Baikon'ny Minisiteran'ny Fifandraisan-davitra Ny Mpamatsy Aterineto Hamono Ny Aterineto Amin'ny Faritany Dimy

Documents leaked from Iraq's telecommunications ministry.

Kopian'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka avy ao amin'ny minisiteran'ny fifandraisandavitra ao Iraka. 

Ny orizinalin'ity lahatsoratra ity dia hita ao amin'ny bilaogy Social Media Exchange (Fifanakalozana ao amin'ny Media Sosialy)

Mampiseho ny antontan-taratasy tafaporitsaka avy ao amin'ny Minisiteran'ny ny Fifandraisandavitra fa nanapa-kevitra ny governemanta fa ny vahaolana tsara indrindra hiadiana amin'ny vaovao antserasera diso sy manembatsembana dia ny fampiharana izay nataon'i Mubarak tao Ejipta telo taona sy tapany lasa izay: mamono ny Aterineto. Nanamafy ny fahamarinan'ny antontan-taratasy ireo mpanoratra gazety sy manampahaizana marobe ao an-toerana.

Ankoatra ny maha-fanitsakitsahana ny zon'ny Irakiana azy, dia sokajiana ho fitsipahana ireo ezaka nataon'ireo bilaogera Irakiana manerana ny firenena “Tambajotra Irakiana hoan'ny media sosialy” amin'ny fiadiana amin'ireo vaovao diso tsy amin'ny alalan'ny sivana fa amin'ny famoaham-baovao marina azo antoka izao fihetsika izao. Tadiavo ny diezy  #INSM_iq sy ny lisitr'ireo mpisera Twitter azo atokisana ao amin'ny firenena raha hanaraka ny fivoaran-draharaha.

Voamarika daty 15 Jiona manana ny laharana #5214 ny antontan-taratasy misy pejy roa avy amin'ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra ao Iraka. Ireto ambany ireo ny dikanteny tsy ofisialy avy amin'ny Social Media Exchange (Fifanakalozana Media Sosialy) :

To all Internet Service Providers (Oufok Al Samaa, IQ Network, Earth Network, Earthlink, AlSared, NouroZtel, FastIraq, ITC, HalaSat, AlJazeera):

Following the current security incidents and the exceptional situation that Iraq is having, and instructed by the Chancellery of the National Security, it is decided the below:

1- Shut down the Internet totally on these Provinces: Ninawa, Anbar, Saleh El Din, Kirkuk, Diyalah.

2- Block all access to VPN in all Iraq from 4 pm until 7 am on daily basis

3- Block all access to these websites in all Iraq: Facebook, YouTube, Twitter, Viber, Skype. In addition to other applications: Tango, Wechat, Instagram, didi

4- Block all access to Internet from all these areas: AlAdel, AlGhazlieh, Abu Greib, AlRadwanieh, AlMahmoudieh, AlLuteifiah, Falouja, Jarf Sakher, Al Taji, Al Youssfieh, Al Missyeb)

There will be a special security committee specialized to to check that you are following these instructions. The companies that won’t obey will be threatening the security of the country.

Saleh Hassan Ali

Acting General Manager

Hoan'ireo Mpamatsy Aterineto rehetra (Oufok Al Samaa, IQ Network, Earth Network, Earthlink, AlSared, NouroZtel, FastIraq, ITC, HalaSat, AlJazeera):

Taorian'ny fanohintohinana ny filaminana ankehitriny sy ny toe-javatra miavaka izay miseho ao Iraka, ary ny baiko avy amin'ny Biraon'ny lehiben'ny fitondram-panjakana misahana ny filaminam-pirenena, notapahana ireto manaraka ireto:

1- Akatona tanteraka ny Aterineto ao amin'ireto Faritany ireto: Ninawa, Anbar, Saleh El Din, Kirkuk, Diyalah.

2- Akatona isan'andro ny fidirana rehetra amin'ny VPN manerana an'i Iraka manomboka amin'ny 4 ora hariva ka hatramin'ny 7 ora maraina

3- Akatona ny fidirana amin'ireto habaka manerana an'i Iraka ireto: Facebook, YouTube, Twitter, Viber, Skype. Ampiana ireto fampiharana hafa ireto : Tango, Wechat, Instagram, didi

4- Akatona manontoo ny fidirana amin'ny Aterineto ao amin'ireto faritra ireto: AlAdel, AlGhazlieh, Abu Greib, AlRadwanieh, AlMahmoudieh, AlLuteifiah, Falouja, Jarf Sakher, Al Taji, Al Youssfieh, Al Missyeb)

Hisy ny komitim-piarovana manokana natao hanaramaso sy hanamarina raha manaraka sy manaja ireo toro-marika ireo ianareo. Manohintohina ny filaminam-pirenena ireo orinasa tsy mankatò ny toro-marika.

There will be a special security committee specialized to to check that you are following these instructions. The companies that won’t obey will be threatening the security of the country.

Saleh Hassan Ali

Tale Jeneraly Vonjimaika

Nihevitra ireo mpikatroka Irakiana marobe nangataka tsy hotononina anarana fa noho ny tsy fahombiazan'ny Praiminisitra Maliki nahazo ny maro an'isan'ny Solombavambahoaka hanambara ny firenena ho latsaka ankaterena ao Iraka no anton'ny fanakatonana. Raha marina izany, dia fanitsakitsahana ny lalana Irakiana ny baikon'ny governemantan'i Maliki sy ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra hoan'ireo mpamatsy aterineto (FAI) hanakatonana ny aterineto. Manan-jò handà ny fitakian'ny ministera ny orinasa, saingy tsy manantena ny hisian'izany ireo mpikatroka. Araka ny nolazain'ilay olona iray, «ny fisokafan'ny orinasan'izy ireo no laharam-pahamehana  ho azy – fa tsy ny zon'ireo ireo mpiseraserany».

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.