Rehefa Tsy Mahita Asa Ireo Mpifindramonina Ao Espaina, Mihazakazaka Mivarotra Labiera Eny Amoron-dalana Ny sasany

Pikantsary avy amin'ny fanadihadiana “Labiera an-dalambe”
Ireo fako-na labiera ambifotsy mihanaka manaraka ny lalana falehan'ny olona ao Madrid, tsy misy n'inon'inona intsony. Tsy ho ela ny mangirandratsy dia handoko ho menamena ny lanitra eo ambony nefa toa zara raha foana ny barrio. “Tsy misy matory ao Madrid raha tsy efa matiny ny alina,” hoy i Ernest Hemingway, Amerikana mpanoratra nanoratra tamin'ny taona 1932 mikasika ny renivohitr'i Espaina, ary mbola mitoetra ho marina hatrany ireo fijeriny efa ho taompolo valo taona taty aoriana.
Manohy mivezivezy etsy sy eroa amin'ireo làlana rarivato mikintaontaona mpiliba, raha toa ireo lehilahy mpandraoka fako manomboka ny marainan'izy ireo manadio izay tavelan'ny botellón nandritra ny alina – fiteny ao Espaina midika hoe “tavoara lehibe” sady fiantso mahazatra ny fandehanana mivoaka misotrosotro miaraka amin'ireo namana any ivelan'ny trano.
Tsy izy ireo irery no efa mifoha maraina amin'izao vao mangiran-dratsy izao. Fa eo koa ireo mpivarotra amoron-dalana manantena hanao varotra ampitsanganana farany amin'ireo sarety feno labiera. Ireo hafa manavatsava amin'ny lalany manerana ny manodidina mba hikaroka mpanjifa, maneno ao anatin'ny harona entin'izy ireo ireo tavoahangy ambifotsy. Maro no mpifindramonina mitodi-doha amin'ny varotra labiera an-tselika rehefa tsy mahita asa mihintsy izy ireo.
Isaky ny faran'ny herinandro, sehatra tahaka ireo foana no hita – sy rehefa alina mandritry ny herinandro ihany koa – ao Madrid sy manerana an'i Espaina. Mameno ny plazas eraky ny tanàn-dehibe ireo tanora mba hiaina fotoana mahafinaritra, ary misarangotra miasa mafy mba ho velona amin'ny fivarotana labiera ho azy ireo kosa ireo mpivarotra amoron-dalana.
Fanadihadiana fohy iray navoaka vao haingana tamin'ny Vimeo no manolotra ny mpijery ny iray amin'ireo mpivarotra ireo: Hashem, lehilahy iray avy ao Bangladesh izay milaza fa efa nivarotra labiera tao Madrid nandritra ny dimy taona izy.
Noraketina an-tsary tamin'ny taona 2015, mampiseho an'i Hashem ilay “Road Beers” an'i Dennis Harvey, ahitàna azy mivarotra labiera andro sy alina, miasa mandritra ny ora maro mba hahazo vola halefa ho an'ny fianakaviany. Hashem, izay milaza fa mpikambana ao amin'ny filankevitra monisipalin'ny tanàna iray fony izy tany Bangladesh, manazava fa tonga tao Espaina izy taorian'ny fiovàn'ny governemanta nitarika ho amin'ny herisetra.
Milaza izy fa nitady asa hafa, nefa tsy nahita mihintsy. “Tsy tiako ny mivarotra labiera,” hoy ny filazany tamin'ilay mpanatontosa sarimihetsika, saingy “mila vola ho alefa aho.”
Tsy ara-dalàna ny famarotana labiera sady mety hiteraka fahazoana sazy hatramin'ny 150 euros (mitovy amin'ny 167 dolara amerikana) na mihoatra. Milaza i Hashem fa imbetsaka voasazin'ny mpitandro filaminana, nefa tsy mahita vola izy handoavana azy:
Matetika, alain'ny mpitandro filaminana [ny labiera] ary mitaky onitra izy, mandray sady mampandoa onitra, noho izany tena henjana ity asa ity.
Tsy manana taratasy mazava i Hashem ary milaza fa manantena hahazo fonenana ara-dalàna indray andro any mba ho afaka hitsidika ny fianakaviany tsy misy ny tahotra ho voasakana tsy afaka hiverina ho any Espaina mandritra ny dia miverina. Eo ampiandrasana izany, amin'ireo antso amin'ny finday sy Facebook no fomba ifandraisany.
Tsy vaovao akory io trangan-javatra io. Ny marina, enina taona lasa izay nitafa tamùinà mpivarotra roa tahaka izany avy ao Shina aho ho anà tantara iray navoaka tamin'ny tambajotram-baovao iraisam-pirenena Global Post. Lehilahy antsoina hoe Yu no nilaza tamiko fa tsy manana taratasy sy asa matotra, tsy nanana safidy hafa ankoatry ny fivarotana labiera izy mba handoavana ny trosany nivangongo nohon'ny fifindramonina nankany Espaina.
Tao Shina, nilaza izy fa, jerena ho sahala amin'ny toa firenana afaka anaovan-javatra i Espaina, nefa tsy mifanaraka amin'ny zavatra nandranndrainy ny tena zava-misy marina.
Ary i Liu, vehivavy iray izay namela ny zanany lahy kely any Shanghai, nilaza fa nanomboka nivarotra labiera teny andalana mba ho ala-nenina farany taorian'ireo toerana nisy azy toy ny mpanampy mpitaiza zazakely sy ny tsy nampanjary ny asa naha-mpiandraikitra toeram-pivarotana kely iray azy. “Vao ny andro voalohany nahatongavako dia nanenina tamin'io aho,” hoy izy:
Tsy te hanao zavatra tsy ara-dalàna izahay. Tsy te hanao izahay, saingy voatery manao izany.
Tamin'izany fotoana izany, teo andalam-pitotonganana ny toekaren'i Espaina noho ny olana ara-toekarena tafakatra tamin'ny faratampony tamin'ny 2013 nahitàna tsy an'asa manakaiky ny 27%. Hatreo, niarin-doha tsimoramora ny firenena, saingy mbola nitohy ho iray amin'ireo avo indrindra ihany ny tsy fanana asa tao anatin'ny Firaisambe Eoropeana (na dia ambany kokoa aza ny tena isan'ireo tsy an'asa mitaha amin'ny fanisàna ofisialy, vokatry ny asa miafina tsy voamarika).
Nandritra ny telovolana voalohany tamin'ny taona 2016, 19.81% no isan'ireo tsy an'asa ho an'ireo mizaka ny zom-pirenen'i Espaniôla, araka ny Fanarahana Maso ny Hery Mpamokatra nataon'ny Ivontoerana Nasionaly Espaniôla misahana ny Antontanisa. 29,72% ho an'ireo mpifindramonina, izay manome ny 10% amin'ny mponina 46,5 tapitrisa eo amin'ny firenena. Mahatratra hatramin'ny 33,18% ny vahiny tsy an'asa, raha avahanao tsy hiaraka ao ny mponina avy ao amin'ny Firaisambe Eoropeana.
Manohitra an'io olana goavana ara-toekarena io, miady amin'ny firongatry ny fivarotana labiera amoron-dalana hatrany hatrany ireo tomponandraikitra. Ireo mpivarotra, etsy andaniny, tsy mitsahatra ny mivarotra hatrany.
Tsy manao ampihimamba tanteraka amin'io fomba fanao io ireo mpifindra-monina. Niresaka taminà Espaniôla iray mpivarotra labiera amoron-dalana ny mpanoratra ny bilaogy antsoina hoe No Tengo Curro (Tsy Manana Asa Aho), tamin'ny volana May 2015 sady nampita ny torohevitr'ilay rangahy mikasika ny fomba hahafahan'ireo mpiray tanindrazana aminy, lahy sy vavy tsy an'asa, ho tafiditra ao anatin'ilay fandraharahàna. Ao anatin'ity fanehoankevitra iray eto ambany ity, manamarina ilay mpanao bilaogy fa tsy mahafantatra izay mety hitranga raha toa ny olona iray, rehefa tratra, tsy mandoa sazy, saingy tazoniny ny hoe aleo manao zavatra toy izay tsy manao na inona na inona:
No te asustes hombre, no pasa nada, bueno si, que si no te buscas la vida en este país, no comes.
Aza matahotra ry zalahy, tsy misy zavatra hitranga eo, izao e, eny, hisy io, raha tsy miezaka miatrika ny fiainana ianao eto amin'ity firenena ity ianao, dia tsy hihinana.
Ao Madrid, nampitomboin'ny governemanta regionaly avo roa heny ny sazin'ny fisotroana toaka imasom-bahoaka, 300 lasa 600 euros (manakaiky ny 670 dolara amerikana) tamin'ny taona 2012, saingy tsy nahafoana ny botellones izany. Mihodikondina eo amin'ny 45% eo ny tahan'ny tanora tsy an'asa eo amin'ny firenena, ary amin'ny ankapobeny dia karazana asa azo atao fa kely karama sy tsy misy fiarovana no manome tolotra fampidirana mpiasa. Ahazoana tombony kokoa ny fandoavana euro iray ho an'ny labiera iray amin'ny mpivarotra amoron-dalana sady mifandom-bera miaraka amin'ireo namana ao amin'ny plaza iray, noho ny fandoavana faktiora amin'ny labiera iray ao amin'ny trano fisotroana.
Araka izany amin'izao fotoana izao, mbola misy foana ny labiera amoron-dalana ao Espaina.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...