Fahatafintohinana Noho Ny Nandravan'ny ISIS Ny Tanàna Ntaolo Assyriana

Nimrud Lamassu's at the North West Palace of Ashurnasirpal (Photo from Wikipedia)

Nimrud Lamassu [Adriamanitra Assyriana Mpiaro] eo Avaratra Andrefan'ny Lapan'i Asornasirpala (Sary avy amin'ny Wikipedia)

Nahatohina izao tontolo izao, nahatonga fanamelohana avy amin'ireo governemanta, sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ary ONG ny nandrenesana ny vaovao fa mandrava ny tanàna ntaolo Assyriana ao Nimrôda ny fikambanana ISIS hiringiriny.

Tamin'ny fotoana nanoratana, tsy mbola azon'ny manampahefana ao an-toerana nohamarinina ny haben'ny fahapotehana, saingy tao amin'ny fanambarana nivoaka an-tserasera, no nanamelohan'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Fahagola Irakiana ny ISIS ho mihantsy “ny fanirian'izao tontolo izao sy ny fahatsapan'ny zanak'olombelona”:

Daesh [Arabic word for ISIS] terrorist gangs continue to defy the will of the world and the feelings of humanity. In a new crime in their series of reckless offences, they assaulted the ancient city of Nimrud and bulldozed it with heavy machinery, appropriating the archaeological attractions dating back 13 centuries BC.

Mbola mihantsy fanirian'izao tontolo izao sy ny fahatsapan'ny zanak'olombelona ireo andiam-pampihorohoron'ny Daesh [teny arabon'ny ISIS]. Tamin'ny heloka bevava vaovao nataony tamim-pahasahiana no nanafihany ny tanàna ntaolon'i Nimrôda sy nandravany azy tanteraka tamin'ny fitaovam-piasana mavesatra misy kodiarana, naka ankeriny ho azy ny toerana arkeôlôjika manintona efa nijoro taonjato 13 talohan'i Jesoa Kristy.

Nimrôda, izay miorina ao atsimon'i Mosul, dia niorina nanodidina ny taona 1250 talohan'i Kristy ary lasa renivohitry ny  Ampira Neo-Assyriana taty aoriana, ny ampira nanjaka tamin'izao tontolo izao tamin'izany fotoana izany, izay mivelatra hatrany Ejipta maoderina amin'izao fotoana izao, hatrany Torikia ary hatrany Iran.

Araka ny nohazavain'ny National Geographic tamin'ny fonon'ny fitantarana ity tranga ity:

A city had already taken shape at this location by 1400 B.C., but in the early ninth century B.C. King Ashurnasirpal II made it into his new administrative capital, adding a five-mile-long wall, a monumental stepped tower called a ziggurat, new temples, and a large palace covered in elaborate decorations.

It's those royal decorations that are of greatest concern. They consist of large stone panels of intricately carved reliefs that line the base of the building's mud-brick walls. In boldly delineated detail, the panels show military campaigns, conquered peoples offering tribute to the king, ritual ceremonies undertaken by the king (sometimes alongside an ornamental, sacred tree), and many winged mythical figures known as geniis.

Efa nisy tanandehibe niorina teo amin'io toerana io talohan'ny taona 1400 talohan'i Kristy. Nataon'ny mpanjaka Asornazirpala faharoa ho renivohitra ara-pitantanana vaovao izy io, nanampy azy rindrina mirefy fito kilometatra, tilikambo manao antanantohatra nantsoina hoe zigorat, tempoly vaovao ary lapa iray feno ravaka.

Ireo ravaka ireo no tena mampanahy indrindra. Ny nandrafetana azy ireo dia tamin'ny vato vaventy voasokitra hatramin'ny kely indrindra izay milahatra amin'ny fototry ny fefy rindrina vita amin'ny biriky. Hita antsipirihany amin'ny ankapobeny ireo fafana ahitana ady miaramila, vahoaka noresena manolotra fahatsiarovana hoan'ny mpanjaka, fotoam-pivavahana tarihin'ny mpanjaka (matetika eo anilan'ny hazo masina voaravaka), ary ahitana ireo endrika fantatra amin'ny anganongano manan'elatra izay fantatra ho zenia.

Notononin'i Reuters ny loharanom-baovao avy amin'ny foko iray milaza fa “tonga ao an-tanàna arkeôlôjikan'i Nimrôda ny mpikamban'ny Fanjakana Islamika ary nandroba ireo harena sarobidy tao aminy ary nanomboka nandrava tanteraka hatramin'ny fakany ny toerana avy eo,” ary “misy ireo tsangambato sy rindrina ary lapa iray nopotehin'ny Fanjakana Islamika tanteraka”.

Tonga indray ity raharaha ity taorian'ny namoahan'ny ISIS lahatsary mankalaza ny fanapotehana ny zavatra naranty ntaolo nipetraka tao amin'ny mozean'i Ninive tao Mosul, izay nialohavana fandoroana naoty sora-tanana sy boky ntaolo tsy hita isa raha nandroba ny tranombokin'i Mosul ry zareo. Soa ihany fa maro tamin'ireo zavatra naranty no efa nafindra tao amin'ny Mozean'i Baghdad sy tamin'ny tanàna maro any Andrefana, indrindra fa ilay Ombalahy Manan'Elatra goavana (Lamassu) izay miantrano ao amin'ny Mozea Britanikan'i London amin'izao fotoana izao.

Sarotra ny hanombana manokana ny lanjan'ny fahapotehana natao tamin'ny vakoka sy hay sandainan'i Iràka. Ny Ampira Neoassyriana no fanjakana natanjaka indrindra teto an-tany tao anatin'ny 300 taona nanomboka tamin'ny taona 911 talohan'i Kristy ka hatramin'ny taona 609 talohan'i Kristy, izay manazava ny tontolo tian'ilay bilaogera Libaney-Irakiàna sady mpanesoeso antsoina hoe Karl Sharro lazaina :

Fa tena matotra fa lasa niampita taona maro dia maro ny ISIS, miady amin'ny Ampira Assyriana ry zareo ankehitriny.

Ny Lohataona Arabo nandrava ny tsangambaton'ny tsirefesimandidy. Ny Mpanjakan'i Assyria antsoina hoe Sargon izany. Ny adala dia ireo an'arivo taonany taty aoriana.

Ary ity sariitatra malaza ankehitriny antsoina hoe ‘Abu A sy Abu B‘ maneso ny Jidahista ity:

Tsy maintsy namadika azy ho Sariitatra Abu A sy Abu B aho. Ankasitrahana i @SohaAwwadkhalil tamin'ny fandraisana anjara

Ny fandravana ny vakoka arkeôlôjika an'i Iràka ataon'ny ISIS dia nampitahain'ny arkeôlôgy tamin'ny fandravana maharikoriko nalaza nataon'ny Taliban tamin'ny 2001 ireo sary sokitry ny Boddha Bamiyan vita tamin'ny vato tao Afghanistan. tao amin'ny fanambarana ofisialy, no nanamelohan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, Siansa ary ny Kolontsaina, na ny UNESCO ny hetsika nataon'ny ISIS.

Ny Tale Jeneralin'ny UNESCO Irina Bokova niantso izao tontolo izao hamaly:

We cannot remain silent. The deliberate destruction of cultural heritage constitutes a war crime. I call on all political and religious leaders in the region to stand up and remind everyone that there is absolutely no political or religious justification for the destruction of humanity’s cultural heritage. I call on all of those who can, especially youth, in Iraq and elsewhere, to do everything possible to protect this heritage, to claim it as their own, and as the heritage of the whole of humanity.

Tsy afaka ny hangina izahay. Heloka bevava an'ady ny fanaovana fanahy iniana mamotika ny vakoka ara-kolontsaina. Miantso ny mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana rehetra ao amin'ny faritra aho hijoro ary hampahatsiahy ny rehetra fa tsy misy mihitsy fanamarinana ara-politika na ara-pivavahana amin'ny fandravana ny vakoka ara-kolontsain'ny zanak'olombelona. Miantso ny rehetra izay mahavita aho, indrindra fa ny tanora ao Iràka sy any an-kafa rehetra, hanao izay rehetra azony atao hiarovana ity vakoka ity, hanambara ny vakoka ho toy ny azy tenany mihitsy, sy vakoky ny zanak'olombelona iray manontolo.

Niantso ihany koa izy hamaliana ny “fanakorontanana bevava [ataon'ny ISIS] izay mandrava ny kolontsaina amin'ny kolontsaina bebe kokoa”:

I appeal also to all cultural institutions, museums, journalists, professors, and scientists to share and explain the importance of this heritage and the Mesopotamian civilization. We must respond to this criminal chaos that destroys culture with more culture.

Miantso ihany koa aho ny rafi-pitantanana ara-kolontsaina rehetra, ny mozea rehetra, ny mpanao gazety rehetra ary ny mpahay siansa rehetra hizara sy hanazava ny mahazava-dehibe ity vakoka sy ity sivilizasiona Mezôpôtamiana ity. Tsy maintsy mamaly ity fanakorontanana bevava izay mandrava kolontsaina ity amin'ny kolontsaina bebe kokoa isika

Ao amin'ny Twitter, Bahram Salih, praiminisitra teo aloha tao amin'ny governemantam-paritra Kiordistana, niampanga ny ISIS ho “mamono ny ankehitriny sy mamafa tanteraka ny vakoky ny zanak'olombelona”:

Mampiasa bulldozer hamotehana ny tanàna Assyrian ao Nimrôda ny Daesh; mamono ny ankehitriny sy mamafa tanteraka ny vakoky ny zanak'olombelona.

Amr Wadea nisioka tamin'ireo mpanjohy azy mihoatra ny 3000, miampanga ny ISIS ho mikasa hamafa tanteraka ny tantaran'i Iràka :

Mandrava ny tanàna Irakiana ao Nimrôda izay mampiatrano ny diam-pisian'ny Asyriana antitra sy mamirapiratra iindrindra mihoatra ny 3000 taona ny Daesh [ISIS]. Am-pamafana ny tantara ny Daesh.

Miantso ny ISIS ho mpamotika sary sy sariohatra ny mpahay tantara sy mpampiatrano ny History Needs You, [Mila Anao ny Tantara] Matthew Ward :

Potika ao anatin'ny fankahalana sary sy sariohatra ny arkeôlôjian'ny tanàna mahafinaritr'i Nimrôda ao Iràka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.