Nofoanan'ny Governemantan'i Krimea Ny Lanonana Hoe ‘******** i Putin’

Putin meets with his Economic Council. May 25, 2016. Photo: Kremlin Press Service. Edited by Kevin Rothrock.

Putin mihaona amin'ny Vaomiera ara-toekarenanyl. 25 Mey 2016. Saripika: Servisin-gazetin'i Kremlin. Namboarin'i Kevin Rothrock.

Tamin'ny ora faramparan'ny alarobia 25 mey, dia nisy fanambarana mahavariana nivoaka teo amin'ny tranonkalan'ny minisiteran'ny politika indositrialin'ny Repoblika Krimeana. Vetivety ihany ny fotoana nivoahan'ilay fampahafantarana (efa voaaisotra izy izao), saingy mbola hita fotoana maharitraritra ihany ho an'ny mpisera aterineto ao Rosia ka lasa tsikaritra. Ny lanonana dia heverina hitranga amin'ity zoma 27 mey ity ary nantsoina hoe “Lohantay i Putin.” Ny toerana voarakitra amin'ny lanonana ihany dia dia voalisitra ho “Lohantay i Putin.” Ny endriky ny lanonana dia heverina ho “fotoana fakana sary amin'ny fomba ofisialy.”

Heverina ho kisangisangy amin'ny manampahefana rosiana vaovao ao Krimea izao toe-javatra izao.

“Putin Is a Dickhead” features on the Crimean government's official agenda. (This event was soon unpublished.)

“Lohantay i Putin” hoy ny asongadin'ny fandaharam-potoana ofisialin'ny governemanta krimeana. (Tsy nivoaka intsony avy eo io lanonana io.)

Raha ny lalàna henjana mandrara tanteraka ny sampam-pampahalalam-baovao hamoaka zava-betaveta ao Rosia, dia tsy maintsy mamoaka ny dikasarin'ny pejin-tranonkalan'ny minisitera voasivana ireo tranonkala te-hamoaka ity tantara ity.

TJournal, ohatra, nandà hamoaka ny voanteny “lohantay” (“хуйло”—anarambositra omen'ny mpitsikera an'i Putin azy matetika ao Okraina), na dia mamoaka ny azy manokana aza ireo mpiseran'ny tranonkala, dia misy dikasary tsy voasivana avy hatrany mivoaka eo amin'ny zoro famoahan-kevitry ny tantara.

Nanome antoka ihany koa ireo Rosiana mpisera aterineto fa pikantsary 10 samihafa amin'ny pejin'ny lanonana ao amin'ny Minisiteran'ny Politika Indostrialy no navoaka ho an'ny Arisivan'ny Aterineto antsoina hoe “Wayback Machine.”

Tamin'ny Marsa 2014, taorian'ny bemidina ara-miaramila rosiana haka an'i Krimea hiala amin'i Okraina, nozanahan'i Moskoa ny Repoblikan'i Krimea ary napetraka ho mpanoa ny Federasiona Rosiana i Sevastopol. Efa tafiditra ho distrika federalin'i Rosia ireo toerana roa, na dia mandà ny hankatoa ny fiandrianan'i Kremlin amin'ireo zaratany ireo aza ny ankamaroan'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.