Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Libanona: Vehivavy Ivoariana Nitaky Karama Dia Natosika Avy Eny Amin'ny Rihana Faha-6

Ren'ny Koaci.com any Côte-d'ivoire fa nisy vehivavy Ivoariana hita faty taorian'ny voalaza fa nanosehana azy avy any amin'ny rihana faha-6 amin'ny tranobe iray,  taorian'ny fifamaliana tamin'ny mpampiasa azy momba ny fandoavana ny karamany.

Mitatitra i Carolle Feby ao amin'ny Koaci.com fa [fr]:

Une jeune Ivoirienne est morte Rechercher morte après avoir été poussée du 6ème étage d’un immeuble par son patron pour lui avoir réclamé son salaire à Beyrouth au Liban.
Les faits ont été rapportés à koaci.com par un jeune camerounais, après les révélations de sa sœur voisine de la victime.
Une jeune fille d’une vingtaine d’années de nationalité ivoirienne a été retrouvée morte en bas de son immeuble.
Selon la voisine de la jeune infortunée dont le nom n’a pas été révélé, la fille aurait été poussée du 6ème étage d’un immeuble à Asharfir, un quartier de la ville de Beyrouth au Liban, le mardi 1er Juillet par son patron.
Elle lui réclamait son salaire et l’homme qui a été manifestement contrarié par cette requête, l’aurait poussée sous l’effet de la colère.
Cette jeune expatriée aurait quitté la Côte d’Ivoire depuis des années pour aller travailler en tant que servante au Liban, comme beaucoup de jeunes Ivoiriennes.
Les histoires plus ou moins dramatiques d'Ivoiriennes travaillant au Liban sont malheureusement légions.
Il y a quelques mois, après une révélation de koaci.com un groupe d'africaines avait été rapatrié du Liban après avoir réussi à échapper à leurs patrons qui leurs faisaient subir des sévices corporels et moraux.

Maty  ny vehivavy Ivoariana iray taorian'ny nanosehan'ny mpampiasa azy avy eny amin'ny rihana faha-6 taminà tranobe iray rehefa nitaky  ny karamany tao Beyrouth, Libanona.
Tanoralahy Kamerone no nitatitra ny zava-nitranga ho an'ny Koaci.com, taorian'ny fitantaràna avy amin'ny anabaviny, izay mpifanolo-bodirindrina tamin'ilay maty.
Tovovavy Ivoariana iray tokony ho roapolo taona eo ho eo no hita faty tery ambanin'ny tranony.
Araka ny voalazan'ilay mpifanolo-bodirindrina ratsy vintana, izay tsy nolazaina ny anarany, dia mety natosiky ny mpampisa azy avy eny amin'ny rihana faha-6-n'ilay tranobe ao Asharif ilay tovovavy, tanàna iray ao Beyrouth, Libanona, ny Talata 1 Jolay.
Nitaky ny karamany izy, ary ilay rangahy izay hita tezitra tamin'io fitakiana io, no mety nanosika azy noho ny hatezerany.
Nandao an'i Côte d'Ivoire efa an-taona maro ity vehivavy mpila ravin'ahitra ity mba handeha hiasa ho toy ny mpampandroso sakafo ao Libanona, toy ireo tovovavy Ivoariana marobe ihany.
Efa malaza loatra ny tantara ratsy azo lazaina ho mampalahelo mianjady amin'ireo vehivavy Ivoariana miasa ao Libanona.
Volana vitsy lasa izay; taorian'ny nitantaran'ny Koaci.com, dia nisy andianà vehivavy afrikana nampodiana avy any Libanona rehefa afaka nandositra avy any amin'ny mpampiasa azy ireo izay nampijaly ara-batana sy ara-tsaina azy ireny

Indrisy fa efa tranga mahazatra io any Libanona sy ireo firenena Arabo mampiasa ny rafitra Kafala, na ny ‘fiantohana’. Araka izay anazavan'ny Human Rights Watch azy ao anatin'ny tatitra 2014 nataony momba an'i Libanona :

Nesorina tao anatin'ny sehatry ny lalàna ireo mpiasa an-trano mpila ravin'ahitra ary iharan'ny fepetra feno teritery momba ny fifindra-monina mitofotra amin'ny fisian'ny mpiantoka—ny rafitra kafala— izay mametraka ireo mpiasa an-trano ho mora iharan'ny fanararaotana sy ny fanaovana tsinontsinona. Raha toa Charbel Nahhas, Minisitra teo aloha nisahana ny asa, nanambara tamin'ny Janoary 2012, fa mety hojereny ny hanafoanana ny rafitra kafala, tsy vitan'i Salim Jreissati, Minisitry ny asa ny nanao izany tamin'ny 2013, na nametraka tolo-dàlana hiarovana ireo mpila ravinahitra vinavinaina ho  200.000 eo ho eo ao amin'ny firenena. Tamin'ny Jolay, mpampiasa iray no nohelohin'ny fitsarana iray misahana ny heloka bevava hisazy roa volana an-tranomaizina, handoa onitra, ary noterena handoa tamby (damages and compensation) taminà mpiasa an-trano mpila ravinahitra izay tsy naloany efa an-taona maro ny karamany. Kanefa, mitohy miatrika sàkana araka ny lalàna sy mety hiharan'ny fandroahana hody ireo mpiasa an-trano mila ravinahitra mitory ny mpampiasa azy noho ny teritery apetraky ny rafitra fanomezana fahazoan-dàlana mivahiny an-tanin'olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.