Ny harivan'ny 24 aprily, maty voatifitra i Sabeen Mahmud, iray amin'ireo mpikatroka ara-tsosialy malaza indrindra ao Karachi, raha vao nandao ny hetsika antsoina hoe “Unsilencing Balochistan“(Manala Fahanginana an'i Balochistan) izay nokarakarain'ny fikambanana The Second Floor (Ny Rihana Faharoa). Naratra ihany koa ny reniny tamin'ny fitifirana avy ao anaty fiara ary mbola ahiana ny toe-pahasalamany ankehitriny.
Nampiseho ny roa tamin'ireo mpikatroka zon'olombelona noharatsiana indrindra tao Pakistan ny hetsika: Mama Qadeer sy Farzana Majeed, izay niara-niasa tamin'ny fanentanana momba ireo “olona tsy hita popoka” tao amin'ny faritany atsimo andrefan'i Balochistan. Matetika lasibatr'ireo fampielezan-kevitra fanaratsiana “mpamadika sy mpampihorohoro” ao amin'ny media sosialy i Qadeer sy Majeed, ary nosakanana tsy hamonjy ny fihaonambe momba ny zon'olombelona tany Etazonia izy ireo vao haingana.
Nandefa ity pikantsary ity tao amin'ny Faceboook i Sabeen ny alina alohan'ny zava-nitranga:
Manao ankivy ity hetsika adala ity sy ny T2F..Manantena ny tafiky ny fitsikilovana hisambotra ireo mpampihorohoro sy jiolahy manohitra fanjakana avy amin'ny hetsikareo
Vakio ihany koa: Mamono ny Adihevitry ny Oniversite momba an'i Balochistan Ve ireo Mpitsikilo Pakistaney?
Ao amin'ny Twitter no ilazan'ireompikatroka Pakistaney ny fifandraisana eo amin'ny hetsika sy ny famonoana azy:
When you ask us to put our trust in this state, this is why we fucking can't.
— Sadaf Baig (@nuqsh) April 24, 2015
Raha mangataka aminay ianao mba hametraka ny fitokisanay amin'ity fanjakana ity, izany no mahatonga anay tsy afaka hanao izany.
Mpanoratra gazety Shaheryar Mirza monina ao Karachi nisioka hoe:
Tonight before the talk on #Balochistan Sabeen said while smilinf, “thankfullt we have not been told by anyone to not hold this talk”.
— Shaheryar Mirza (@mirza9) April 24, 2015
Androany alina, alohan'ny resadresaka momba ny Balochistan. Nilaza am-pitsikiana i Sabeen, “isaorana, tsy nisy nilaza isika mba tsy hanatontosa ity resadresaka ity”.
Traumatising beyond belief. We were always scared for her, but didn't think we'd actually see this say. https://t.co/JxJCnbKAJ4 — Raheel Khursheed (@Raheelk) April 24, 2015
Maratra fo mihoatra ny finoana. Nanahy ny aminy hatrany izahay, saingy tsy nihevitra hahita izao .
Miatrika ny hetsika fisintahana fahadimy hatramin'ny taona 1947 i Balochistan, faritany lehibe indrindra sy vitsy mponina ary mahantra indrindra ao Pakistan. Tsy fahita firy ny adihevitra momba ny ady ao Balochistan, ary manify ny fitateram-baovao avy ao.
Araka ny tatitry ny Vaomieran'ny Zon'Olombeona ao Pakistana, hatramin'ny 2010, hita faty nitondra mariky ny fiaretana fampijaliana ny vatana mangatsiakan'ireo “olona an-jatony nanjavona” tao Balochistan. Tamin'ny 2013 fotsiny, razana 116 no hita nanerana ny faritany, 87 tamin'ireo no voamarin'ny fianakaviany izay niampanga ireo sampam-pitsikilivoana ao Pakistana ho naka an-keriny ny havany.
Jereo: GV Face: Mamaky ny Fahanginan'i Pakistana Amin'ny Raharaha Balochistan
Nisioka ilay mpanohitra mpanao politika sady mpikatroka ny zon'ny olombelona Alizeh Haider hoe:
You speak you die. ISI ‘s message, loud and clear to all those speaking up for Balochistan. #UnsilencingBalochistan #SabeenMahmud. — Alizeh Iqbal Haider (@AlizehIHaider) April 24, 2015
Miteny ianao dia maty. Hafatry ny ISI, mafy sady mazava hoan'ireo maneho hevitra ho an'i Balochistan
Namaly azy ny mpanjohy iray hoe mety nampanginin'ny Balochistan Liberation Army (Tafiky ny Fanafahana An'i Balochistan) BLA izy, antoko mitam-piadiana miady ho amin'ny fahaleovantenan'ny faritany hiala amin'i Pakistan. Voaràra ao Pakistan ny BLA .
@Adil_A93 @omar_quraishi clamp down on LUMS initial seminar was also BLA? — Alizeh Iqbal Haider (@AlizehIHaider) April 24, 2015
Avy amin'ny BLA ihany koa ve ny fampanginana ny seminera voalohany tao amin'ny LUMS?
Our wonderful, friend heroine and fallen soldier @sabeen May you rest in peace but we will not until your killers are found and prosecuted — Fifi Haroon (@fifiharoon) April 24, 2015
Ry namanay maherifo, mahagaga sy miaramila lavo @sabeen. Handry amm-piadanana anie ianao, tsy hangina izahay raha tsy hita sy miakatra fitsarana ireo mpamono anao
Mpikatroka ara-tsosialy mamirapiratra ao Karachi
Seha-piarahamonina hoan'ny fifanakalozan-kevitra misokatra te-hitondra fiovana ara-tsosialy ao amin'ny tanàna lehibe indrindra Karachi ao Pakistan ny fikambanan'i Sabeen The Second Floor (Ny Rihana Faharoa), fantatra amin'ny anarana hoe T2F.
RIP. Activist @sabeen behind Pakistan's first hackathon reportedly shot in Karachi today. Profile from @LoisParshley http://t.co/Eb8u8wC2Wj
— WIRED (@WIRED) April 24, 2015
Mandria am-piadanana. Voalaza fa voatifitra tao Karachi androany ilay mpikatroka @sabeen tompon-kevitra tamin'ny hackaton voalohany tao Pakistan.
Sabeen was like titanium. So strong. So dignified. In every way. A huge supporter of all voiceless people. A voice. Ya Allah. — Mosharraf Zaidi (@mosharrafzaidi) April 24, 2015
Toy ny goavambe i Sabeen. Tena mafy. Tena mendrika. Amin'ny fomba rehetra. Mpanohana goavan'ireo olona tsy afaka maneho hevitra. Feo iray. Ya Allah
Wajahat Ali, mpanoratra gazety sy mpikatroka Pakistaney-Amerikana nanoratra tao amin'ny Facebook:
The privileged among us suffer name-calling, petty insults, hurt feelings for principled positions and critical dissent. The truly brave, like Karachi's Sabeen Mahmud, pay for it with their lives. She was shot and killed tonight leaving her cafe T2F (The Second Floor).
Her alleged crimes are numerous, scandalous and note-worthy: With T2F, she created and sustained a remarkable safe space and community that housed, nourished and celebrated diverse, critical Pakistani intellectuals, artists, entrepreneurs, tech geeks and colorful personalities. As Sabahat Ashraf eloquently writes, she was a “‘qutub’, a pole–in networking parlance, a hub, a connector. very critical to civil society in Pakistan. To say she was an institution in herself is putting it mildly.”
Niaritra faniratsiràna, fanevatevana sy ratram-po ny nahazo tombony tamintsika noho ny fananana fitsipi-pitondra-tena sy feo hafa. Nandoa izany hatramin'ny ainy ny tena mahery fo, tahaka an'i Sabeen Mahmud Karachi. Voatifitra izy ary namoy ny ainy androany alina raha iny handao ny kafe T2F (The Second Floor na ny rihana faharoa).
Marobe, manafintohina ary tsara marihina ireo heloka voalaza fa vitany: Tamin'ny alalan'ny T2F izy no namorona sy nanohana sehatra sy fiarahamonina azo antoka miavaka izay nampiantrano, namelona sy nanandratra ireo Pakistaney manam-pahaizana, mpanakanto, mpandraharaha, mpankafy teknolojia ary olona samihafa isan-karazany. Araka ny nosoratan'i Sabahat Ashraf mazava tsara hoe “‘qutub’ izy, tendro - amin'ny fitenin'ny tambajotra, hub (fihaonana), mpampifandray, ary tena kitro ifaharan'ny fiarahamonim-pirenena ao Pakistan. Entina ilazana amim-pandanjalanjana izany fa andrim-panjakana iray ao aminy tenany izy. “
Saad Hamid, mpanentana ara-piarahamonina sady manam-pahaizana ara-teknolojia avy ao Islamabad nisioka hoe:
Here's in remembrance of @sabeen – the beautiful, the crazy, the genius who transformed the concept of open dialogue. pic.twitter.com/UowdEjjaUU — Saad Hamid (@SaadGH) April 24, 2015
Ho fahatsiarovana an'i Sabeen- ilay tsara tarehy, adala, ilay lalintsaina nanova ny foto-kevitry ny fifanakalozan-kevitra misokatra
Mpanoratra Britanika-Pakistaney efa nahazo loka, Kamila Shamsie, nisioka hoe:
Two summers ago in london i told @sabeen to be careful and she said, ‘someone has to fight.’ Goodbye, my friend. You were the best of us.
— Kamila Shamsie (@kamilashamsie) April 24, 2015
Fahavaratra roa lasa izay, nilaza tamin'i Sabeen aho tany Londra mba hitandrina ary hoy izy: ‘tsy maintsy miady ny olona.’ Veloma, ry namana. Anisan'ny mahafinaritra indrindra amintsika ianao.
Nameno ny kaontiny pejy Facebook sy Twitter @sabeen ny fanomezam-boninahitra sy fanaovam-belona farany an'i Sabeen.