Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

09 Marsa 2015

Tantara tamin'ny 09 Marsa 2015

Rehefa Tsy Te-Hihaino An'i Netanyahu Ianao Dia Manoratra Rindrambaiko Informatika Hisolo Tena Anao Hanao Izany

Ny Tetezana - The Bridge

Nanaovan'i Tarek Amr fandalinana ireo teny nampiasain'ny Praminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu matetika tany anatin'ny kabariny ho an'ny Kaongresy Amerikana. Teny lohalaharana? "Ny". Ny laharana faharoa? "Iran".

Fahatafintohinana Noho Ny Nandravan'ny ISIS Ny Tanàna Ntaolo Assyriana

Ny fandrobana sy ny famotehana ny tanàna ntaolon'i Nimrôda nataon'ny vondrona ISIS no nantsoin'ny UNESCO ho "heloka bevava an'ady".

Herinandrom-Piainan'Ilay Lehilahy Mpikarama Isam-Bolana Ao Tokyo

Nalaza tao amin'ny aterineto ny lahatsary vao haingana nampiakarin'ilay vlogger YouTube mavitrika "Stu in Tokyo", izay nahatratra maherin'ny atsasaky ny tapitrisa sahady ny nijery izany. Manasongadina ny ora fiasana lavabe ao Japana, sy ny famahan'ny governemanta ny olana ny lahatsary

Manaratsy Endrika Fotsiny An'i Japana Ny Fandàvany Ny Andraikiny Naka Olona Ho Andevon'ny Filàn'ny Nofo Tamin'ny Ady Lehibe Faharoa

"Arakaraky ny ilazanareo fa “Tsy misy olana, satria makorelina ry zareo ireny. Sy hoe fifanarahan'olon-tsotra no nitondra azy ireny, fa tsy ny miaramila Japoney," no vao mainka manaratsy endrika anareo"

‘Hano Ny ***Ako Ry Mp***Reny!': Niteraka Resabe Tao Tajikistan Ilay Mpanolotsaina Voafidy Vao Haingana

Raha ompa na teny ratsy no voambolana mba hainao amin'ny fiteny hafa, tsara raha tsy miloa-bava mihitsy.