Ity tsanganana ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny blaogin'ny Agência Mural, miaraka amin'ny lahatsoratra sy ny fikarohan'i Aline Kátia Melo, Eduardo Micheletto, Humberto do Lago Müller, Jéssica Souza, João Paulo Brito, Karina Oliveira, Lucas Landin, Lucas Veloso, Martina Ceci, Priscila Gomes, Priscila Pacheco, Sidney Pereira, Tamires Tavares, Tamiris Gomes ary i Thaís Santana; fandaminana sy fanitsian'i Tamires Gomes. Navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Mihovitrovitra ao anatin'ny heriny manontolo ny kolontsain'ny graffiti any amin'ireo tanàndehibe brezilianina. Ary tsy manivaka amin'izany ny ao São Paulo: omen'ny artista loko marevaka mamelombelon'aina anao amin'izany ny talaky maso. Raha misy ireo zavakanto ao afovoan-tanàna, toy ny ao Vila Madalena, hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena, dia tsy fantatry ny maro kosa, eny fa na dia ireo mponin'ity tanàndehibe voatonona ity aza, izay manana mponina hatramin'ny 20 tapitrisa, ireo miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.
Teo am-pieritreretana izany ny mpanao gazetin'ny Agência Mural no nanangona ireo kanto tsara indrindra any amin'ireo isam-pokontany any — ireo antso “vaky” –,any amin'ireo sisintsisin'ny tanàna any.
Mariporã, Grande São Paulo
Isan-taona ao Mariporã misy fivorian'ny artistan'ny graffiti, karakarain'ilay artista Carlinhos Rootsm. Ny sary roa manaraka eto ambany no mampiseho ny fihaonana roa farany, tamin'ny 2015, raha nomen'ny fiadidiana ny tanàna aina indray ny tohatoha-bato lehibe.
Grajaú, faritra atsimo
Ny sary an-drindrina manaraka dia hita ao amin'ny Zaridaina Linear Cantinho do Céu [mahitsy amin'ny zoron'ny lanitra], ao Grajaú, ary manamarika ny zavamisy any amin'ny sisintsisin-tanàna. Nataon'ilay artista Enivo, izay nitari-dalana ny fanaovana hosodoko an-drindrina teo amin'ny fokontany manodidina. Natao hosodoko teo ilay zazalahy antsoina hoe Caio Caternum, artista iray hafa ao an-toerana. Eny ny fehezanteny “Sahia… Satria isika no nateraky ny nofinofy tiantsika” dia avy amin'i Mano Money’s, mpihira rap avy ao Grajaú ihany koa
Lago Azul, faritra atsimo
Ao Lago Azul (Farihy Manga), faritra atsimo, hitantsika eto ihany koa ny fielezan'i Casinhas Amarelas na tranonkely mavomavo nataon'i Mauro Neri, artista iray mandrafitra ihany koa ny vondron'ireo mpanao sary an-drindrina avy ao Grajaú.
Tucuruvi, faritra avaratra
Trano iray feno sary an-drindrina eo amin'ny zoron-dalana Paranabi. Artista tsy fantatra.
Distrikan'i Anhanguera, Faritra avaratra
Ity fampirantiana ankalamanjana ity dia hita eo amin'ny rindrin'ny Sekoly Monisipaly Jardim Britânia, ao amin'ny distrikan'i Anhanguera nandritra ny andiany faha-6 amin'ny fetiben'ny “Art in Home”.
Tremembé, faritra avaratra
Ao amin'ny Lalana Um Treas, ao anatin'i Tremembé, henika sary an-drindrina tanteraka.
Vila Nova Cachoeirinha, faritra avaratra
Loko an-drindrina akaikin'ny Foibe Ara-Kolontsainan'ny Tanora, ao amin'ny Lalana dos Eucaliptos. Ilay artista dia fantatra amin'ny hoe Monster Ectoplasma.
Zaridaina Ataliba Leonel, faritra avaratra
Tratran'ny asa-tanan'i Brown, Marcia, Kbelo ary ny hafa ihany koa ny rindrin'ny Sekolim-Pirenena Pedro de Moraes Victor, ao amin'ny lalana Boaventura Coleti,.
Zaridaina Brasil, faritra avaratra
Asa-tanan'ny artista Katia Suzue, mponina ao Jardim Brasil. Natsangan'ny raibeny sy renibeny avy amin'ny reniny, izay taranaka Japoney mpifindramonina , voamariky ny lohahevitra tatsinanana ny sanganasany. Raha te-hahalala bebe kokoa ny momba ny artista dia jereo ato.
Carandiru, Faritra avaratra
Ao amin'ny distrikan'i Carandiru, iray amin'ny sary nataon-tanana mananihanin'i Sipros ao amin'ny Zaridainan'ny Tanora.
Jaçanã, faritra avaratra
Ity sary nataon-tanan'i Caluz, anarana artístikan'i Caroline Luz, dia hita ao amin'ny Lalamben'i Jaçanã. Ireo lohahevitry ny artista dia miompana amin'ny vehivavy, ny fananganana ny mari-panondroana arak'endrika nakana aingam-panahy avy amin'ny vehivavin'ny sisintanàna sy ny fiainana andavanandrony.
Eto ambany ny sary nataon-tanan'ny Kasca (Jurandir Ramos), izay avy ao Jaçanã ihany koa. Fantatra izy tamin'ny fampielezana ny omby teo amin'ny faritra manodidina fantatra amin'ny anarana hoe Jova Rural.
Morro Doce, faritra andrefana
Graffiti tao amin'ny fetibe “Art in Home”. Ny ankavia dia nosoratan'i Malaca — O.C.A, ao Morro Doce, faritra andrefan'ny renivohitra paulista.
Guarulhos, Grande São Paulo
Nahazo sary nataon-tanana an-drindrina voalohany ny tao amin'ny Viela Manacapuru, miorina ao amin'ny Zaridaina Cumbica, ao amin'ny fokontanin'i Guarulhos, ao Grande São Paulo nandritra ny “1o encontro de Grafitti Atac” [fihaonana voalohan'ny manafika ny Graffitti].
Graffiti iray hafa ao Guarulhos, Tamin'ity indray mitoraka ity indray dia teo amin'ny rindrin'ny sekoly ao ao amin'ny Lalambe Bartolomeu de Carlos, miorina ao amin'ny fokontanin'i zaridainam-boninkazon-tendrombohitra. Eo amin'ny tokontanin'ny sary ianao mahita ireo sary nataon'ny kilonga.
Itaquaquecetuba, Grande São Paulo
Zavabitan'ny artista JAE! Alves, hita ao amin'ny Lalana Maringá, Rancho Grande, ao Itaquaquecetuba.
Mogi das Cruzes, Grande São Paulo
Sary ankatoavina ho sary nataon-tanana an-drindrin'ny toera-ponenana Antonio Bovolenta, ao an-tanànan'i Mogi das Cruzes, faritra ivelaran'i São Paulo. “Saika misy hatrany ireo vitsy an'isa manoka-tena ho amin'ny fanaovana izao tontolo izao ho tsara kokoa”, hoy ny fehezanteny.
Poá, Grande São Paulo
Tararaka nolokoin'ny artista manongom-bolo Jonh Naja. Ny asan-tanana dia mety ho hitanao ao amin'ny Kianja Aurélio Fuga, ao amin'ny fokontanin'i Calmon Viana, ao Poá, Grande São Paulo.
Guaianases, Faritra atsinanana
Ny fidirana an-tsehatra eto ambany dia avy amin'ny artista Todyone. Nihabetsaka ny mponina manodidina ny garan-damasinina Guaianases rehefa nihabetsaka ny loko marevaka vaovao. Misy ihany koa ny asan-tanana avy amin'i Galvani Galo.
Ary eo amin'ny garan'ny metrô Guaianases, nalaina tahaka avy amin'ny varavaran-kelin'ny vagao.