Lasa Heloka Bevava Ve Ny Filazana Fisiana Kolikoly Ao Botsoanà ?

Journalist Sonny Serite. Photo from

Mpanao gazety Sonny Serite. Sary tao amin'ny kaontiny Twitter @kivuki.

Nosamborina sy noampangaina ho mividy halatra izay manitsakitsaka ny fehezan-dalàna famaizana ao Botsoanà ilay mpanao gazety sahisahy ao Botsoana, Sonny Serite, tamin'ny 17 Martsa .

Serite, izay miantso ny tenany hoe “Bruce Lee-n'ny asa fanaovan-gazety” dia voalaza fa tratran'ny manam-pahefana tao amin'ny Biraon'ny Filoha teo am-pandraisana antonta-taratasy tahiry tsiambaratelo momba ny tantaran'ny kolikoly izay nanaovany fikarohana. Nilaza ireo mpiaro an'i Serite fa naharay ny antonta-taratasy izy, izay mbola tsy fantatra ny votoatiny, tsy mahafantatra na manana ny antony hiheverina fa voaray na nangalarina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna avy amin'ny Biraon'ny Filoha izany.

Heverina fa mikasika ny tantara navoaka ny 10 Martsa tamin'ny gazety Botsoanà izay manasongadina ny kolikoly tamin'ny fividianana Fitaterana an-dalamby nataon'ny Botswana Railways ny antonta-taratasy.

Tsy nahazo fahafahana vonjimaika na mpisolovava ilay mpanao gazety nanomboka teo.

Niampanga ny fisamborana sy ny natao azy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Media sy ny mpiara-miasa ao Botswana (BOMAWU). Manao fanentanana ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny diezy #FreeSonnySerite ho amin'ny famotsorana azy ireo mpikatroka ny fahalalaham-pitenena sy manohitra ny kolikoly.

Heloka ihany koa ve fitaterana raharahan-keloka ao Botsoana?

Nankany amin'ny fiarovana ilay mpanao gazety ny maro tamin'ireo sioka:

Manjary mampidi-doza ny fahafantarana ny marina momba ny governemanta. Heloka ao Botsoana ny fitaterana raharahan-keloka saingy mbola mampiely isika

Nahoana no managadra mpanao gazety mampibaribary ny kolikoly ianao

Mino marina ve ianao fa hanolotra izany tahiry izany ireo olona eo amin'ny fahefana? Tsia. Mahatonga ny mpanao gazety tsy manan-tsafidy ny rafitra.

Hadalana tokoa ny fiampangana mpanao gazety noho ny fahazoam-baovao, nangalarina na tsia. Taiza no heverinao fa nahazoanay ity vaovao ity, adala!

Na inona na inona mitranga “aza tifirina ny mpampita hafatra”

Inona no mitranga amin'ny ady amin'ny kolikoly ao Botsoanà?

Noderain'ireo fikambanana tahaka ny Transparency International ho iray amin'ireo firenena tsy dia misy kolikoly indrindra ao Afrika Atsimon'i Saharà i Botsoana. Namoatra tatitra mitondra ny lohateny hoe “Tsenan'ny Sisintany sy Misondrotra ny orinasan'ny mpanolo-kevitra Cushman & Wakefield tamin'ny 2015 izay nampiseho fa i Botsoana no manana toekarena vao misondrotra mangarahara indrindra ao Afrika.

Saingy nahatonga ny sasany handinika indray izany fandokafana izany ny fisamborana an'i Serite:

Nisambotra mpanao gazety miresaka kolikoly ny governemantan'i Botsoanà. Inona no nitranga ao amin'ny mangarahara malazan'ny firenena?

Zava-dehibe ve ny fomba fahazoan'ny mpanao gazety vaovao hamborahana kolikoly?

Tao amin'ny Facebook, mananna ny hevitra i Radifalana Turpelo Bobo Ronald fa tokony hahazo vaovao amin'ny alalan'ny fomba rehetra ny mpanao gazety:

[…] I still say where there is corruption, it has to be exposed. Action taken against Serite are clear evidence that corruption indeed took place. How he got the info doesn't matter, we need journalists like him who work tirelessly digging info about things that affects Botswana.

 […]  Mbola lazaiko fa raha misy ny kolikoly, dia tsy maintsy lazaina. Ny fepetra noraisina ho an'i Serite dia porofo mazava fa nitranga tokoa izany kolikoly izany. Tsy zava-dehibe ny fomba nahazoany ny vaovao, mila mpanao gazety tahaka azy isika izay miasa mafy mitady vaovao momba ny zavatra miantraika amin'i Botsoana.

Saingy ny hafa kosa, tahaka an'i Yusrah T Gareegope dia nilaza fa tokony hotsarain'ny lalàna tahaka ny rehetra i Serite:

detain Sonny Serite until you get whatever info you need from him, he's not the first nor the last to be detained nor is he special from all the other Botswanans who are always detained!

Gadrao Sonny Serite mandra-pahazoanao izay vaovao ilainao avy aminy, tsy izy no voalohany na farany nogadraina na koa miavaka amin'ireo Botsoaney hafa izay matetika gadraina!

Sethamiso Moritshane nanamarika hoe:

He is just like any Botswanan who can commit crime , so what's special about him?

Tahaka ny Botsoaney rehetra afaka manao heloka bevava izy, ka inona no mampiavaka azy?

Ary i Tlhagisang Duncan Sakie Masake nanoratra hoe:

The security agencies are doing a good job we should learn to respect the law and write quality not quantity news where possible.

Manao asa tsara ireo sampan-draharahan'ny filaminana, tokony hianatra hanaja ny lalàna ary manoratra vaovao tsara kalitao fa tsy be tsy handraofana isika raha azo atao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.