Swasthani Vrata Katha An-Tsary: Fetim-Pifadian-Kanina Sy Fivavahana Maharitra Iray Volana Hoan'ny Mahasoa Ny Mpivady Ao Nepal

Nepaley Haindò manolotra vavaka mialoha ny idirana amin'ny renirano Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.
Ny Swasthani Vrata Katha dia fetibe haindò maharitra iray volana izay ifadian'ny vehivavy hanina sy mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani mangataka fikarakarana sy fanambinana hoan'ny vadiny sy ny ankohonana. Ny tanora vavy kosa mifady hanina sy mivavaka hahazoana vady tsara.
Ny fombam-pivavahana dia manomboka amin'ny andro diavolan'ny Poush ary mifarana amin'ny andro diavolan'ny Magh (ny volana fahafolo amin'ny fanisanandro Nepali), izay nanomboka ny 22 febroary.
Mandritra ny fetibe ny mpivavaka dia mamerimberina ny soratra avy amin'ny Swasthani Vrata Katha (boky tantaran'ny andriamanibavy Swasthani). Tononina indray isan'andro ny toko iray hafa mandritra ny 31 andro. Mifoha maraina ny vehivavy, mandro, ary mivavaka amin'i Mahadev, iray amin'ny andriamanitra lehibe telon'ny Hindoisma, ny folakandro, isan'andro mandritra ny volana.
Nepalese women holy bath in Pashupathinath Temple a month Swasthani Bratakatha festival goddess Swasthani Kathmandu pic.twitter.com/Q3tqXnFRta
— Earthman Journalist (@Intprofessor) February 9, 2016
Fandroana masin'ny vehivavy Nepaley ao amin'ny Tempolin'i Pashupathinath amin'ny volana fetiben'ny Swasthani Bratakatha andriamanibavy Swasthani Kathmandu
Misy aza ny vehivavy sasany mifady hanina mandritra ny iray volana. Nisioka i Shiwani Neupane, mpanoratra:
Yesterday was the stuff of legend. I saw a woman conducting her month long Swasthani fast inside a cave. #Nepal pic.twitter.com/CJlWQ2jwLT
— Shiwani Neupane (@ShiwaniNeupane) February 15, 2016
Omaly ny zavatra mianganongano. Nahita vehivavy iray aho manao ny volana fifadiana Swasthani ao amin'ny lavabato iray.
Ity fomba ity dia nolazaina fa nanomboka rehefa nangataka hanambady an'i Mahadev izay notiaviny hatramin'ny fahazazany ka nandaniany volana iray ifadian-kanina sy ivavahana amin'ny andriamanibavy Swashtani, ny zanakavavin'ny Mpanjakan'i Himalaya Parvati, andriamanibavin'ny fitiavana, ny fahalonaka ary ny fanokana-tena. Tsy kisendrasendra ny fitiavany — i Parvati no fisehoana ara-batan'ny vadin'i Mahadev voalohany antsoina hoe Sati Devi, izay teraka indray rehefa nandoro tena ho faty.
Isisihan'ny mpivavaka ny toerana voatonona ao amin'ny Katha: Guheswari, Gokarna, Alan'i Sleshmantak, Gaurighat, Renirano Bagmati, ary ny Shali Nadi (Renirano).
Ao Sankhu sy Bhaktapur, dia samy mifehy na ny lahy na ny vavy, mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani sy amin'ny andriamanitra Madhav Narayan. Mandray anjara amin'ny fombafombam-pivavahana amin'ny alalan'ny fandroana ny olona rehefa manatontosa ny fetibe Madhav Narayan, izay mitovy andro fanombohana sy famaranana amin'ny Swasthani Vrata Katha.
Raha mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani ny sasany mitady ny mahasoa ny vadiny sy ny ankohonana, dia misy kosa ireo sasany tsy faly amin'ny tsy fitovian-danjan'ny lahy sy ny vavy amin'ny fombafomba.
Ao amin'ny sombim-pamoahan-kevitra iray i Manju Thapa manoratra hoe:
कथाले पति भनेका मालिक हुन् भने पत्नी भनेका पतिको सेवा र चाकडी गर्ने सेवक हुन् भन्नेजस्ता पति—पत्नीको अत्यन्तै असन्तुलित अन्तरसम्बन्ध देखाइएको छ, जुन महिलामैत्री छैन ।
Milaza ny tantara fa lahy no tompo ary ny vavy no mpanompon'ny vadiny. Tsy mety amin'ny vehivavy izany noho ny fitongilanan'ny fifandraisana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao amin'ny fanambadiana.
Mbola mitohy ny fomba na dia eo aza ny kiaka vitsy toy izany. Manoratra amim-panesoana ao amin'ny Twitter i atmiya_nepali :
साँच्चै महिलामाथि गरिएको चरम विभेदको कथा संग्रह “श्री स्वस्थानी व्रतकथा” किताब अग्रगामी हरूले च्याते कि नाईँ ?
— Atman (@atmiya_nepali) January 24, 2016
Ny fandrosoana ve mba nahavita nampangina ny raki-tantaran'i “Shree Swasthani Vrata Katha” izay tena manavakava-behivavy tokoa?
Raha mitohy ny adihevitra dia andao hijery topimaso ny fetiben'ny Swasthani Vrata Katha sy ny fetiben'ny Madhav Narayan amin'ny alalan'ny mazon'ireo mpakasary Sunil Sharma sy Archana Shrestha.

Haindò Nepaley mpivavaka mandro ao amin'ny reniranon'i Bagmati ao amin'ny toerana misy ny tempolin’ Pashupatinath mandritra ny Swasthani Vrata Katha. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Haindò Nepaley mandray ny rano masina avy amin'ny reniranon'i Bagmati mandritra ny Swasthani Vrata Katha. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Haindò Nepaley manolotra vavaka eo amoron'ny reniranon'i Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Vehivavy Haindò Nepaley manafana tena rehefa avy nandray ny fandomana masina tao amin'ny reniranon'i Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Mpivavaka haindò Nepaley manolotra vavaka mialoha ny handraisana ny fandombana masina ao amin'ny (reniranon'i Sali Nadi mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Ny vehivavy haindò Nepaley dia mitadrina ny fifadiana sy ny vavaka ho an'andriamanibavy Swasthani sy ho an'andriamanitra Madhav Narayan ho amin'ny fahaelavelon'ny vadiny sy ny fanambinan'ny fianakaviana mandritra ny fetibe maharitra iray volana. Saripikan'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Mpivavaka handò Nepaley manolotra vavaka mialoha ny handraisana fandombana masina ao amin'ny reniranon'i Sali Nadi mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Saripika avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Mpivavaka haindò Nepaley ao amin'ny reniranon'i Sali Nadi mitandrina ny Swasthani Vrata Katha sy ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Saripikan'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Mpivavaka Haindò Nepaley mitondra fanilon-tsolika amin'ny faritry ny vatany mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Mpivavaka haindò Nepaley iray mandray anjara amin'ny fomafombam-pivavahana mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Zazalahy haindò nepaley iray natao haka ny endriky ny andriamanitra Madhav Narayan, voatahy amin'ny rano masina, mandray anjara amin'ny fombafombam-pivavahana tontosaina mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 3 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...