
Sary nalefan'ny Sekreteran'ny gazetin'ny Fiadidian'ny filoham-pirenena, Don Wanyama tao amin'ny Facebook, mampiseho ny filoha Ogandey Yoweri Museveni miresaka amin'ny finday eny amoron-dalana.
Rakotry ny sary-sy-soratra mampihomehy ny Twitter rehefa nipoitra tamin'ny aterineto ny sary mampiseho ny Filoha Ogandey Yoweri Museveni mipetraka amin'ny seza eny amoron-dalana mba hanao antso. Nijanona nandritra ny 30 minitra noho izy mbola miresaka amin'ny finday ireo fiara mpanaraka azy, izay teny an-dalana hamonjy lanonam-bahoaka.
Nandefa ny sary tao amin'ny pejy Facebook-ny miaraka amin'izao hafatra manaraka izao ny Sekreteran-gazetin'ny Filoham-pirenena, Don Wanyama:
On the way from Isingiro District yesterday where he'd presided over the World Population Day celebrations, President Museveni stopped at Kyeirumba Village to make a phone call. Curious residents gathered to look at the President, who after 30 minutes on phone, briefly interacted with them. They thanked the government for tarmacking the road linking Uganda to Tanzania through Isingiro.
Teny an-dalana avy tany amin'ny Distrikan'i Isingiro izay nitarihany ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mponina, nijanona tao amin'ny tanàna Kyeirumba ny Filoha Museveni mba hanao antso am-pinday. Nitangorona nijery ny filoha ireo mponina te hahalala, ka taorian'ny 30 minitra teo amin'ny finday, niresaka fohy tamin'ireo mponina izy. Nisaotra ny governemanta izy ireo noho ny fanaovana ho lasa tara (godorao) ny lalana mampitohy an'i Oganda amin'i Tanzania mandalo an'i Isingiro.
Nanontany tena ny olona sasany raha natao ny sary mba hanodinana ny saina amin'ny vaovaon'ny famotsorana ilay mpanao politika mpanohitra lehibe indrindra Kizza Besigye, izay tany am-ponja nandritra ny roa volana noho ny fiampangana famadihan-tanindrazana.
But the #M7Challenge was too strategic to overshadow the release of Besigye dominating the internet 😊😊
— Daron (@bartlettdaron) July 13, 2016
Saingy be paikady loatra ny #M7Challenge mba hanakonana ny famotsorana an'i Besigye manjaka amin'ny aterineto
Nampiasaina ny tenirohy #M7Challenge mba hampisehoana ny sarin'ny Ogandey sy ny olon-kafa manerana izao tontolo izao mandray antso eny amoron-dalana. Nopetahana anarana M7 ny Filoha Museveni noho ny fanenon'ny anarany. Nandefa sary namboarina mamazivazy ny filoha ireo mpisera Twitter hafa.
Tsy mbola fantatra izay niresaka tamin'i Museveni tamin'ny finday na ny zavatra noresahana.
Nilaza ny mpisera Twitter iray fa niresaka tamin'ny mpitarika tao Sodana Atsimo, izay nipoahan'ny herisetra manakorontana i Museveni:
#M7Challenge : It is possible M7 was having a “Let my people go” discussion with the leaders of #SouthSudan.
— Frank Hook (@FrancisHookDF) July 13, 2016
#M7Challenge : Azo antoka fa mety niresaka momba ny “Avelao handeha ny oloko” niaraka tamin'ny mpitondra ao Sodàna Atsimo i M7.
Nanome baiko ny tafika Ongadey mba hanala ireo Ogandey monina ao Sodàna Atsimo i Museveni taorian'ny fifandonana vao haingana tao an-drenivohitra, Juba.
Nampitandrina ireo mpandray anjara amin'ny #M7Challenge i Rosebell Kagumire mba tsy hanandrana ity fitsipika ity:
Don't try this at home. First contact the #M7Challenge wealth creation team 😝😝 pic.twitter.com/Jzrh3H2d1q
— Rosebell Kagumire (@RosebellK) July 12, 2016
Aza manandrana izany any an-trano. Antsoy aloha ny ekipa mpamorona harena #M7Challenge
Fredrick Tumusiime nizara dokambarotra voalaza fa ho an'ny fahitalavitra ao an-toerana ao Oganda:
Before @ntvuganda takes down the tweet☺ #M7Challenge pic.twitter.com/wwJG8xzcmD
— Fredrick Tumusiime (@tufre80) July 12, 2016
Alohan'ny hanesoran'i @ntvuganda ny sioka ☺
Mpisera Twitter hafa nitondra ny sezan'ny biraon'izy ireo any ivelany hanaovana antso:
@nbstv #M7Challenge pic.twitter.com/coKcBOWkpi
— Nimu Githahu (@wairimugithahu) July 13, 2016
Mathias Wandera nampiseho an'i Museveni mandray antso eny amin'ny volana:
Hehehh 😂😂. Sevo going places. Now he's on the moon. Hater gonna say its photoshop. #M7Challenge pic.twitter.com/L5NT5r6gdI
— Mathias Wandera (@Nva_Kampala_23) July 13, 2016
Hehe. Nandeha tamin'ny toerana i Sevo. Mahatsiaro sambatra izy ankehitriny. Hilaza ireo mpankahala fa sary namboarina izany.
Ny fanamby araka ny hitan'i AutoblogKE dia ny toro-hevitra tsara ho an'ny mpamily:
haha guys who can pull the best #M7Challenge ?? i think it would be a good way to say STOP TEXTING/CALLING WHILE DRIVING
— AutoblogKE (@AutoblogKE) July 13, 2016
haha ry namana, iza no afaka mametraka ny #M7Challenge tsara indrindra?? Mino aho fa fomba tsara ny miteny hoe AJANONY NY MANORATRA HAFATRA/ MIANTSO AMIN'NY FINDAY REHEFA MITONDRA FIARA
Naka ny sariny #M7Challenge teny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra i Omara Ronnie mba haneho fanajana ireo rehetra mpampiasa lalana:
All are roads… showing respect to all road users. My #M7Challenge @UNRA_UG @roadsafety @KagutaMuseveni pic.twitter.com/3gd16lnFjv
— Omara Ronnie (@Ronnie_Ug) July 13, 2016
Lalana avokoa ny rehetra….mampiseho fanajana ny mpampiasa lalana rehetra
iAfrikan nampiseho ny ekipam-pirenena Portiogey mankalaza ny Euro2016 raha mbola sahirana amin'ny finday i Museveni:
“Haters are going to say it's photoshop”
📷 @mwanjalouis #M7Challenge pic.twitter.com/m1CPiPJF6u
— iAfrikan (@iafrikan) July 12, 2016
Handeha hilaza ireo mpankahala hoe “sary namboarina” io
Nandefa ny sarin'ny filohan'i Zimbaboe Robert Mugabe mandohalika eo anoloan'i Museveni i Mathias Wandera:
Museveni memes continue for another day?? Heehe 😂😂. Cool lets do this. #M7Challenge pic.twitter.com/ma6oHhKxp9
— Mathias Wandera (@Nva_Kampala_23) July 13, 2016
Mitohy amin'ny andro hafa ny sary-sy-soratra momba an'i Museveni? Hehe. Mahafinaritra andeha hanao izany
Nanasongadina ity sary manaraka mampiseho ny mpilalao amin'ny Games of Thrones (Lalao Seza Fiandrianana) i Ory Okolloh Mwangi
Runner up. 😂 #M7Challenge pic.twitter.com/52yyzDsCoB
— Ory Okolloh Mwangi (@kenyanpundit) July 12, 2016
Mpihazakazaka.
Nanao ny anjarany koa ny ankizy:
#M7Challenge has taken up another twist… pic.twitter.com/sZ8naXDKqd
— Ayella (@AyellaBryanLama) July 13, 2016
nivadika zavatra hafa ny #M7Challenge.
Mandritra izany, miandry ny anjarany amin'ny fanamby i Michael Kwambo:
Guys…please let me know when its my turn for the #M7Challenge ..let me patiently wait… pic.twitter.com/NbeoXDCH1E
— Michael Kwambo ™ (@michaelkwambo) July 13, 2016
Ry namana….ampahafantaro ahy azafady rehefa anjarako ny #M7Challenge ..avelao aho hiandry am-paharetana…