Tsindry Shinoa Tao Amin'ny Vovonan'ny Zavakanto Ao Bangladesh Hanampenam-Bava Ny Fampirantiana Momba An'i Tibet

Zavakanto notakonana taorian'ny fanoherana nataon'ny ambasadaoro shinoa. Sary nampindramin'ny pejy Facebook an'i Wasfia Nazreen
Notontosaina tamin'ny 5 ka hatramin'ny 8 febroary 2016 lasa teo ny Dhaka Art Summit [Vovonan'ny Zavakanton'i Dhaka] izay manasongadina hosodokoa, fanatontosana zavakanto, fijerena sarimihetsika ary famoahana boky. Mampiseho ny zavakanto Aziatika Atsimo ny hetsika mandeha isantaona mampihaona artista, mpampianatra ambaratonga ambony, mpanangona ary mpitsidika an-jatony avy amin'ny faritra sy manerana izao tontolo izao.
Izay heverina ho zavakanto any amin'ny toerana iray anefa dia mety heverina ho fivilian-dalana ara-politika any amin'ny toeran-kafa. Tahaka izany ny tao amin'ny tranohevam-pampitambaovao marolafy iray naorina tamin'ity vovonana ity. Natsangan'ilay Indiana mpanatontosa sarimihetsika Ritu Sarin sy ny vadiny artista Tenzing Sonam, Tibetana iray monina an-tsesintany ao Dharmashala, ny nifantohan'ny fampirantiana tao dia ireo nandoro ny tenany ao Tibet ho fanoherany ny fanjakazakan'i Shina ao amin'ny faritra.
Ny lohatenin'ny ao amin'ilay tranoheva dia “Teny Farany”, izay miompana amin'ny lahatsoratry ny hafatra farany dimy miaraka amin'ny dikanteniny anglisy nosoratan'ireo nandoro ny tenany ireo. Ireo hafatra ireo dia ao anatin'ny sehom-pampitankafatra marolafy avy amin'i Sarin sy Sonam mikasika ny fandoroan-tena nitranga tao anatin'ny enintaona, izay nosokafan'izy mivady tao Delhi tamin'ny desambra lasa teo.

Ny mpanatontosa sarimihetsika sy artista Tenzing Sonam sy Ritu Sarin tao amin'ny Vovonan'ny Zavakanton'i Dhaka miaraka amin'i Wasfia Nazreen (afovoany). Sary nindramina avy amin'ny pejy Facebook-n'i Wasfia Nazreen. 6 Febroary 2016
Nitsidika ny fampirantiana ny Ambasadaoro Shinoa tao Bangladesh, Ma Mingqiang, tamin'ny Asabotsy 6 Febroary ary voatatitra fa “nirehitry” [hatezerana] tamin'ny fahitana ilay fanorenan-javakanto Tibetana, nitaky ny hanalaza azy ireo eo noho eo. Taorian'izay izy nandefa taratasim-panoherana tamin'ny mpikarakara sy nitaky ny hanesorana ireo asa ireo. Voatery ny mpikarakara nanakona ireo tabilao dimy ireo tamin'ny taratasy fotsy izay nankatoavin'ireo artista ny nanaovana izany.
Karazana fihaikana ankolaka ihany angamba ny fanakonana ireo zavatra napetaka ireo nefa navela niankina tamin'ny rindrina.
Navoakan'i Sarin tamin'ny gazety The Indian Express ny loniloniny:
This is bullying. The Chinese are asking for the works to be removed in a foreign country. We have just taken five letters that are actually available online; it is not even an interpretation.
Fampijalian'ny vaventy amin'ny madinika izao. Notakian'ny Shinoa ny hanesorana tsanganasa any amin'ny firenena vahiny. Namoaka taratasy dimy izay hita an-tserasera fotsiny izahay: tsy misy fomba fandraisan-kevitra akory anefa amin'izany.

Ireo tabilao nahantona “Teny Farany” nataon'i Ritu Sarin & Tenzing Sonam araka ny fisehony tamin'ny 5 sy 6 Febroary. Sary nindramina avy amin'ny pejy Facebook an'i Wasfia Nazreen.
Raha nanoratra tao amin'ny Facebook-ny i Wasfia Nazreen, mpananika tendrombohitra, mpikatroka, mpiasa sosialy ary mpanoratra fa “nandrahona hisian'ny vokany mafy dia mafy” ny ambasadaoro raha tsy esorina ireo sanganasa ireo. Nanohy izy:
Not surprised at the arrogance and bullying tactics of the Chinese government in shutting down any voice that disagrees with its official version of what is happening in #Tibet but, end of the day its about my own identity, as a Bangladeshi, a citizen of an independent country, i am sorry but you CANNOT capture our Spirit with force.
Tsy gaga [aho] amin'ny fizahozahoana sy ny teknikam-panindriana ataon'ny governemanta shinoa amin'ny fanakombonana ny feon'ireo tsy mitovy hevitra amin'ny filazana ofisialy amin'izay mitranga ao Tibet, saingy, amin'ny farany, momba ny marika fanondroana ahy ho Bangladeshi, olompirenen'ny firenena mahaleotena izany, miala tsiny aho fa TSY AFAKA misambotra ny fanahinay amin'ny alalan'ny hery ianareo.
‘Tsy nahatampina ny feon'ny hetsika na oviana na oviana izany’
Mivaky toy izao ny taratasy iray amin'ireo napetraka:
I, Tsultrim Gyatso, the warrior of the snows, set myself on fire for the welfare of all Tibetans. The golden teardrops. Alas, tears. Heartbreak. Brothers, do you hear? Do you see? Do you hear? To whom shall I tell about the suffering of six million Tibetans? Precious human body engulfed in flames. I set myself on fire for the return of His Holiness the Dalai Lama to Tibet, to free Panchen Rinpoche from prison, and for the welfare of six million Tibetans. May all sentient beings residing in the three realms be free from the three poisons and attain Buddhahood. May the lama and the Three Jewels hold dear those who are downtrodden and without refuge. Brothers and sisters of the Land of Snow, for the sake of Tibet’s unity, do not fall under the deceitful ways of the foxes.
Izaho, Tsultrim Gyatso, mpiadin'ny ranomandry, no mandoro ny tenako ho amin'ny tombontsoan'ny Tibetana rehetra. Ny ranomaso volamena. Indrisy, ranomaso. Fo vaky. Ry rahalahy, mandre ve ianareo? mahita ve ianareo? Mandre ve ianareo? Any amin'iza no hiresahako ny fijalian'ny Tibetana enina tapitrisa? Vatan'olombelona tafatsoropaka any amin'ny afo. Mandoro ny tenako aho hiverenan'ny Masina ny Dalai Lama any Tibet, hanafahana an'i Panchen Rinpoche avy any am-ponja, ary ho amin'ny fahasalaman'ny Tibetana enina tapitrisa. Enga anie ny vavahadin-tsaina rehetra monina ao amin'ny fanjakana telo ho afaka amin'ny poizina telo ka hahatratra ny toetra maha-Buddha. Enga anie ny lama sy ny Vatosoa Telo hitazona mafy ireo kivy gejain'ny fahefana sady tsy manan-kialofana. Ry rahalahy sy anabavy eo amin'ny Tanin'ny Ranomandry, noho ny firaisan-kinan'i Tibet, aza miantoraka any amin'ny lala-mamitaky ny fosa.

Nandoro ny tenany i Tsultrim Gyatso, 43 taona, tamin'ny 19 Desambra 2013 Sangchu, Prefektiora Tibetana Mizakatenan'i Kanlho, Faritanin'i Gansu. Sary nindramina avy amin'ny pejy Faacebook an'i Wasfia Nazreen..
Ampangain'ny Tibetana ho mamoritra ara-pivavahana sy ara-kolontsaina i Shina, izay nampiditra an'i Tibet ho ao anatin'ny sisintaniny nihoatra ny 60 taona izao. Nahitana fitroarana maventy maro ny tao amin'ny faritra tao ho ao, ary olona am-polony no nandoro tena ho endri-panoheran'olona tsirairay ny fifehezana Shinoa. Fihinin'i Shina mafy dia mafy i Tibet amin'ny fanampenam-bava ny aterineto, fanaraha-maso ny fampitam-baovao ary famerana ny fidiran'ny mpizahatany sy ny gazety iraisampirenena.
Tsy sambany ny governemanta shinoa no niezaka hanakatona fampirantiana mifandraika amin'i Tibet. Tamin'i 2009, nisy tsindry shinoa niteraka ny fanakatonana fampirantian-tsary momba an'i Tibet nantsoina hoe “Mizotra An-Tsesintany | Tibet 1949-2009” niarahan'ny Mpianatra manohana an'i Tibet Afaka–Bangladesh sy ny Drik Bangladesh nanatontosa.
Tao amin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Catch News no anoritsoritan'i Sonam ho karazana hafatra inona no tian'i Shina alefa amin'ny alalan'izany hetsika izany :
Do not encourage or give a platform to any opinion, narrative or voice that runs counter to the official Chinese line, particularly when it comes to Tibet or Xinjiang.
The underlying threat to this message is: If you do not comply, we will cut economic ties or otherwise make it difficult for you.
Aza mandrisika na manome sehatra amin'ny hevitra, fitantarana na feo izay mifanohitra amin'ny tsipika ofisialin'i Shina, indrindra rehefa resaka Tibet or Xinjiang.
Ny fandrahonana ambadiky ny hafatra dia: Raha tsy manaraka izany ianao dia hotapahinay ny fifandraisana ara-toekarena na hanasarotra izany ho anao izahay.
Naneho ny fahatezerany tao amin'ny Twitter ny hafa:
I wld hv got if BD govt. was behind dis taking down #tibet installation. i just dnt undrstnd hw n ambassador can do dis in another country.
— Muktasree Chakma (@SathiChakma) February 8, 2016
Azoko ihany raha ny governemantan'i Bengladesh no tao ambadiky ny fanakatonana ny fampihantonana zavakanton'i Tibet. Tsy takatro indray ahoana no hanaovan'ny ambasadaoro izany any amin'ny firenenkafa.
Ao amin'ny Facebook, maneho hevitra amim-pihaikana i Ehsan Rahman Zia
white sheets of paper @ dhaka art summit can surely cover up tibetan artworks that depicted the oppression of china in tibet, but it can never shut down the voices of the movement…. #আলোআসুক (#Lettherebelight)
Mahatakona tanteraka ny sanganasa mamariparitra ny fangejan'i Shina an'i Tibet tokoa ny taratasy fotsy ao amin'ny vovonan'ny zavakanto ao Dhaka, saingy tsy hahatampina na oviana na oviana ny feon'ny hetsika…#আলোআসুক (#Misianymazava)
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...