Tsy hisakana ny fiampangana ny Filohan'i Arzantina Cristina Fernández mikasika ny heloka bevava famonoan'olona ny misitery nahafaty ny mpampanoa lalàna Alberto Nisman, izay hita maty teo amin'ny tany tao amin'ny efitrano fandroana, ny volana lasa teo. Gerardo Pollicita, mpampanoa lalàna federaly iray hafa, nanohana ny fitarainan'i Nisman mikasika ny famonoana, nangataka ny mpitsara ny mba hamelomana indray ilay fitarainana tany amboalohany fa Kirchner sy ny minisitry ny raharaham-bahinin'i Arzantina Hector Timerman, dia nitsabaka tamin'ny fanadihadiana mikasika ny fanapoahana baomba ny AMIA tamin'ny 1994 tany Buenos Aires ary koa nanampy tamin'ny fanarontsaronana ny fandraisanan'ny Iraniana anjara.
When the public learned that Pollicita has picked up where Nisman left off and asked a judge to renew the charges against Kirchner and Timerman, his surname became a trending topic on Twitter, where users discussed the move, expressing fears for Pollicita's life. Echoing Kirchner's cabinet chief, others have protested the charges against the president, tweeting the hashtag “#GolpismoJudicialActivo” (#ActiveLegalCoup) and #TodosConCristina (#EveryoneWithCristina):………………..Raha vao fantatry ny vahoaka fa i Pollicita no naka izay navelan'i Nisman sy nangataka ny mba hanavaozan'ny mpitsara ireo fiampangana an'i Kirchner sy Timerman dia lasa loha-hevitra nalaza tao amin'ny Twitter ny anarany, izay niadian'ireo mpampiasa bitsika hevitra mikasika ny hetsika, tamin'ny fanehoana tahotra mikasika ny ain'i Pollicita. Amin'ny fanelezana ny feon’ny lehiben'ny kabinetran'i Kirchner, ny hafa kosa nanohitra ny fiampangana ny filoha, tamin'ny fibitsihana ny tenifototra “#GolpismoJudicialActivo” (#FanonganamPanjakanaArakaNyLalàna) sy ny #TodosConCristina (#MiarakaAminCristinaDaholo):
No se pero vayan protegiendo a toda costa al fiscal Pollicita… no vaya ser que se “suicide” otra vez…
— Exe Santander (@ExeSanta) February 13, 2015
Este finde largo misteriosamente Pollicita entra al baño a cagar, resbala, y cae sobre una bala…
— Mr. H (@misery_cordia) February 13, 2015
La denuncia de Nisman sin delito y la actuación del fiscal Pollicita y de los medios hegemónicos solo es #GolpismoJudicialActivo
— Eva (@MoreiraEva) February 13, 2015
Ny fiampangàna nataon'i Nisman tsy misy heloka be vava, ny fisehoan'ny mpampanoa lalàna Pollicita ary ireo mediam-bahoaka, dia #FanonganamPanjakanaArakaNyLalàna fotsiny ihany
#TodosConCristina a la cárcel
— Luciana Sabina (@kalipolis) February 14, 2015
#MiarakaAminCristinaDaholo ho any am-ponja ………… mba ho fonjaina
Lo que pasa es que CFK es un sentimiento. La gente se enamora de ella. No soy yo, somos millones. #todosconcristina @mariufrancisco — Honesto Nestor (@honestonestor) February 14, 2015
Izay mitranga dia fihetsehampo ny CFK [Cristina Fernández de Kirchner] : latsa-pitiavana taminy ny olona. Tsy izaho irery – an-tapitrisany izahay
Ireo endrikendrika miverimberina atao amin'ireo mpiasam-panjakana ambony ao Arzantina, dia mipoitra andro vitsivitsy mialoha ilay y fiaretantory kasaina hataon'ny vahoaka ary nomanin'ireo mpampanoa lalàna avy amin'ireo lafivalon'ny firenena sy ireo mpiasam-biraon'ny fitsarana. Antsoina hoe “Diaben'ny Fahanginana” ny hetsika, manamarika ny iray volana nahafatesan'i Nisman, fahatsiarovana ny andraikiny teo amin'ny vahoaka sy misarika ny saina ho ao amin'ny biraon'ny Fampanoavana. Amin'ny fampiasana ireo lahatsary tahaka io ambany io, ary koa ireo Tenifototra ao amin'ny Twitter, niasa nampita teny mikasika ny fihetsiketsehan'ny 18 febroary ireo mpampiasa aterineto.