
Ilay atleta Paralaimpika Oscar Pistorius tao amin'ny fitsarana, ny 5 mey 2014. avy amin'i Ihsaan Haffejee. Copyright Demotix.
Nahazo sazy 5 taona an-tranomaizina noho ny vono olona (tsy nahy) nataony tamin'ny sipany tamin'ny herintaona i Oscar Pistorius, ilay Afrikanina Tatsimo mpihazakazaka notapahin-tongotra roa, Nahazo sazy mihantona 3 taona an-tranomaizina noho ny fampiasana fitaovam-piadiana mipoaka ihany koa izy.
Nihevitra i Pistorius, araka ny filazany, fa olon-kafa miditra an-tsokosoko teo am-baravarankelin'ny efitra fidiovana ao ao an-tranony i Reeva Steenkamp. Ny Fanjakana kosa, araka ny filazan'ilay mpitsara Thokozile Masipa, dia tsy nahavita nanaporofo tsy misy filasalasana fa efa niomana hamono olona i Pistorius .
Niteraka fahalianana ankapobeny manerantany sy fanarahan'ny media akaiky ny raharaha ny fitsarana, fotoana nampihetsika indrindra ny media sosialy tao Afrika Atsimo. Ny didim-pitsarana dia taorian'ilay didy manameloka higadra 77 taona ilay mpihaza Tokatandroka iray tamin'ny Jolay, ka nanafintohina mpisera Twitter maro.
Nihevitra kosa ny hafa fa be fampindram-po loatra ilay mpitsara, fambara mazava amin'ny lesoky ny rafi-pitsarana Afrikana Tatsimo :
Utterly pathetic verdict. Makes a mockery of human life to be sentenced to less for killing than for fraud. Disgusting. #OscarPistorius
— David Talbot (@davidtalbot59) October 21, 2014
Didim-pitsarana mamindra-fo loatra. Manimbazimba ny fiainan'olona mahazo fanamelohana kely kokoa mamono olona noho ny manao hosoka. Mankadoa.
#oscarpistorius 5 years? He could be out in 2 years –NOT GOOD ENOUGH!!!
— Dame Jana Hitchens-M (@offlinesometime) October 21, 2014
Dimy taona? Mety hivoaka izy afaka roa taona –TSY AMPY!!!
Araka ny lalàna Afrikana Tatsimo, dia mety azo fidiana ho avotsotra izy rehefa afaka valo volana.
Nanontany i Stefanie Ship :
What is wrong with this world in that you kill someone & only get 5 years imprisonment?! Is somebody only worth 5 years?! #OscarPistorius
— Stefanie Ship (@stefanieshipman) October 21, 2014
Fa maninona ity tontolo ity raha mamono olona ianao di amahazo fanagadrana dimy taona monja?! Milanja dimy taona ve ny olona iray?!
Remember – 5 year sentence means he could be free after not much more than 2 years. #OscarPistorius
— andrew harding (@BBCAndrewH) October 21, 2014
Tadidio fa ny fanagadrana dimy taona dia midika fa mety ho afaka izy raha afaka roa taona.
#OscarPistorius today women find out that our life is worth less than a logo on a training shoe perhaps!
— Louise (@louisebro66) October 21, 2014
Hitan'ny vehivavy androany fa ambany lanja noho ny fangon'ny kiraro fanazarantena angamba ny fiainanay!
you are a disgrace #Masipa NO JUSTICE 4Steenkamps & a travesty to womens’ rights /domestic abuse (which you deny in yr sentence)#OscarTrial
— Ms Marwood Black (@Marwood20) October 21, 2014
Mahamenatra ianao #Masipa TSY RARINY ho an'i Reeva Steenkamps ary fanimbàna ny zon'ny vehivavy sy fanekena ny herisetra an-tokantrano (izay notsipahinao tamin'ny namoahana ny didim-pitsarana)
I know it was not about satisfying the society, but I would have liked the years to be 10 at least! #OscarPistorius #OscarTrial
— Sibusiso Mgidi (@SibusisoMgidi1) October 21, 2014
Fantatro fa tsy izay mahafa-po ny fiarahamonina no atao, saingy tiako raha mba 10 taona farafahakeliny!
The trial was longer than how long Oscar will spend in jail. #OscarTrial
— Prince Akeem (@tackyz) October 21, 2014
Lava kokoa noho ny fotoana holanian'i Oscar any am-ponja ny fitsarana.
Ao amin'ny Facebook, Thapelo Tips Seemise nampitaha ny didim-pitsarana tamin'ny fotoana nandalo hatramin'ny namonoana an'i Steenkamp :
It took 2years to get to a conclusion of 5years imprisonment!!! Justice is a myth in our country #OscarTrial
Nandany roa taona vao nahavita ny fanagadrana dimy taona!!! anganongano izany rariny izany ato amin'ny firenentsika
Miròna any amin'ilay didim-pitsarana kosa ny hafa:
@ChrisWragge Agreed. Still, 5 yrs is better than community service, which is where the Judge seemed headed. #OscarPistorius @CBSNewYork
— KK Smith (@sassy_kk) October 21, 2014
Mitovy hevitra aho. Fa ny dimy taona no tsara kokoa noho ny fanaovana asa an-terivozona [raharaha hoan'ny fiarahamonina] izay noheverina ho nironan'ny Mpitsara.
So many people to quick to judge Oscar as if they're perfect, he got prison time so be happy and stop complaining. #OscarTrial
— Nqobile (@Iam_nqobs) October 21, 2014
Maro loatra ny olona maika hitsara an'i Oscar tahaka ny hoe tonga lafatra ry zareo, efa mahazo fanagadrana izy ka mifalia dia aza be taraina.
Regardless of what we think Judge Masipa really understands the purpose of #Judgment, its for #Reconciliation not #Condemnation #OscarTrial
— Prosper Ntuli (@Proetic) October 21, 2014
Raha tsy jerena izay eritreretintsika momba ny Mpitsara Masipa dia takany tsara ny tanjon'ny fitsarana, hampihavana fa tsy hanameloka.
Not everyone will agree w/ sentence. Light. But #JudgeMasipa had well reasoned argument reaching sentence. #OscarSentence #OscarTrial.
— Thebe Ikalafeng (@ThebeIkalafeng) October 21, 2014
Tsy ny rehetra no hanaiky ilay didim-pitsarana. Mazava. Saingy nanana fandresen-dahatra nolanjalanjaina tsara ny Mpitsara Masipa
People mustn't make conclusions here and insult and act pathetic towards our Law. There's appeal that looks more possible.#OscarTrial
— MTHOKO HLELA•✌️ (@MahatmaDUTCH_7) October 21, 2014
Tsy tokony hanao fehin-kevitra kimaimaika sy hanompa sy tsy hanam-panajàna ny Lalànantsika ny olona.. Mbola azo atao ny mampakatra ny fitsarana.
Ny sasany indray tao anatin'ny tsikitsiky no nanaovany fanehoan-kevitra :
I expect a book trilogy release ‘How To Get Away With Murder’ #OscarPistorius
— Jess Espin (@JessEspinX) October 21, 2014
Izaho indray manantena ny fivoahan'ny boky ‘Ahoana ny atao tsy hahavoaheloka amin'ny famonoana olona’
So…. who's buying the movie rights? I personally think Universal is overdone. #Oscartrial
— Felicia Mosiane (@FeliciaT_Mos) October 21, 2014
Ka… iza no nifidy ny zo hanao ny sarimihetsika? Izaho manokana mieritreritra fa tsy hanao izany ny Universal
@EFF_Supporters Lol that's why Dewani came here to kill his wife bruh. #OscarTrial
— Charmagne Ledwaba (@LedWhat) October 21, 2014
tpt, izany no mahatonga an'i Dewani hamony ny vadiny eto rahalahy a!
Shrien Dewani dia Britanika voampanga ho nanana teti-dratsy hahafaty ny vadiny Anni Dewani mandritra ny volantantely ataon-dry zareo ao Afrika Atsimo. Efa mandeha moa ny fitsarana azy amin'izao fotoana izao.