
Mpanao fihetsiketsehana akaikin'ny Lapan'ny Filoham-Pirenena tao Yerevan tamin'ny 22 Jona. Demotix/PHOTOLURE News Agency/7924537.
Miditra ao anatin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily ny Armeniana.
Mponina an'arivony ao an-drenivohitra Yerevan no nidina an-dalambe hanandratra ny feony manoloana ny fiakaran'ny vidin-jiro.
Ny sit-in tamin'ny 19 jona dia taorian'ny nanambaran'ny governemantan'ny Filoha Serzh Sargsyan roa andro talohan'izany ny fampiakarana 16 isanjato ny vidin-jiro izay hihatra amin'ny voalohany volana aogositra.
Nitsena fahakiviana efa azo novinaina mialoha ny fanambarana, saingy nilaza ny Vaomiera Mpandrindra ny Raharaham-Bahoaka — ny mpandrindra ny angovom-pirenena — fa tsy azo nihodivirana ny fampakarana.
Ny Tambajotran'herinjiro Armeniana dia fananan'ny orinasa rosiana Inter RAO UES, izay milaza fa tsy maintsy natao ny fampiakarana ny sara noho ny fidinan'ny sandambola Armeniana, ny dram. Notakian'ny mpanao fihetsiketsehana ny hanafoanana ny fiakarana.
Nizotra vao maraimben'ny talata tany amin'ny Prezidansa ny olompirenena vinitra dia vinitra amin'ilay [diabe] omen'ny fampitam-baovao anaranm-bositra hoe ‘Yerevan Elektirika’.
Mpanao fihetsiketsehana 5000 no nifamory teo anoloan'ny lapa, miherongerona amin'ny fiakaran'ny vidinjiro sy ny tsy fahombiazan'ny fitondrana tamin'ny fiadiana amin'ny fahantrana ao Armenia, ilay firenena mahatra indrindra isan'olona tsirairay ao Kaokazia Atsimo.
Naparitaka an-kerisetra ny mpanao fihetsiketsehana
Nanao famoretana henjana ny mpanao fihetsiketsehana ny polisy. Olona mitotaly 237 no nosamborina ny maraimben'ny talata teo akaikin'ny Lapan'ny Prezidansa, ka tafiditra ao anatin'ny voasambotra ny mpanao gazety malaza Ani Hovhannisian sy Hrant Galstian.
Nampiasa kibay sy tafondron-drano ny polisy misahana ny rotaka hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana. Nitatitra ny sampam-baovao AFP fa nikasi-tanana mpanao gazety tonga teny an-toerana ny polisy.

Polisy nampiasa tafondron-drano hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana tao Yerevan tamin'ny 23 Jona. Demotix/PHOTOLURE News Agency/7926046.
Tsy kivin'izany anefa fa mbola nisy mpanao fihetsiketsehana 6000 indray, araka ny tatitra, no nanado diabe fanindroany nankany amin'ny Lapan'ny Prezidansa tamin'ny takarivan'ny Talata.
Miahiahy amin'ny mety hahazo ny mpanao fihetsiketsehana ilay mpanao gazety teraka tao Armenia Onnik James Krikorian, izay monina eo amin'ny firenena mpifanolobodirindrina ao Zeorzia amin'izao fotoana izao:
Time for bed. Hoping I don't wake up to news of another dispersal. Touch wood it doesn't look like that for now… #electricYerevan #Armenia
— Onnik J. Krikorian (@onewmphoto) June 23, 2015
Fotoana atoriana. Manantena fa hifoha tsy handre vaovaon'ny fanaparitahana indray. Tazony ny hazo fa tsy mitovy amin'izay aloha amin'izao fotoana izao…
Mpanao fihetsiketsehana 7 sy polisy 11 no voatatitra fa naratra tamin'ny alarobia maraina.
Fampanginana
Natalya Harutyunan, mpitantana tetikasa ao amin'ny UNDP Armenia, nahita ny fihetsiketsehana ho mihoatra noho ny vidin-jiro fotsiny:
Importantly, it isn't a power battle, but genuine #citizenry demand for transparent and fair policy decision-making #ElectricYerevan
— Natalya Harutyunyan (@nata_har) June 24, 2015
Zavadehibe aminy dia tsy adim-pahefana izy ity fa tena fitakian'olompirenena tokoa isian'ny mangarahara sy politika madio eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra
Manana zavatra tahaka izao tsy maintsy lazaina i Monica Ellena, mpanao gazety freelance monina aoTbilisi:
#Armenia #ElectricYerevan electricity hike, a tipping point for young Armenians (and not only) http://t.co/pnB1HlBfG5
— monica ellena (@monicaellena) June 24, 2015
Fiakaran'ny vidinjiro, teboka iray nampirona ny tanora Armeniana (fa tsy izany ihany)
Solontenan'ny Global Voices Karena Avedissian namaly ny fanizingizinana re teny ho eny hoe fivoahan'ny fihetsehampo fankahalana rosiana ny fihetsiketsehana:
Again, no this isnt a maidan, but the electric company that the protests are against is Russian-state owned. Can't ignore Russian complicity
— Karena Avedissian (@KarenaAv) June 23, 2015
Averina indray, tsy maidan io, tsia, fa ilay fihetsiketsehana nahatonga ny fanoherana no Rosiana no tompony. Tsy afaka minia tsy mijery ny tsikombakomba rosiana
Raha misy ireo feo maro mametraka ny fijery fa fipongaran'ny hetsika sosialy ny Yerevan Elektirika, ny hafa kosa mahita azy amin'ny voambolana tsotra kokoa.
Nilaza tamin'ny Global Voices ny mpiasan'ny governemant iray teo aloha 24 taona tsy nanonona anarana fa “tsotra dia tsotra ny antony. Nidina an-dalambe ny olona hanohitra ny fiakaran'ny vidinjiro. Dia izay ihany.”
Mpanadihady ara-politika iray monina ao Yerevan antsoina hoe Akop Gabrielyan dia nampitandrina ihany koa amin'ny fehinkevitra mety hiitatra raha niteny tamin'ny Global Voices:
The cause, deep-rooted social reason is tied with a number of unpopular moves and decisions by the government: rise of taxes, transport prices, etc. At the same time it is completely wrong to call the movement as the Armenian Maidan … People are against ineffective, detrimental management of the electricity company.
Ny antony, ny antony lalina dia mifandray amin'ny hetsika sy ny fanapahankevitra halam-bahoaka nataon'ny governemanta: fiakaran'ny hetra, fiakaran'ny fitaterana,sns. Fa ao anatin'izany fotoana izany dia diso tanteraka ny filazana ny hetsika hoe Maidan Armeniana … Ny tsy fahombiazana sy ny faharatsian'ny fitantanana ny orinasan'ny herinjiro no toherin'ny olona.