“Manan-karena kokoa” ny Kolontsain'i Trinite sy Tobago Noho i Earl Crosby

Lifelong cultural supporter, Earl Crosby. Photo courtesy the Crosby family, used with permission.

Ilay mpanohana ara-kolotsaina nandritra ny androm-piainany, Earl Crosby. Sary natolotry ny fianakaviana Crosby, fampiasana nahazoana alàlana.

Tahaka ny tsy ampy hamelezana ny tontolon'ny kolotsain'i Trinite sy Tobago ny fahaverezan'ilay “manam-pahaizana” mpitendry gitara Fitzroy Coleman tamin'ny faran'ny volana Jolay teo, ka dia  misaona ny fahalasanan'ny tompondaka ara-kolotsaina, Earl Crosby, indray koa ireo mpirahalahy anatin'ny zavakanto sy ny mozika ao an-toerana ankehitriny.

Fantatra indrindra amin'ny laza iraisam-pirenen'ny trano famokarany diska, Ivontoeran'ny Mozika Crosby, nanandratra hatrany ny mozika sy ny kolotsaina tao an-toerana izy. Foiben'ny asa ho an'ny mozika sy ireo hetsika mifandraika amin'ny calypso sy soca ilay fivarotana, indrindra nandritra ny vanimpotoan'ny Fetibe isan-taona. Lavo tamin'ny adiny amin'ny homamiadan'ny sarakaty izy ny 3 Aogositra 2016, nodimandry erinandro mialoha ny fanatrarany ny faha-66 taonany.

Liana amin'ny mozika sy ny kolontsaina ao an-toerana, niara-nanorina ny Fetibe WeBeat tao St. James i Crosby, izay toerana nisy ny fivarotany. Io faritra io dia fantatra amin'ny anarana hoe ”ilay tanàna tsy mba matory” ary toerana “fiarahana misotro zavapisotro” malaza ao amin'ny renivohitr'i Trinite, feno trano fisotroana, fety sy fialamboly, ary mpivarotra ”sakafo eny an-dalana” tsy hita isaina. Tsy vitan'ny hoe nampandray anjara ny vondrom-piarahamonina tamin'ny fanasongadinana ny talenta sy ny kolontsaina ao an-toerana ihany ny ”WeBeat”, fa nanome tosika ny fandraharahana tao amin'ny faritra ihany koa izany.

The St. James Arch denoting the entrance to "the city that never sleeps", Port of Spain, Trinidad. Photo by Debangsu, used under a CC BY-NC 2.0 license.

Ny Andohalambon'i St. James manondro ny fidirana amin”'ilay tanàna tsy mba matory”, Seranan'i Espaina, Trinite. Sary an'i Debangsu, fampiasana nahazoana ny alàlana CC BY-NC 2.0.

Raha azo antoka fa mpandraharaha fetsy i Crosby, namahana ny lafiny famoronana ihany koa izy amin'ny maha-mpamoronkira mahomby azy, indrindra tanatin'ireo karazan-kira parang sy soca. Fantatra tamin'ny fanaovany tsindry tamin'ny anaran'ireo mpiangaly mozika izy, mba hanongona ny fanaovana hosoka ary efa mpiaro ny fametrahana fetran'isa ho an'ireo votoaty ao an-toerana halefa amin'ny fahitalavitra sy onjampeo.

Naneho ny alahelony tamin'ny fahalasanan'i Crosby ireo mpampiasa aterineto tamin'ny alàlan'ny haino amanjery sosialy. Nanoratra ny mpanao gazety, Laura Dowrich-Phillips:

Mandria am-piadanana i Earl.  […] Nalefaka fanahy sy tena tia ny kolontsaintsika izy.

Alyson Myers-Capstick, mpampiasa Facebook izay nahafantatra an'i Crosby, dia niantso azy ho ”tena zanaky ny tany”. Tanatinà tafatafata an-taroby, nahatsiaro azy miaraka aminà fankasitrahana sy fankafizana izy:

Olona goavana nefa mpanetry tena izy, tena rangahy ary tsara fahy. Vonona foana ny hanao izay azony natao mba hampandrosoana ny lafiny kolontsaina teto an-toerana izy — izay ahitana valim-babena ho an'ny vondrom-piarahamonina. Indrindra ho an'ny tanora — 23 taona aho no nihaona taminy — mpanoro hevitra lehibe izy, teo mandrakariva ary vonona ny hiresaka. Tena nanampy lanja ny fiainako izy.

Nahazo fahafinaretana hatrany izahay niaraka tamin'i Earl tamin'ny fanombohana ny Fetibe izay nampiantranoany. Iray amin'ireo olona heverinao ho eo foana izy — ary tampoka teo dia lasa ka namela lavaka izay tsy ho feno moramora. Namela dian-tongotra lehibe izy, kanefa mihevitra aho fa tokony handray azy ho ohatra isika amin'ny fiheverantsika ny firenentsika sy ny kolontsaintsika — ary, mazava ho azy, manao valim-babena amin'ny fomba rehetra azontsika atao.

Namintina izany toy izao i Franka Philip, olona mafana fo amin'ny lafiny kolontsaina:

Mandria am-piadanana i Earl Crosby. Manan-karena kokoa ny kolontsaintsika noho ny filofosanao.

Nanaiky ny mpampiasa Twitter iray:

Mandria am-piadanana i #EarlCrosby. Fanahy malala-tànana tsy ho hitanao na aiza na aiza any ami'ny mpnonin'i T&T rehetra. Nanome an'i T&T mihoatra nòho ny hazony izy ary nanao izany miaraka amin'ny tsiky. Misaotra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.