
Kolombianina an-tapitrisany manao diabe ho an'ny fanafahana ireo voatàna an-keriny ary nafenin'ny FARC (Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia) ary ny Tafika Nasionaly ho an'ny Fahafahana. Sary: Wikipedia Commons
Fitsaharan'ny Ady Mitam-piadiana
Ny sasakalin'ny 29 Aogositra no nanamarika ny fanombohan'ny faran'ny ady izay nandravaravara nandritra ny mihoatra ny antsasaky ny taonjato teo amin'ny fanjakana Kolombianina sy ireo Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) mpanao ady anaty akata.
Miaraka amin'ny marimaritra iraisana eo amin'ny andaniny sy ankilany, taorian'ny efatra taona nifampiraharahàna teo ambony latabatra tany amin'ny toerana tsy momba ny atsy na ny aroa tao Havana, dia nahazo fampitsaharana ady tanteraka irasin'ny roa tonta i Kolombia nony farany. Nitranga taorian'ilay ”andro farany manan-tantara tamin'ny ady” io fotoana tsy hay hadinoina io, araka ny niantsoan'ny fanjakana azy, tamin'ny 23 Aogositra, ary fanolorana ofisialy ny fifanarahana farany tamin'ny 24 Aogositra.
Ao amin'ny kaontiny Instagram, nanontany ny Filohan'i Kolombia, ”Manao ahoana ny fahenoana anay miteny hoe #AdiósALaGuerra [#VelomaHoAn'nyAdy]?” Ny fanontaniana dia narahana sary iray ahitana ny teny notsongaina narafitra avy amin'ny andalana farany malaza an'i García Márquez ao amin'ny Zato Taona Nanirery: ”Ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny dingan'ny fandriampahalemana dia tsy azo nosoloina nanomboka ny fotoana tsy hita hotsarovana ary ho amin'ny mandrakizay, satria afaka hanana vintana fanindroany eto an-tany ireo firazanana voaheloka tamina ady nandritra ny dimampolo taona.”
Misaintsaina momba ilay fotoana manan-tantara, nanoratra ny mpampiasa Facebook Juan Mosquera:
Esta noche es la última noche de la más horrible historia que no es historia sino tragedia. Esta será la noche más tranquila en décadas y décadas y décadas. El campo, las selvas, los valles que tienen a la luna por única luz, las montañas en las que la naturaleza respira. Allí, donde el campesino despierta cada día de su vida, allí donde los indígenas encuentran hermanos y no discriminación.(…) Es una hora trascendental para todos, estemos donde estemos
Izao alina izao no alina farany amin'ny tantara iray ratsy indrindra izay tsy tantara, fa zava-doza. Izao alina izao no ho alina mangina indrindra tao anatin'ny am-polotaona maro dia maro. Ny ambanivohitra, ny ala, ary ny lohasaha dia ny volana fotsiny no ho jirony, ary ny tendrombohitra izay iainan'ny natiora. Teo, izay fifohazan'ireo tantsaha isa-maraina eo amin'ny fiainany, teo no nahitan'ireo vazimba teratany ny tenany tanaty firahalahiana fa tsy fanavakavahana. […] Fotoana mahafinaritra ho an'ny rehetra izany, na aiza na aiza misy antsika.
Mbola Fiatombohany Fotsiny Ny Fifanarahana Fandriampahalemana
Ny fanjakana dia nanapaka hevitra ny hanao fitsapakevibahoaka momba ilay fifanarahana izay nosoniaviny niaraka tamin'ny FARC. Amin'ny volana ambony, ny 2 Oktobra, hifidy ilay fifanarahana farany misy pejy 297 ny firenena.
Manohana ny fifanarahana fandriampahalemana ilay mpampiasa Twitter, Andrés Charry:
¡La Paz si es contigo pero empieza Por Mi!
¿Que acción d paz le regala al país hoy día del #CeseAlFuegoDefinitivo? pic.twitter.com/NvmcUOYBqH
— Andres Charry (@charry_manager) August 29, 2016
Ny Fandriampahalemana dia miaraka aminareo saingy miatomboka miaraka amiko! Tena dingana lehibe ho amin'ny fandriampahalemana aseho ho an'ny firenena androany amin'izao andron'ny #CeseAlFuegoDefinitivo izao [Fampitsaharana tanteraka ny Ady]?
Nilaza i Tymothy Gómez fa tena mampiharihary zavatra ny fifidianana ‘Tsia':
#VotoNo es de los mismo creadores de la homofobia, racismo, discriminación y xenofobia, Dios nos cuide de su odio y locura.#SiALaPaz
— Tymothy Gómez (@tymothygo) August 29, 2016
#VotoNo [ Mifidy Tsia] dia mifanaraka amin'ireo mpino ny fankahalana ny mitovy fananahana nefa mifanambady, ny fanavankavaham-bolokoditra, ny fankahalana vahiny, novonjen'Andriamanitra tamin'ny fankahalana sy ny fahaverezan-tsainareo izahay #SiALaPaz [Manaova Eny ho an'ny Fandriampahalemana]
Mandritra izany fotoana izany, i Dara-San dia nizara fihetseham-po mitovitovy amin'izany:
Hay que saberse que, la mayoría que dicen “#VotoNo” son gente que no sabe qué es el dolor de la guerra, digo, son de ciudad y uribistas.
— Dara – San (@ElGatodePessoa) August 29, 2016
Fantaro fa ny ankabetsahan'ireo niteny ”#VotoNo” [Mifidiana Tsia] dia ireo tsy mahafantatra ny fahoriana nateraky ny ady izay, amin'ny teny hafa, ireo avy amin'ny tanàn-dehibe sy uribistas [mpanaraka ny Filoham-pirenena taloha Álvaro Uribe, izay nitarika ireo mpanohitra ny fifanarahana fandriampahalemana]
Tao amin'ny Facebook, nanoratra i Soy Colombiano (”Izaho dia Kolombianina”):
Prefiero equivocarme apoyando la paz, que acertar impulsando la guerra.
Naleoko ho diso nanohana ny fandriampahalemana, toy izay marina nandrisika ny ady.
Hoy ny mpampiasa Twitter,Gustavo Bolívar, hoe:
#SoyDefensorDeLaPaz porque Colombia gasta más plata en armas que en educación y quiero que se revierta ese exabrupto pic.twitter.com/ZOXrXRvtUB
— Gustavo Bolívar (@GustavoBolivar) August 28, 2016
#SoyDefensorDeLaPaz [ Izaho dia mpanohana ny Fandriampahalemana] satria i Kolombia mandany vola betsaka ho amin'ny fitaovam-piadiana noho ny fampianarana ary tiako havadika izany toe-javatra izany.
Despierta Colombia (”Mifohaza ry Kolombia”), etsy ankilany, naneho ny antony nanoherany ny fifanarahana fandriampahalemana:
@urosarionews#NoEsPazEsComunismo BASTA YA DE ESTAR LLAMANDO PAZ A NARCO ACUERDOS CRIMINALES SANTOS-CASTRO!! #VotoNOpic.twitter.com/gR8ryFToHJ
— #DespiertaColombia (@DespiertaCo) August 18, 2016
@urosarionews#NoEsPazEsComunismo [Tsy Fiadanana io Fa Kaominisma] ATSAHARO NY FIANTSOANA NY FIFANARAHAN'NY OLONA NARCO MPANAO HELOKA BEVAVA HO TOY NY FANDRIAMPAHALEMANA SANTOS-CASTRO!! #VotoNO [Mifidiana Tsia]
Manampy endrika vazivazy tamin'ny resaka, naneho ny soso-keviny i Daniela Huertas fa tokony havela ny hadisoan'ny olona tsy nahefa ny findramany vola ho an'ny mpianatra, raha azo avela heloka ny FARC.
O que nos condenen el crédito con él icetex 😢#SoyDefensorDeLaPazpic.twitter.com/YJVGnj8zaj
— Una Puta Culta. (@DanielaHuertasB) August 28, 2016
Tokony hamela ny trosa ananan'ny sasany amintsika miaraka amin'ny icetex ihany koa ry zareo #SoyDefensorDeLaPaz [Mpanohana ny Fandriampahalemana Aho]
Ary farany, nizara i Félix de Bedout:
No hay paz perfecta, pero tampoco conozco guerra que lo sea. Después de 52 años de guerra, ¿no valdrá la pena intentar algo diferente?
— Felix de Bedout (@fdbedout) August 25, 2016
Tsy misy zavatra tonga lafatra toy ny fandriampahalemana, saingy izaho kosa dia tsy mahafantatra hoe karazana ady toa inona ilay izy. Taorian'ny ady naharitra 52 taona, very maina ve raha manandrana zavatra hafa?
Fihavanana indray sy Fifamelàna
Ny haino aman-jery sosialy sy ny haino aman-jery mahazatra ao amin'ny firenena dia efa nanambara fa ny fiarahamonina Kolombianina dia mizarazara rehefa tonga amin'ny resaka fanehoankevitra momba ny fifanarahana fandriampahalemana miaraka amin'ny FARC. Ny fanamby lehibe indrindra dia ny hitady ny fahavononana hamela sy hihavana indray. Momba io lohahevitra io, nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Lorenna C. Lehmann O:
Hablar de Perdón en Colombia en un posible Proceso de Paz exitoso es muy complicado, pues el conflicto armado en el país lleva muchos años y además de eso lleva consigo muchas víctimas; y cuando se habla de víctimas no solo se habla de muertes, si no de desplazamiento forzoso, de secuestros, de mutilaciones, de violaciones y sufrimientos familiares. Es por esto, que el perdón no será un tema fácil de tratar, pero sin él, no es posible conseguir una aceptación del posible Acuerdo de Paz.
Sarotra ny miresaka momba ny famelan-keloka ao Kolombia eo ambonin'ny mety ho dingana fifanarahana fandriampahalemana mahomby, satria ny firenena dia niaina ady mitam-piadiana nandritra ny taona marobe izay namorona niharam-boina maro. Ary rehefa miresaka momba ireo niharam-boina isika, tsy ireo maty ihany no resahantsika, fa ihany koa ireo fifindràna toerana an-terisetra, ireo nalaina an-keriny, ireo voarasarasa, ny fanolanana, sy ireo fianakaviana mijaly. Izany no antony tsy ahafahana mitsabo na mamaha mora foana ny resaka famelàn-keloka, saingy raha tsy misy azy, tsy afaka hahatratra ny fanekena iraisana amin'ny mety ho fifanarahana fandriampahalemana.
Satria mbola mitohy ny adihevitra, azonao atao ny manaraka ny resaka amin'ny fampiasana ny tenifototra : #AdiósALaGuerra (Veloma ho an'ny Ady), #VotoNo ( Mifidiana Tsia), #PazColombia (FandriampahalemanaKolombia), ary #SoyDefensorDeLaPaz (Izaho dia Mpanohana ny Fandriampahalemana), eo koa ny hafa. Amin'izao, mitodika amin'ny fifidianana amin'ny 2 Oktobra daholo ny maso rehetra.