
Lehilahy Tharu avy any Nepal eny an-dàlana handeha hiasa tany, 26 Aprily 2011. Sary avy amin'ny Flickr-n'i © ILO/ Pradip Shakya. CC BY-NC-ND 2.0
Fonenan'ny antsasaky ny mponin'i Nepal ny lemaka atsimon'i Nepal, fantatra amin'ny anarana hoe Terai. Teto ireo Tharus, vondrom-piarahamonina voahilikilika ara-tantara, no lasa niharan'ny faneriterena mafy teo an-tànan'ireo polisin'ny firenena, taorian'ny famonoana ireo olona sivy — mpiambina valo ary ankizy iray — herintaona lasa izay.
Nilaza ny tatitra mampiahiahy navoakan'ny Amnesty International fa farafahakeliny olona 19 no voatazona am-ponja hatramin'io hetsi-panoherana ny 24 Aogositra 2015 io, lasa feno herisetra, tsy nisy fanadihadiana natao momba ny filazana ho fndraisna anjaran'izy ireo.
Maro no mahatsapa fa ohatra tsotra amin'ny fanavakavahana mifototra amin'ny ara-poko izay manjaka ao amin'ny firenena io, izay manakimpy maso fotsiny ireo mpitondra ara-politika eo amin'ny renivohitra manoloana ny mahazo ireo tsy anisan'ny sokajy ambony ara-tsosialy eo amin'ny firenena.
@Nepal_RR While Madhesis and Tharus (mostly Hindus) are dying for their rights, the pro-Hindu nation leaders of Kathmandu are keeping quiet.
— Gautam Sakya (@sakyagm123) September 29, 2015
Raha maty ho an'ny zony ny Madhesis sy Tharus (Hindo ny ankamaroany), mangina kosa ireo mpitantana eo amin'ny firenena mpomba ny Hindo .
First their land was taken,then freedom 2live n now Tharus've been targeted 4extinction by these racist hill elites https://t.co/0TVTmA9cSj
— Rewati R. Ray (@RewatiRay) July 20, 2016
Voalohany, nalaina ny tanin'izy ireo, avy eo ny fahalalahana miaina, ary izao, kendren'ireo vato nasondrotry ny tany mpanavakavaka ireo ho foanana ny Tharus
Araka ny talen'ny Amnesty International ao Azia Atsimo, Champa Patel, tsy zava-baovao io karazana fitondràna io eo anatrehan'ny vondrom-piarahamonina Tharu:
Efa ela no niharitra ny fanilikilihana sy ny tsy firaharahiana ny zo maha-olombelona azy ireo ny vondrom-piarahamonina Tharu, any Nepal. Tsy hoe fahadisoana lehibe amin'ny fitsaràna, ireo tranga ireo, indrisy, fa tafiditra ao anatin'ny endrika herisetra ataon'ireo polisy amin'ny vondrom-piarahamonina Tharu, efa hatry ny ela be.
Tharus, eny amin'ny sisintsisin'ny fiarahamonina Nepaley
Nandritra izay fito taona lasa izay, ny tsy fahamarinan-toerana politika ao Nepal, izay hita taratra amin'ny fangatahany andro lava ho fandrafetana ny lalàmpanorenana, nahatonga ireo vondrona eny amin'ny sisisntsisin'ny fiarahamonina toy ny Tharus sy Madhesis ho tafajanona anaty fahantrana sy tsy fitomboana ara-toekarena ary fitobohana ara-tsosialy. Ny lalàmpanorenana, mihantona hatramin'ny taona 2008, dia nampanantena ny hampiditra rafitra federalista, izay hanome alàlana ireo vondrona voahilikilika hatry ny ela hanana mpisolo tena.
Any amin'ny Farany Andrefan'i Nepal, na maro an'isa noho ireo vondrona sokajy ambony ara-tsosialy toy ny Brahmins sy ny Chhetris aza ireo Tharus, tsy mbola mba nisy nisolo tena izy ireo aminà politika, na birao na hery fiarovana. Ny hetsika Tharuhat no vondrona voalohany nangataka fisoloan-tena tamin'ny fangatahana an-kolaka ny faritany Tharus amin'ny fampitambarana distrika roa — Kailali sy Kanchanpur. Matahotra amin'ny mety handoavany hetra amin'ireo taniny na hamotsotra azy rehetra ireo ny Brahmin sy ny Chhetri, izay tomponà tany, raha toa ka mitranga tokoa izany fitambarana izany.
Ny lohataonan'ny 2012, nanao fangatahana mifanohitra amin'izany ny vondrona antsoina hoe Akhanda Sudur Paschim (Farany Andrefana Tsy Mivaky) : mba hanaovana ireo faritany sivy any amin'ny faritra ho ao anaty faritany iray antsoina hoe “Far West” , tafiditra amin'izany ireo roa angatahan'ny Tharuhat.
Nihamafy ny fifanenjanana teo amin'ireo vondrona roa, nipoaka ho lasa fifandonana nitsitaitaika. Fa tsy mbola nisy toy ny nitranga tany Tikkapur, Kailali ny Aogositra 2015.
Herisetra famoretana atao amin'ireo Tharus
Satria ambonimbony kokoa ny tontona tamin'ity indray mitoraka ity.
Nahatonga ilay korontana, nanao fanapahan-kevitra izay nahatonga resabe ireo lehiben'antoko matanjaka efatra any Nepal, mba hanaovana haingana ny famoahana ny lalàmpanorenana vaovao, mifototra amin'ny filàna manampy an'i Nepal amin'ny fanamboarana, taorian'ireo horohorontany nandravarava tamin'ny lohataona. Nifanaiky ny hanaovana lasitra faritany federalisma enina izy ireo ny 8 Aogositra, amin'ny fanomezana herinandro monja ireo vondrona rehetra hankany Kathmandou haneho izay hetahetany.
Miaraka amin'izany, raha nipoaka tany amin'ny ilany andrefan'ny firenena ny hetsi-panoherana maery vaika — tany Surkhet, Thori (Parsa), Baglung sy Jumla — tamin'ny fampidirana faritany fahafito ny governemanta. Nilaza ilzy mpanao gazety manana ny maha-izy azy, Om Astha Rai , fa mety nahatonga ireo mpitarika ny hetsika Tharuhat hino ara-drariny iny hoe ny korontana no hahatongavany amin'ny tanjony ara-politika.
Mety ho hetsi-panoherana iray toy ny hafa ihany iny korontana tany Tikkapur iny, izay nanomezana fankasitrahana mitovitovy amin'izany ho an'ny Tharus. Kanefa tsy izany no niseho. Taorian'ny nitifiran'ny polisy entona mandatsa-dranomaso ireo vahoaka, notafihan'ireo mpanao hetsika vitsivitsy ry zareo, ary nahatonga fahafatesan'olona sivy ilay herisetra.
Taorian'izay, napetraka ny fe-potoana farany ahafahana mivoaka alina, ary trano maherin'ny 41 isa sy fivarotan'ny Tharus — ny ankamaroany an'ireo mpitarika sy mpanohana ny hetsika Tharuhat — no nisy nandroba, nandoro ary namotika nandritry ny alina. Fantatra ho nandray anjara tamin'ilay fanafihana ireo mpanohana ny Akhanda Sudur Paschim, kanefa hatreto tsy nisy notànana na iray amin'izy ireo aza.
‘Fitondràna ratsy ataon'ireo polisy amin'ny vondrom-piarahamonina Tharu!’
Ny 20 Septambra 2015, nolaniana ny lalàmpanorenana vaovao na teo aza ireo resabe noho ireo andàlana feno fanavakavahana maro tao anatin'io.
A constitution that makes women unequal citizens & tramples on the aspirations of Dalit, Indigenous & Madhesi Nepalis is #NotMyConstitution.
— Manjushree Thapa (@manjushreethapa) September 13, 2015
#NotMyConstitution(Tsy Lalàmpanorenako) ny lalàmpanorenana izay mahatonga ireo vehivavy tsy ho olompirenena mitovy & manitsakitsaka ireo tanjon'ny Dalit & Madhesi Nepale
Eo anatrehan'ny zava-mitranga, maro no manontany tena hoe naninona no tsy nisy zavatra natao mihitsy mba handaminana ny toe-draharaha.
If the demands of agitating Madhesis and Tharus are legitimate, why has the govt. not shown its readiness to amend the constitution? #Nepal
— PRAVEEN (@PrvnTweets) November 15, 2015
Raha ara-drariny ireo fangatahan'ny Madhesi sy Tharus manao fihetsiketsehana, nahoana ary ny governemanta no tsy mampiseho fahavononana hanisy fanovàna ny lalàmpanorenana?
Raha namaritra ny tatitry ny Human Rights Watch hoe tsy notaterina mihoatra ny tranga tany Tikkapur, ny herisetra teo amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa, miantso ny hitadiavana vahaolana ara-politika, fanovàna ara-drafitra ary fanadihadiana làlina amin'io tranga manokana io ny Amnesty International sy ny Crisis Group.
Niaraka tamin'izany, mbola manohy mandoko ireo mpanao fihetsiketsehana Tharu ho mahery setra ihany ireo media nahazatra, fa tsy mitatitra mihitsy ny herisetra ataon'ny polisy. Voafintina amin'ireto bitsika manaraka ireto ny fahitan'ny Tharu ny toe-draharaha:
Tikapur, where 8 security personnel+1 child were killed. '10 months later, Tikapur appears calm.’ But for Tharus, it’s a “death-like” peace.
— Amish Mulmi (@amish973) July 20, 2016
Tikapur, izay nahafaty mpiambina 8 + zaza 1. '10 volana aty aoriana, hita ho milamina i Tikapur.’ Fa ho an'ny Tharus, filaminana “mitovy amin'ny fahafatesana” io
ILL-treatment of Tharu community by Police!!https://t.co/G5hY9PaI8F pic.twitter.com/EHk1M0IDPn
— anand gupta (@dawnlilacs) July 23, 2016
Fitondràna ratsy ataon'ireo polisy amin'ny vondrom-piarahamonina Tharu!!
After #Tikapur killings,19Tharus were arrested,tortured.Not 1person has been arrested for counter-violence on Tharus https://t.co/uH7QyU3Rmc
— Anurag Acharya (@Anurag_Acharya) July 21, 2016
Taorian'ny famonoana tao #Tikapur, 19 ireo Tharus nosamborina, nampijaliana. Tsy nisy olona na 1 aza nosamborina noho ny valinà herisetra natao tamin'ireo Tharus