Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Febroary 2016

Tantara tamin'ny 17 Febroary 2016

Drafitr'i Hong Kong Mba Hamongorana Tsikelikely Ny Varotra Vangin'elefanta Amin'ny Tsena Anatiny

Nanambara ny drafitra hametrahana fandraràna ny fanafàrana sy fanondrànana ny vokatry ny haza elefanta ireo manampahefana an'i Hong Kong, manafoana tsikelikely tanteraka ny varotra vangin'elefanta ao amin'ny tsena anatiny.

Fosa Ataon'ireo Ogande An'ny Filoha Museveni Miaraka Amin'ireo Sary 30 taona Lasa

Satria mikatsaka ny mbola ho voafidy amin'ny fepotoana faha-enina indray ny Filoha Museveni, mampiasa ny tenifototra #1986pictures ireo Ogande, mba hizara ireo fahatsiarovany izany fotoana izany -- ary ireo tsy hafaliany ara-politika.

Tsssss! Mpanolotsaina Vaovaon'i Putin Momba Ny Aterineto, Voasaringotra Aminà Fijirihana Ny Aterineto

Akon'ny RuNet

Ny mpanolotsaina vaovaon'i Putin amin'ny resaka aterineto dia fantatra amin'ny hamafiny manohitra ireo loharanona tambajotra vahiny izay mandika ny lalàna Rosiana. Ankehitriny voafatotra amina torrent tracker maro mampiahiahy i German Klimenko.

Ela Ny Ela, Rindrina Mampiray Vahoaka Fa Tsy Mampisaraka

Raha mamaky ny tantaram-pirenena maro isika dia endriky ny fisarahana, fanavakavahana ny rindrina. Saingy nisy toe-javatra vaovao antsoina hoe “rindrin'ny fahatsaram-panahy” ankehitriny manao izay mifanohitra indrindra amin'izany fampisarahana izany.

Miomana Amin'ny Otrikaretina “Zik-V” Mandrahona Azy Ny Mponina Ao Karaiba

Ny Sampana misahana ny Fahasalam-bahoaka (CARPHA) dia nilaza tamin'ireo olona mba hiaro tena ary indrindra koa mihevitra mihitsy handefa lalao amin'ny finday, atao hoe Zap-a-'quito, mba hampianarana ny vahoaka.

Tsindry Shinoa Tao Amin'ny Vovonan'ny Zavakanto Ao Bangladesh Hanampenam-Bava Ny Fampirantiana Momba An'i Tibet

"Ny fandrahonana ambadiky ny hafatra dia: Raha tsy manaraka izany ianao dia hotapahinay ny fifandraisana ara-toekarena na hanasarotra izany ho anareo izahay.."

Tari-dalana Twitter Vetivety Momba Ny Fifidianana Ao Oganda Amin'Ity Volana Ity

Atolotry ny Global Voices ny taridalana Twitter ahitanao ny fanavaozam-baovao, vaovao, fanadihadiana ary tatitra mifandraika amin'ny fifidianana ao Ogandà amin'ity volana ity.

Midika Hetra Vaovao Sy Fifehezan-kibo Ho An'ny Vahoaka Any Trinite Sy Tobago Ny Fahasahiranana Ara Toekarena

Nilaza ny Minisitry ny Vola, Imbert, fa ilaina ny fiovana mba hamonjena ny toekarena amin'izao endriny marefo izao, satria tsy mitsahatra mitotongana ny vidin-tsolika. Tsy nanampy, ihany koa, ny fandaniana be loatra nataon'ny fitondrana teo aloha.

Gwen Rakotovao: ‘Manamafy Ny Fifandraisana Ara-tsosialy’ Amin'ny Alalan'ny Dihy Sy Ny Kanto

Niresaka tamin'i Gwen Rakotovao ny Global Voices, ilay vehivavy talen'ny kanto, lehiben'ny fitantanana, lasibika, ary mpanoratra boky ho an'ankizy, izay nentin'ny asany mahavalalalina nitety ny tontolo.