Mpivavaka 20 farafahakeliny, anisan'izany ny ankizy, no namoy ny ainy ary 102 no naratra raha nanapoaka tena tao amin'ny moskea Shiita iray tao Qatif, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita taorian'ny vavaka zoma ny mpanao vy very ny ainy iray.
Nilaza tao amin'ny haino aman-jery sosialy ny ISIS, mpisintaka tao amin'ny Al Qaeda izay mifehy ny ampahan'i Syria sy faritra midadasika ao Iraka ankehitriny fa izy ireo no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana, fanindroany tamin'ny famelezana ny vondrom-piarahamonina Shiita.
Maro ireo nizara ny fanambaran'ny ISIS, anisan'izany ny sioka tsy azo jerena intsony izay nanambara ny fiandohan'ny hetsiky ny ISIS tao amin'ny firenena manankarena solitany, manerana “ny Faritanin’ Najd tamin'ny alalan'ny bemidina tao Qatif” izay namono ny Rawafedh, teny fanambaniana fampiasan'i Arabia Saodita tantanin'ny Sonita sy ny hafa ao amin'ny faritry ny Helodrano mpifanolo-bodirindrina ilazana ny Shiita.
Tamin'ny volana Novambra, olona valo no namoy ny ainy tao Al Ahsa, tao amin'ny faritany atsinanana ihany koa, raha nanafika foibem-piarahamonina Shiita nandritra ny lanonam-pivavahana ireo lehilahy mitam-piadiana.
Nitranga ny fanafihana raha niditra tao amin'ny moske Iman Ali ao Al Qadih, Qatif ny mpanao vy very ny ainy nandritra ny vavaka Zoma ary nanapoaka tena.
Mpanoratra gazety Saodiana Ahmed Al Omran nisioka hoe:
Saudi MOI says suicide bomber carried out the attack on Qatif mosque by detonating explosive belt that he was hiding under his clothes.
— Ahmed Al Omran (@ahmed) May 22, 2015
Nilaza ny MOI Saodiana fa mpanao vy very ny ainy iray no nanatontosa ny fanapoahana baomba tamin'ny fanafihana ny moskea Qatif tamin'ny alalan'ny fanapoahana fehikibo baomba nafenina tao anaty fitafiany.
Hoy izy nanampy:
Today’s mosque bombing in Qatif is the second attack on a Shiite place of worship in Saudi Arabia after the Dalwah attack last November.
— Ahmed Al Omran (@ahmed) May 22, 2015
Ny fanapoahana baomba ny moskea tao Qatif androany no fanafihana faharoa tao amin'ny toeram-pivavahana Shiita ao Arabia Saodita taorian'ny fanafihana an'i Dalwah tamin'ny Novambra lasa teo.
Mpikatroka Bahrainita Ala'a Shehabi nizara lahatsary misy ireo Saodiana tezitra taorian'ny fanafihana izay miventsoventso hoe Labbaik Ya Hussain, hira Shiita midika hoe “vonona hanompo anao izahay O Hussain“:
Zafikelin'i Mpaminany Mohammed, hajain'ny Miozolomana Shiita fatratra izay malahelo ny fahafatesany tamin'ny 680 hatramin'izao i Hussain.
Maro ihany koa ireo lahatsary sy sary nivoaka avy ao Arabia Saodita, izay tsy mandefitra mihitsy amin'ireo mpanohitra na mpanao fihetsiketsehana, miha-maro ireo Saodiana tezitra manohitra ny fanafihana:
Ismail Al Madani nizara ireto sary ireto:
Residents in Al-Qateef area of Saudi Arabia protesting against Al Saud tonight pic.twitter.com/XXht7LKuo5
— اسماعيل المداني (@asmeel1061) May 22, 2015
Mponina ao amin'ny faritra Al-Qateef ao Arabia Saodita manao hetsi-panoherana an'i Al Saud androany alina
Ather Alqatif nizara ity lahatsary mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mihira fanoherana ny fampihorohoroana ity:
مظاهرات حاشدة في مناطق القطيف تندد بالإرهاب وترفع شعار لن نركع إلا لله #تفجير_ارهابي_في_القطيف pic.twitter.com/O5pRdftW0U
— أثير القطيف (@Qatifeed) May 22, 2015
Hetsi-panoherana goavana tao Qatif miampanga ny fampihorohoroana ary mihirahira hoe “Tsy hiankohoka izahay afa-tsy amin'i Allah“
Nanome tsiny ny fanavakavahana tamin'ny fanafihana ilay manam-pahaizana Saodiana Dr Al Rasheed Madawi, hoy izy:
#تفجير_ارهابي_في_القطيف تراكمات الشحن الطائفي التي تعصف بالمنطقة العربية تنتهي حيث بدأت وتحصد ارواح الابرياء
— Madawi Al-Rasheed (@MadawiDr) May 22, 2015
Tapitra ny fivangogoan'ny fifanenjanana ara-pivavahana eo am-panombohana sy fiotazana ny ain'ny tsy manan-tsiny.
Iyad El-Baghdadi nanazava hoe:
The Saudi regime allows extreme sectarianist Sunni speech, and then acts all horrified when something like this happens. Wtf?
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) May 22, 2015
Avelan'ny fitondrana Saodiana malalaka ny fielezan'ny lahatenim-panavakavahana Sonita mahery vaika, avy eo raiki-tahotra daholo rehefa miseho ny zavatra tahaka izao
Nizara lahatsary maromaro nalefa tao amin'ny fantsona Saodiana izy, izay mampiseho ireo manam-pahaizana malaza Saodiana miantso ny mpikambana Shiita ho tsy mahatoky, sy sioka mitaky ny fanafoanana ny Shiita. Ireto ohatra vitsivitsy mikasika ny lahateny fankahalana azo leferina ao Arabia Saodita:
Here's Saleh Al Fouzan, member of Saudi's Council of Senior Scholars, declaring all Shias (yes all) to be infidels: http://t.co/Rpk9YHEMle
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) May 22, 2015
Ity i Saleh Al Fouzan, mpikambana ao amin'ny Filan-kevitry ny Manam-pahaizana Saodiana Zokinjokiny, ary manambara ny Shiita rehetra (eny ny rehetra) ho tsy mahatoky http://t.co/Rpk9YHEMle
Here's “journalist” Khaled Al Ghamidi on a Saudi station telling Shias: “We'll come to your areas & eat you alive”. http://t.co/TwC8ysLe8S
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) May 22, 2015
Ity ny “Mpanoratra gazety” Khaled Al Ghamidi ao amin'ny fantsona Saodiana milaza ny Shiita hoe: “Hoavy ao amin'ny faritrareo izahay ary hohaninay velona ianareo”
This is circulating, tweet from April, translated: “God destroy all Shias! In Iran and Qatif and Medina and Najran”. pic.twitter.com/SSGFhPCyJI
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) May 22, 2015
Sioka miparitaka hatramin'ny Avrily, midika hoe: “Mandrava ny Shiita rehetra Andriamanitra! na Ao Iran sy Qatif sy Medina ary ao Najran”
Na dia maro aza ireo niampanga ny fanafihana, Zaki Safr nanazava hoe:
نحارب الإرهاب بيد ونغذيه بالأخرى
— لورد زاك (@zaki_safar) May 22, 2015
Miady amin'ny fampihorohoroana isika amin'ny tanana iray, ary mamelona izany amin'ny tanana ilany
Talanjona i El-Baghdadi mahita ny hamaroan'isan'ireo maneho hevitra ao amin'ny media sosialy ho fanohanana ny fanafihana sy ny famonoana ny Shiita. Hoy izy nisioka:
If you can read Arabic, visit the hashtag (#تفجير_إرهابي_في_القطيف) and see just how many tweeters are supportive of the suicide attack.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) May 22, 2015
Raha mahay mamaky teny Arabo ianao, tsidiho ny diezy (#تفجير_إرهابي_في_القطيف) ary jereo ny isan'ireo mpisera Twitter manohana ny fanafihana amin'ny alalan'ny famonoan-tena.
Mandritra izany, nanolotra vahaolana i Abdulla Al Shammari :
لا يعنيني الشيعة ولا يعنيني السنة فلكل رب يحاسبه. نريد أن نحيى بسلام، فعلينا أن نشير الى منابع ما يعرقل هذا السلام
— Abdulla Al Shammari (@A_Al_Shammari) May 22, 2015
Tsy ny Shiita sy ny Sonita no mampanahy ahy, misy ny Andriamanitra hitsara azy ireo.
Te hiaina amim-piadanana izahay, ary tsy maintsy manondro ireo izay te-hametraka sakana eo amin'ny lalan'ny fandriampahalemana