa tsy manana varavarankely ireo tranobe mbola tsy vita, izay miasa ho toy ny varavarana fidirana mankao anatin'ireo tranobe.
Ao amin'ny fahasalamam-bahoaka Indiana, ny zana-toby no tena rantsana sy toerana voalohan'ny fifandraisana eo amin'ny rafitra fiahiana ara-pahasalamana ambaratonga voalohany sy ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra. Ny zana-toby tsirairay dia mpampivelona iray no tokony hitantana azy, miampy vehivavy iray mpiasan'ny fahasalamana sy lehilahy iray. Ireo zana-toby dia mitàna anjara asa amin'ny fitondrana fanovàna fitondrantena no sady manome tolotra mifandray amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, fiarovana fototra amin'ny aretina, tombana sy fandaharanasa ho fisorohana ireo aretina mifindra.
Na izany aza, tsy araka ny tokony ho izy ny isan'ireo trano fikarakarana marary ireo, ary maro amin'izy ireo no tsy miasa ara-dalàna noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola sy ireo olana hafa. Araky ny tatitry ny Firenena Mikambana, 75% amin'ireo fotodrafitrasa ao India dia mivangongo any amin'ny tanàndehibe izay 27% monja amin'ny mponina ao India no monina any. Ny isan'ny mponina ao ambanivohitr'i India dia manodidina ny 716 tapitrisa (72%) nefa mbola tsy maintsy mandeha lavitra any amin'ny tanàndehibe akaiky azy noho ny olana ara-pahasalamana satria mbola tsy misy tobim-pahasalamana akaiky azy ireo.
Ohatra iray amin'ireo fahabangàn'io rafitra io ilay zana-toby ao Pranpur. ”Amin'ny fotoana tsy fahita matetika izay hisokafan'ilay tobim-pahasalamana, miteny aminay ireo mpitsabo mpanampy hoe tsy manana fanafody ny toby,” hoy ny Ram Subhagram tezitra.
Heverina ho anjaran'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Fiahiana ny Fianakaviana ny mividy ny fanafody sy ny kojakoja, ary hatramin'ny fanomezana karama ireo vehivavy mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpampivelona mpanampy ny mpitsabo, ankoatra ny amin'ny tahirim-bola ho fitsinjovana ny hoavy. Izany no nahatonga ny fanontaniana, ‘raha karamaina hiasa mandritra ny ny taona iray ny toby nefa indraindray ihany vao mba miasa, tsy tsara tantana izany ilay vola natokana ho azy ?’
Ny vehivavy ao Pranpur dia nanambara tamin'i Surendra ny fomba fiantraikan'ny tsy fanànana sampana tobim-pahasalamana mavitrika, izay heverina fa hanaraka ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, isan'izany ny sakafo, ny fiarovana amin'ny aretina, ny fivalanana, sns., amin'ny reny sy ny zaza. Niteny i Brideshini Devi:
Any amin'ny 5-6km miala an'i Madanpur ny hopitaly akaiky indrindra eto. Mametraka loza be mitatao amin'ny ainy ny fitondràna vehivavy bevohoka be amin'ny làlan-dratsy. Tsy afaky miatrika ny fandaniana amin'ny hofan'ny fiara izay mitentina Rs. 500 izahay, ary tsy izahay mihitsy no hahazo fampindramam-bola moramora ho amin'izany.
Ny tahan'ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza ao amin'ny fanjakàn'i Bihar no fahatelo avo indrindra ao amin'ny firenena, any amin'ny 219, izay mbola avo noho ny 178, salanisa nasionalin'i India. Ny firenena ihany koa dia manana zaza eo amin'ny 6.6 tapitrisa eo matetika tsy ampy sakafo, ny isa avo indrindra faharoa amin'ny zaza tsy ampy sakafo ao India .
Ny tatitra avy amin'ny Jan Swasthya Abhiyan, ny sampana Indiana avy amin'ny Hetsi-Bahoaka ho an'ny Fahasalamana, dia namboraka fa ny vola mivoaka isan-taona avy amin'ny paosin'ny mponina Bihary iray dia Rs 41.000 (eo amin'ny 620 US dolara eo ), izay matetika laniany amin'ny fanafody sy fitiliana.
Ireo fianakaviana miaina ambanin'ny Fetran'ny Fahantràna izay tsy afaka mamoaka vola ho an'ireny fandaniana ireny dia mindrana vola na mivarotra ny fananam-pianakaviana, mikorisa bebe kokoa mankany an-davaka maintin'ny fahantrana izay andrandrain'izy ireo hialàna.
Asehon'ny Antontan'isa 2015 momba ny Fahasalamana Any Ambanivohitra ireo fomba maro mampikororosy ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana any ambanivohitra ao Bihar. Araka ny tatitra, tobim-pahasalamana iray ao Bihar no miahy olona eo amin'ny 9.000 (mifanohitra amin'ny fenitra 3.000), foibem-pahasalamana ambaratonga voalohany miahy olona eo amin'ny 50.000 (mifanohitra amin'ny fenitra 30.000) ary ny foibem-pahasalamana iray tantanan'ny vondrom-piarahamonina miahy olona eo amin'ny 1.3 tapitrisa (mifanohitra amin'ny fenitra 1.2 tapitrisa).
Toa an'i Ram sy Brideshni, misy fianakaviana an-jatony maro ambanin'ny Fetran'ny Fahantràna ao amin'ny tanan'i Pranpur izay mijaly noho io tsy fiasan'ny tobim-pahasalamana io.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...