Mitaky Fanjakana Mahefa Ny Antoko Mitondra Ao Delhi, Mety Hisy Dexit Ve Aorian'ny Brexit?

States and Union Territories of India. Image by Maximilian Dörrbecker (Chumwa) via Wikimedia Commons

Sisintanin'ireo Fanjakana sy ny Firaisan-tsisintanin'i India. Sary avy amin'i Maximilian Dörrbecker (Chumwa) amin'ny alalan'i Wikimedia Commons

Niteraka onja nanerana izao tontolo izao ny fanaovam-beloman'ny Fanjakana Mitambatra (UK) tamin'ny Vondrona Eoropeana raha manana ny lanjany amin'ny fiantraikan'ny fialan'i Britaina amin'ny Vondrona Eoropeana ireo firenen-kafa sy izay tazonin'ny ho avy amin'ny politika sy fiarahamonina Britanika.

Mametraka tsara ny korataban'ny Brexit manerana ny gilaoby ny fanohizam-baovao sy ny fanarahan'ny haino aman-jery ny raharaha. Ankehitriny toa voafandriky ny fahasahiana ara-politikan'i UK ihany koa ny Filohan'ny Minisitra ao Delhi, Arvind Kejriwal — tafiditra lalina tokoa ka namerina ny fitakiana taloha indray izy fa efa mandodona ny referendum ho amin'ny fahaleovantenan'i Delhi. Nanao ny fanambarana tao amin'ny Twitter taoriana kelin'ny fahavitan'ny fanisambato farany tamin'ny referendum tao UK:

Aorian'ny referendum-n'i UK, hanana ny referendum momba ny mahafanjakana mahefa feno azy tsy ho ela i Delhi

Nisioka ihany koa i Ashish Khetan, mpikambana ao amin'ny Aam Aadmi Party (AAP) [antoko mitondra ankehitriny ao Delhi]:

Taorian'ny fitsapa-kevi-bahoakan'i Fanjakana Mitambatra amin'ny fialana amin'ny Vondrona Eoropeana, fotoana izao hananana fitsapa-kevi-bahoaka momba ny maha-fanjakana mahefa feno an'i Delhi. Ao amin'ny demaokrasia dia eny amin'ny faratampony ny sitrapon'ny vahoaka

Amin'izao fotoana izao i India dia ahitana fanjakana miisa 29 sy firaisan-tsisintany miisa fito. Delhi, renivohi-tsisintanim-pirenena, dia firaisan-tsisintany iray, ka fiadidiana iray sady distrika iray ao anatin'i Delhi i New Delhi sady ampiasaina ho renivohitra sy foiben'ny Governemantan'i India izy amin'izany.

Tamin'ny volana Mey, nisy tolo-dalàna momba ny toetra maha-fanjakana an'i Delhi navoakan'ny Filohan'ny Minisitra Kejriwal, ary navoaka ihany koa ao amin'ny tranonkalan'ny governemantan'i Delhi. Kendren'ny tolo-dalàna amin'izany ny hametrahana ny polisin'i Delhi sy ny Fahefam-Pampandrosoana ary ny Vondron'asam-Piadidiana ny tanànan'i Delhi ho eo ambany fahefan'ny gpvernematan'i Delhi. Raha mahatratra ny maha-rafitra mahefa azy i Delhi, dia hanaiky ny “fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka manokana tsy azon'ny hafa itsabahana eo amin'ny raharaha mahakasika ny filaminam-bahoaka, ny polisy, ny governemanta ifotony ary ny tany” ny Parlemantan'i India. Manasa ny vahoaka ny AAP hametra-kevitra momba ny tolo-dalàna mandra-pahatongan'ny 30 Jona, fa aorian'izany izy no heverina ho voarafitra indray, rehefa nandray ny hevitra avy any amin'ny vahoaka.

Lasa filohan'ny Minisitr'i New Delhi i Kejirwal tamin'ny taona 2015 rehefa resin'ny AAP ny Bharatiya Janata Party (BJP) — antoko mitondra amin'izao fotoana ao India — tao amin'ny Fifidianana Antenimieran'i Delhi. Hita ao amin'ny teny ieranan'i AAP ny fampanantenana hametraka ho fanjakana mahefa an'i Delhi raha mandresy amin'ny fifidianana antenimiera amin'ity taona ity ny antoko. Na izany aza dia nanomboka ho mitandrina fatratra amin'ny fametrahana fangatahana ho amin'ny maha-fanjakana mahefa an'i Delhi i Kejriwal, tamin'ny famerimberenana tamin'ny vahoaka fa tsy ny antokony no voalohany — ary tsy izy irery — no namoaka ity raharaha ity. Mivaky toy izao ny teny fampidirana ao amin'ny tranonkalan'ny governemantan'i Delhi, “Ny antoko politika rehetra i.e. ny Bharatiya Janata Party, ny Kongresy Nasionaly Indiana, ny Aam Aadmi Party ary ny hafa, izay nifaninana tamin'ny fifidianana antenimiera tao Delhi nandritra ny 22 taona farany, dia efa naniry sy nampanatena tamin'ny alalan'ireo teny ierana nifandimby nahombiazana tamin'ny fifidianana fa hanolo-tena feno hanao izay hahafanjakana mahefa an'i Delhi.”

Nosoritan'i Kejriwal ny tokony iarahan'ny antoko politika hiarovana ny maha-fanjakana misaraka an'i Delhi, fa tsy ny rehetra no faly amin'izany tolo-kevitra izany. Ny iray amin'ireo mpanao gazety hajaina indrindra ao India, Rajdeep Sardesai, nametraka ny fanaovana referendum momba ny maha-fanjakana mahefa an'i Delhi ho “hevitra ratsy”:

Manohana an'i Dehli hijoro ho fanjakana manana fahefana bebe kokoa aho, saingy hevitra ratsy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Androany ny maha-fanjakana an'i Dehli, rahampitso fiandrianam-pirenen'i Kashmir/TN?

Maro ireo toa an'i Sardesai, naneho ny tsy fankasitrahany amin'ny fikirizan'ny AAP handray ny toerana maha-fanjakana miendaka an'i Delhi:

Afaka mi-Dexit ve isika? Afa-mivoaka [exit] an'i India miaraka amin'ny AAP i Delhi.

Nahoana tokoa raha firenena hafa e? Izay ny fomba tokana ahafahanao mba ho Praiminisitra.

Atoa @ArvindKejriwal ji
Raha tsy mahomby ny Referendum dia hiala tahaka an'i David Cameroon ve ianao ?

Efa nisy nitatitra fa nilaza ny tolo-dalàna ho tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny mpitarika ny antoko BJP iray antsoina hoe Satish Upadhyay rehefa nampidirina izy io, miampanga azy ity ho fanintonana ara-politikan'ny  governemanta AAP sady manasongadina fa efa nampanantena ny hanaovana ho fanjakana an'i Delhi tao anatin'ny toe-javatra sy tamin'ny fomba isan-karazany ny antokony.

Lazain'ny mpiserasera ao amin'ny Twitter ho manitsakitsaka ny lalampanorenana ihany koa ny tolo-dalàna:

Tsy misy resaka fitsapa-kevi-bahoaka ao amin'ny lalampanorenantsika ry @ArvindKejriwal saingy mety mbola hahazo hajian-drantsan-tanana dimin'ny fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny takolakao ianao [tehamaina?].

Hatramin'ny 2015 no efa nidradradradran'ny AAP fa tsy manitsakitsaka ny lalampanorenana ny fanaovana  referendum hanapahan-kevitra hiendahan'i Delhi ho fanjakana — saingy nanolo-kevitra ny manampahaizana manokana fa tsy avelan'ny lalampanorenena indianina hanapahan-kevitra amin'izany lohahevitra izany ny fitsapa-kevi-bahoaka. Mbola ho hita eo ny fomba androsoan'ny AAP ny teti-panorony, na dia eo aza ny tsy fankasitrahan'ny vahoaka miharihary sy ny sakatsakana araka ny lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.