Anisan'ireo be mpizara indrindra ao amin'ny media sosialy ireo sary mampiseho zana-biby, indrindra ny zana-tsaka, hany ka tsy azo ialana ny fanatrehana isan'andro ireo maso mahafatifaty. Vokatr'izany, heverina ho tsy fanavaozana lehibe intsony ny pejy Facebook iray hafa natokana hoan'ireo mpankafy saka.
Saingy somary hafa kely ny zava-nitranga vao haingana tany Italia. Nanatontosa flashmob virtoaly natao hoan'i Matteo Salvini, filohan'ny Ligy Tavaratra, antoko malaza amin'ny fankahalana vahiny sy manohitra ny fijoroana Eoropeana, ny vondrona iray antsoina hoe Progetto Kitten. Raha tokony handihy, mangataka amin'ireo mpandray anjara 26 000 rehetra ny Progetto Kitten mba hirohotra ao amin'ny pejy Facebookn'i Salvini miaraka amin'ny sarin-tsaka sy zana-tsaka.
Nilaza ny mpikarakara fa tsy manao politika izy ireo fa “te-hitondra fotsiny ireo zana-tsaka mahafatifaty mpîtondra hafatra fitiavana ao amin'ny rindrin'ireo izay mandray ny fiainana ho matotra loatra.”
Natao tamin'ny 7 Mey ny flashmob-ntsaka, saingy marobe ireo saka azo jerena ao anatin'ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny lahatsoratr'ireo mpanao politika na dia taorian'izany daty izany aza.
Araka ny filazan'ny mpamorona ny hetsika, nosafidiana i Salvin noho ny feon'ny anarany ihany, satria mitovy fanononana amin'ny gattini, teny Italiana hoan'ny saka kely. Noho izany, ny diezy Twitter sy ny anarana nampielezana ny hetsika dia: #gattinisusalvini (zana-tsaka ao amin'i Salvini).
Na dia eo aza ny tanjona tsy ara-politikan’ny #gattinisusalvini, maro tamin'ireo mpandray anjara no nanisy tsikera ny foto-kevitry ny mpanao politika ary koa lahateny tsara rindra teo akaikin'ireo sarin-tsaka:
Nahomby kokoa tsy araka ny niheveran'ireo mpikarakara ny hetsika, ary vetivety dia niely avy ao amin'ny Facebook nankao amin'ny Twitter.
Pagina #Facebook di #Salvini invasa da foto di gattini. E su #Twitter vola #gattinisusalvini http://t.co/LgpL8DPzRT pic.twitter.com/m1oRarN5II
— Agenzia ANSA (@Agenzia_Ansa) Mayo 7, 2015
Pejy Facebook-n'i Salvini feno sarin-tsaka. Ary miparitaka ao amin'ny Twitter ny #gattinisusalvini
oggi ore 15 #gattinisusalvini io e @Jacopo_llo abbiamo già la tastiera bollente [PH CC: CiccioGatti e Socialismo] pic.twitter.com/ulHgt5BjzT
— Fr4vl (@Fra_vl) Mayo 7, 2015
androany amin'ny 3 folakandro #gattinisusalvini, vonona hanoratra amin'ny kintendrinay izaho sy @Jacopo_llo [PH CC: CiccioGatti e Socialismo]
#gattinisusalvini è forse una delle più brillanti opere d'arte del nuovo millennio.
— Francesco Quaranta (@fnc40) Mayo 7, 2015
Angamba iray amin'ireo asa kanto tsara indrindra amin'ny taonarivo vaovao ny #gattinisusalvini
Maro ihany koa ny nanamarika fa nanampy an'i Salvini ny hetsika, nampitombo ny lazany fa tsy nahatonga azy hanalefaka ny feony.
Raha ny marina, na dia ny hanakana ireo mpiserasera mavitrika indrindra amin'ny fampielezana ireo saka aza ny fihetsika saiky nataon'ny filohan'ny Ligy Tavaratra voalohany, rehefa hitany ho “fanadiovan-dohataona” ny pejy Facebook-ny ilay izy dia nofaranany tamin'ny fanehoan-kevitra hoe “miao” izany avy eo, izay nahazoany fankatoavana noho ny vazivazy manetri-tena
Namorona diezy vaovao ireo mpanohana azy, #gattiniconsalvini (saka miaraka amin'i Salvini), manaparitaka ny sarin'i Salvini voahodidina saka eny rehetra eny.
Raha ny hanalefaka ny feon'ireo mpanao politika Italiana tia ady no tanjon'ny hetsika, dia tsy nahomby izany. Mbola mahafatifaty hatrany ireo saka kely na dia mitondra bilidaozera na nitafy toy ny mpikatroka ara-politika aza.