Tantara tamin'ny 04 Septambra 2016
Nizeria: Mampitsahatra Ny Habetsan'ny Fifankahalàna Ara-poko — Ao anatiny sy Ivelan'ny Aterineto
Firenena Afrikana mavitrika indrindra amin'ny resadresaka ara-politika ao amin'ny Twitter i Nizeria. Fa voatohintohin'ny fitenenana feno fankahalàna anefa io habaka nomerika mavitrika io.
Mety Midika Fanombohan'ny Fandriampahalemana Ao Kolombia Ve Ny Fiafaran'ny Ady?
Taorian'ny ady mihoatra noho ny dimampolo taona, hanatrika fitsapankevi-bahoaka momba ny fifanarahana fandriampahalemana izay mety hanan-tantara miavaka amin'ny volana ambony io i Kolombia voazarazara.
Fantaro ny Tantaran'ny Fahombiazan'i Dilshod Nazarov sy Ireo Tajikistan Efatra Hafa Tamin'ny Fanatanjahantena
Raha tsy Korea Avaratra ianao, aza misangisangy amin'ity firenena ity amin'ny taranja ITF Taekwon-Do.
Tsy Mahatsiaro Tena Ilay Mpanao Gazety Alzeriana Nogadraina Roa Volana Taorian'ny Fitokonana Tsy Nihinan-kanina
Nanomboka nanao fitokonana tsy hihinan-kanina i Mohamad Tamalt tamin'ny 27 Jona ho fanoherana ny fisamborana sy ny fanagadrana azy . Any am-ponja izy noho ny faniratsirana an-tserasera ny Filoha Alzeriana.
Fanentanana: Miaro Antsika Ny Tsy Fitononana Anarana — Ka Andeha Arovana Ny Tsy Fitononana Anarana
Tena zava-dehibe indrindra ny tsy fitononana anarana satria miantoka ny fahalalahana tahaka ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo hivory, ny zo hanao fihetsiketsehana ara-tsosialy, ary ny zo hitady vaovao sy hahazo fanampiana, ankoatra izay tsy voatonona. Ka andao arovana ny tsy fitononana anarana!
Nipoaka Ny Hetsi-panoherana Any Brezila Satria Voamarina Ny Fampiatoana An'i Rousseff
Nihetsika ireo mpanao hetsi-panoherana, manohitra ny hitany ho tetikady ataon'ny kongresy difotra anaty kolikoly mba hanesorana ny filoha voafidy tamin'ny fomba demokratika, manao fanovàna malalaka araka izay tiany