
Bomb Gaza – lalao nofafana tao amin'ny Google Play taorian'ireo fitarainana
Niteraka tsikera sy fahatezerana androany ny lalao amin'ny Android ahafahan'ireo mpilalao manatontosa fanafihana an'habakabaka ao Gaza. Nivoaka tamin'ny 29 Jolay ary nantsoina hoe Bomb Gaza (Darohy Baomba i Gaza) ity lalao izay efa nesorina tao amin'ny Google Play ity.
Nosokajian'ireo mpiserasera ho “maharikoriko”, “mahamenatra” ary “maloto” tsotra izao izany lalao izany – indrindra mikasika ny tantara mampihoro-koditra avy ao Gaza noho i Israely manohy ny fanafihana an-tanety amin'ny Sisim-piarovana, izay miditra amin'ny andro faha-30, ka Palestiniana 1865 no namoy ny ainy hatramin'izao ary maherin'ny 9.500 ireo naratra (Loharano: pejy Facebookn’ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, Dr Ashraf Alqedra).
Nandritra ny tontolo andro, nanery ny hamafana ity lalao maherisetra ity ny mpiserasera.
Nandrisika ireo mpanjohy azy 29.9K ny Occupied Palestine (Bodoy Palestina) mba hanisy saina mena (marika) ity lalao ity:
Another sick game available for download on @GooglePlay . Flag and demand Google takes it down! pic.twitter.com/BRN6LMNKLO | #GenocideInGaza
— occupiedpalestine (@occpal) August 4, 2014
Lalao maharikoriko hafa afaka trohana ao amin'ny @GooglePlay . Anangano saina mena ary takio ny Google hanaisotra azy pic.twitter.com/BRN6LMNKLO | #GenocideInGaza
Nangataka azy ireo mba hitory azy ity i Aysha:
Can everyone who has an android phone please report this! #Gaza #GazaUnderAttack #FreePalestine pic.twitter.com/EeT3PtgApY
— #FreePalestine (@ayshaaaaaaa_) August 4, 2014
Afaka mitaraina momba ity ve izay olona manana finday android azafady! #Gaza #GazaUnderAttack #FreePalestine pic.twitter.com/EeT3PtgApY
Mpanoratra gazety Rania nilaza tamin'ireo mpanjohy azy miisa 45.8K hoe:
Games for download at Google App Store: Bomb Gaza, Whack the Hamas & Gaza Assault: Code Red http://t.co/yeztAMn85P Bc genocide is a game!
— Rania Khalek (@RaniaKhalek) August 4, 2014
Lalao azo trohana ao amin'ny Google App Store: Bomb Gaza (darohy baomba Gaza), Whack the Hamas (Vonoy ny Hamas) & Gaza Assault (Fanafihana an'i Gaza) : Code Red (Fanairana) http://t.co/yeztAMn85P Satria lasa lalao ny famonoana olona!
Nesorina ilay lalao avy eo.
Palestiniana Omar Ghraieb avy ao Gaza, nangataka tamin'ireo mpamaky azy mba ho malina amin'ny karazana lalao hafa antserasera tahaka izao:
#bombGaza removed. Peeps plz keep on the look out 4 similar games on .@android, @AppStore, Nokia world & Microsoft store 2 get them removed.
— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza) August 4, 2014
Noesorina #bombGaza. Ry vahoaka, araho maso azafady ireo lalao 4 mitovy amin'izany ao amin'ny .@android, @AppStore, tontolon'ny Nokia & magazay Microsoft, mba hanesorana azy ireo.
Hatramin'ny nanatontosan'i Israely fanafihana mahery vaika tao amin'ny morontsirak'i Gaza manana halavana 40 kilaometatra tamin'ny 8 Jolay, maherin'ny 6780 ireo naratra. Nidaroka baomba tamin'ny sekoly, toerana an-kalamanjakana, hopitaly, toerana fialokalofana sy tobim-pialokalofana i Israely. Sivily avokoa ny telo ampahaefatry ny namoy ny ainy tao Gaza. Tamin'ny 28 Jolay, nanafika ny orinasan'ny herinaratra tokana ao Gaza i Israely, ka nahatonga ireo mponina 1,8 tapitrisa ao Gaza niaina tao anatin'ny aizina (fahatapahan-jiro). Satria midaroka baomba ao amin'ireo faritra be mponina ny tafik'i Israely, folo an'arivony no tsy manan-kialofana ary voatery mialokaloka amina toerana vonjimaika.
Bemidina fahatelo nataon'ny miaramilan'i Israely tao Gaza tao anatin'ny enin-taona izy ity. Noho ireo famerana tafahoatra ataon'i Israely ao amin'ny sisintanin'i Palestiniana ao Gaza sy ny Morondrano Andrefana (Cisjordanie) no antony mahatonga izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hihevitra ity sisintany ity ho bodoin’i Israely.