Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fisantaran'Andraikitra An-tserasera 3 Handrisihana ny Mpifidy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana 2014 Ao Tonizia

Tunis, Tunisia. 22nd October 2014 -- Images of those killed and wounded in the Tunisian revolution are held up at a protest over the light sentences handed out to suspects accused of killing protesters outside the interior ministry in Tunis. -- Ahead of the Tunisian election, relatives of those who died or were injured in the revolution rallied outside the interior ministry in Tunis to protest the light sentences handed out to suspects accused of killing protesters. Copyright: Demotix

Tonis, Tonizia. 22 Oktobra 2014 — Nolanjaina nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ireo sazy malefaka azon'ireo ahiahiana ho namono mpanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny minisiteran'ny ny atitany ao Tonis ny sarin'ireo olona namoy ny ainy sy naratra nandritra ny revolisiona Toniziana. — Alohan'ny fifidianana Toniziana, nitangorona teo ivelan'ny minisiteran'ny atitany ao Tonis ny fianakavian'ireo namoy ny ainy sy naratra nandritra ny revolisiona mba hanohitra ireo sazy malefaka azon'ireo ahiahiana ho namono ireo mpanao fihetsiketsehana. Zon'ny mpamorona: Demotix

Nentanina hifidy amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny firenena ny Toniziana tamin'ny Alahady 26 oktobra 2014.

Na dia latsaky ny 45 % aza ny taham-pahavitrihana tamin'ny fifidianana 2011, nanambatra hery ireo fikambanana firaisamonim-pirenena mba hanatanteraka fisantaran'andraikitra vaovao ho fandrisihana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fifidianana.

Afaka miditra amin'ny fitaovana antserasera ankehitriny ny Toniziana mba hifidy amin'ireo antoko politika marobe sy kandida mirotsaka hofidiana. Afaka mijery ny hafatr'ireo kandidà ihany koa izy ireo ary koa mitatitra izay kolikoly na fihoaram-pefy hitan'izy ireo.

Ikhtiar Tounes (Arabo/Frantsay)

Ny Ikhtiar Tounes, mandika avy amin'ny teny Arabo ho amin'ny teny frantsay “Choix de la Tunisie”, dia tranonkala mampitaha ireo hevitra sy valin-tenin'ny mpifidy mikasika ny olana ara-politika sy ara-toekarena ao Tonizia miaraka amin'ireo vahaolana sy fandaharana atolotr'ireo antoko politika maromaro. Ahitana fampitahana ny fijerin'ny mpiserasera sy ireo antoko politika isan-karazany misoratra ao amin'ny tranonkala no vokatra andrasana avy amin'izany.

Birrasmi.tn (Frantsay)

Teny tsy dia fampiasa firy ao Tonizia ny“Birrasmi”, inona no tena dikany “marina?”

Mandinika ireo vahaolana na fanambarana vao haingana avy amin'ireo antoko politika amin'ny alalan'ny loharano voamarina ity tranonkala ity. Manome mari-patokisana manomboka amin'ny “marina tanteraka”, izany hoe azo tanterahina, hatramin'ny “diso tanteraka” midika hoe tsy azo tanterahana ny tranonkala.

Billkamcha.tn (Arabo)

Sehatra miady amin'ny kolikoly ny Billkamcha izay ahafahan'ireo olom-pirenena mitatitra izay kolikolim-panjakana ao amin'ny firenena amin'ny alalan'ny fitaovam-pifandraisana isan-karazany ao amin'ny tranonkala.

Miara-miasa akaiky amin'ny fanarahamaso ny fikarakarana ny fifidianana ireo fikambanana hafa maro tahaka ny I-Watch sy Mourakiboun, ary nisy ireo fandikan-dalàna notaterina, anisan'izany ny fividianana sonian'ny olom-pirenena sy/na fangalarana tahiry (rakitra). Tafiditra amin'izany fandikan-dalàna izany ireo kandidà sasany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena saingy tsy nisy ny fanadihadiana lalina na fitoriana teny anivon'ny fitsarana.

List of organizations monitoring Tunisia 2014 Elections

Lisitr'ireo fikambanana manara-maso ny fifidianana 2014 ao Tonizia

Nitatitra ho tsy nahita ny anarany ny sasany tamin'ireo mpifidy androany kanefa nihevitra izy ireo fa efa voasoratra tao anaty lisi-pifidianana. Ny sasany kosa voasoratra amin'ny biraom-pifidianana roa.

Raha hanaraka ny fitantarana ataon'ny olo-tsotra momba ny fifidianana, afaka manaraka ny diezy twitter #TnElec2014 ianao. Nametraka sarintany nomerika (Arabo) ihany koa ny Fahitavi-panjakana izay hitaterana tsikelikely ny voka-pifidianana andro vitsivitsy aorian'ny fanisam-bato.

Amin'ny 23 Novambra no hotontosaina ny fifidianana filoham-pirenena toniziana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.