Mitaky fitsaràna noho ny famonoan'ny polisy indoneziana ireo tanora sivily tamin'ny iray volana ny mpikatroka mafàna fo sy mpisolovava ny fahaleovantena ao Papoazia Andrefana.
Ny 8 Desambra 2014, voalaza fa notifirin'ny mpitandro filaminana Indoneziana ireo olona efa ho 800 nanao hetsi-panoherana, nahitàna zaza amam-behivavy, tao amin'ny distrikan'i Paniai. Ilay hetsika dia teraka avy amin'ny tatitra hoe nidaroka ankizy marobe tao Papoazia ny polisy ny alina talohan'io. Raha kely indrindra dia dimy ireo mpanao hetsi-panoherana namoy ny ainy ary 17 hafa naratra, hoy ny tatitra iray avy amin'ny “Human Rights Watch”, izay nanazava fa tsy zava-mahagaga intsony ny fanitsakitsahana zon'olombelona any:
8 Desambra: endrika ahafantarana ny fanitsakitsahana tsy ahoan-tsy ahoana ny zon'olombelona fanaon'ny mpitandro filaminana ao Papoazia, any amin'ny farany atsinanan'ny vondron-nosy ao Indonezia. Nandritry ny 15 taona nifandimby farany teo, naharakitra tranga an-jatony ny “Human Rights Watch” izay nanaovan'ny polisy, miaramila, manampahefana amin'ny fitsikilovana, ary mpiasan'ny fonja, fampiasan-kery tsy misy dikany na tafahoatra rehefa miatrika ireo mandray anjara aminà fihetsiketsehana ao Papoazia. Na dia nisy aza tao Papoazia fitsaràna azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana natao an'ireo olon'ny mpitandro filaminana voarohirohy tamin'ireo fanitsakitsahana ireo, tsy sahaza ny heloka vita ny sazy ary mbola manohy manatanteraka ny asany ireo miaramila.
Ny fampitambarana an'i Papoazia Andrefana, faritra iray manankarena ankibon'ny tany ary firenena Melanezia fahiny, nataon'ny fitondràna miaramila tao Indonezia tamin'ny 1960, dia niteraka famindràn-toerana, fahantrana ary fahafatesana ho an'ireo vahoaka teratany. Kanefa na teo aza ny fanitsakitsahana miharihary ny zon'olombelona ary ny fanomezan'ny andrim-panjakana vàhana ny fandevonana ny kolontsaina ao an-toerana, tsy vitan'ireo hery mpanjanaka ny nampietry ny fanahin'ny fahasahiana sy ny fahaleovantna teny anivon'ny vahoaka.
Benny Wenda, izay mpitarika fitakiana fahaleovantena any Papoazia Andrefana ary monina an-tsesintany any Angletera, dia nanameloka ilay famonoana sivily :
“We are blamed for violence we did not create and persecuted for expressing our desires to be free.”… http://t.co/NmDn4AaUXp
— Benny Wenda (@BennyWenda) January 9, 2015
Tsiniana amin'ny herisetra tsy natsanganay izahay ary henjehina noho ny fanehoanay ny fanirianay halalaka
Ao amin'ny tranonkalany, ampangain'i Wenda ny hery Indoneziana mitam-piadiana tamin'ny nampiasàny habibiana tao Timika, Papoazia Andrefana :
Gaga aho fa dia toetram-biby tahaka izany avy amin'ny polisy natao an'ireo olona tsy manantsiny sy tsy afaka hiaro tena no avela handalo fotsiny toa tsy nisy, indrindra fa toerana tsy lavitra akory ny fitrandrahana volamena midadasika indrindra erantany tahaka izany, ary ny mpandoa be indrindra amin'ny hetra ao Indonezia.
Ao amin'ny Twitter, marobe ireo naneho hevitra momba ny fijalian'ireo mponina ao Papoazia Andrefana :
If you have ever lost a love one spare a though for the people of West Papua suffering murder rape and torture almost daily inhuman TNI
— Anthony Craig (@justicehealth) February 3, 2015
Raha efa namoy havan-tiana ianao dia mba tsarovy ireo olona ao Papoazia Andrefana mijaly noho ny famonoana fanolanana ary fampijaliana tsy natao ho an'olombelona saiky isanandro vaky izao TNI
So is no one going to talk about West Papua? #Genocide — Amen Oyiboke (@Amen2dat) February 2, 2015
Araka izany dia tsy hisy olona ve na iray aza hiresaka an'i Papoazia Andrefana? #Vonomoka
#WestPapua It is not war, it is not a conflict, it is an #OCCUPATION, and it is one that receives all around international consent.
— non quis sed quid (@PurePapua) February 2, 2015
#PapoaziaAndrefana, tsy ady, tsy fifandirana, tsy #fananiham-bohitra, ary dia mahazo ny fankatoavan'izao tontolo izao tsy anavahana
#WestPapua situation did not improve in 2014 – human rights abuse continued. Business as usual under Jokowi http://t.co/JO9D0L3u96
— Jen Robinson (@suigenerisjen) January 19, 2015
Tsy misy fihatsaràny ny toe-draharaha ao #PapoaziaAndrefana tamin'ny 2014 – nitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Mbola i Jokowi no mitantana ny raharaha toy ny mahazatra
Nanome toky hampanao fanadihadiana mikasika ireo famonoana ireo ny governemanta Indoneziana. Hisy ihany koa famoahana tatitra iray avy amin'ny Human rights mifandraika amin'ilay zava-nitranga.