Nanomboka tao anaty haizina – ara-bakiteny – ny herinandro fiasana tany Trinidad. Rakotra setroka matevina ny tontolo ny 27 Janoary, matroka nivolom-batolalaka ny lanitra raha ny olona kosa mivezivezy mamonjy asa ary ireo ray aman-dreny tsy nandefa ny zanany tany an-tsekoly. Tsy fantatra izay antony nahatonga izany tamin'ny voalohany – tsy aloha loatra ve raha izao sahady dia hiaritra ny vokatry ny vovok'i Sahara ? – fa vetivety foana dia niely ny vaovao fa avy any La Basse, toerana fandorana fako ao an-drenivohitra ao, ary manakaiky ny iray amin'ny toeran'ireo vondrom-piarahamonina izay mahantra indrindra ao amin'ny firenena ilay setroka.
Araka ny mahazatra dia toerana ifaneraserana, ahazoam-baovao ny Facebook ; alefan'ireo mpiserasera ao ireo fanitsiam-baovao sy ireo vaovao tonga ao an-tsaina. Noahiahiana fa ireo mponina ao Beetham no nanomboka nandoro ny fako ho fanoherany ny nitifiran'ny mpitandro filaminana ka nahafaty mponina iray ny omalin'io. Koa satria natevina be ilay setroka, dia nihidy ny sasany amin'ireo sekoly tao an-toerana fa ny mpiasa avy amin'ny Environmental Management Authority ( Fahefana Mitantana ny Tontolo Iainana) sy ny Trinidad and Tobago Solid Waste Management Company (Orinasa Mpitantana ny Fako Mivaingana any Trinidad sy Tobago) izay mikarakara ny fanaraha-maso ny fako kosa dia niara-miasa tamin'ny sampan-draharahan'ny mpamono afo mba hifehezanay ilay afo.
Nanatsara ny toe-deraharaha ny filatsahan'ny orana ny maraina, saingy vao maraim-be androany dia mbola niezaka hatrany hifehy afo anankiroa izay mbola tsy maty fa manao otrik'afo ny mpamonjy voina. Nitantara ny fivoaran'ny toe-draharaha ny ankamaroan'ny fanitsiam-baovao vao maraina tao amin'ny Facebook. Izao no tsindrom-paingotr'i Catherine Emmanuel :
Mmm…setroky ny toerana fandorana fako miaraka amin'ny dite marainako. Eny azafady.
Nampian'i Gareth Jenkins :
Mamoaka fofona maimbo ity tanàna ity. Tsy afaka nianatra ny ankizy fa rakotry ny setroky ny fako ny tanàna.
Haingana ihany koa ny fahatongavan'ny sary. Nakarin'i Iain Waller, mpiserasera amin'ny aterineto, ny sarin'i Port of Spain nopihana teny amin'ny làlambe migodàna mandalo anoloan'ny fako ary nampiarahana tamin'ity fanontaniana manindrona ity :
Shina?!?
C News Live dia nandefa andian-tsary mampiseho ny vokatry ny setroka matevina ao an-drenivohitra :
Naparitak'i Mark Franco ny sary iray nalaina teny an-davarangana tany amin'ny manodidina ny tanàna, manamarika fa “[mbola] rakotra indray i Port of Spain “:
Ireto misy resadresaka tao amin'ny Twitter. Nomarihan'i Kerwyn Forde :
“BREAKING: The EMA says the particles in the air at the beetham landfill is 13 times the limit of the air pollution rules. @CNC3TV“
— Kerwyn Forde (@Senator_Forde) January 29, 2014
“BREAKING: Ambaran'ny EMA fa avo 13 henin'ny fetra ara-dalàna amin'ny loton'ny rivotra ireo singa eny amin'ny rivotra any amin'ny fendorana fako any beetham. @CNC3TV“
Nampakatra fanitsiam-baovao tsy tapaka ny @CNC3TV :
NEWS: SWMCOL says no new fires but the high smoke volume is due to high winds.
— CNC3TV (@CNC3TV) January 29, 2014
NEWS: Lazain'ny SWMCOL fa tsy misy afo vaovao fa vokatry ny rivotra mahery io setroka miakatra io.
Latest EMA tests reveal that the air quality has returned to normalcy within the Port of Spain area.
— CNC3TV (@CNC3TV) January 29, 2014
Ny andrana farany nataon'ny EMA dia namoaka fa niverina amin'ny ara-dalàna ny kalitaon'ny rivotra ao Port of Spain.
EMA says ” high ambient air quality levels are documented only at the Beetham at this time. “
— CNC3TV (@CNC3TV) January 29, 2014
Ambaran'ny EMA fa ” tao Beetham irery ihany no nahitàna ilay kalitao ambonin'ny rivotra iainana tain'ity indray mitoraka ity. “
Izao no fanamarihan'i Kalifa Sarah Clyne :
I might be the only person in pos with a face mask on. #toxicsmoke #Trinidad http://t.co/e6PzkGu6vF
— Kalifa Sarah Clyne (@kalifasclyne) January 29, 2014
Izaho ihany angamba no olona hany manao fiarovana. #toxicsmoke #Trinidad http://t.co/e6PzkGu6vF
Nitaraina i @triniqt2:
My lungs are burning from the #pollutuion of POS #Trinidad with smoke from the #Beetham dump!
— Simi (@triniqt2) January 29, 2014
Main'ny #pollutuion ( loto) avy any amin'ny POS #Trinidad miaraka amin'ny setroka avy amin'ny fako any #Beetham ny havokavoko !
Nahatsiaro nalahelo an'ireo ankizy tratr'ilay setroka i @PLatchman :
What a shame. MT @UKinTT: RT @Lordrich6: Schools in PoS suspending classes #SmokeInTheCity #trinidad
— Pradeep (@PLatchman) January 29, 2014
Tena mahamenatra. MT @UKinTT: RT @Lordrich6: Naato ny fianarana tany PoS #SmokeInTheCity #trinidad
Nampiasain'i @KetchAVapse ny hatsikana hiatrehana ilay toe-draharaha, amin'ny fomba ahafantarana an'i Trinidad:
Lewwe have a smog fete!! Complimentary respirator and mardi gras beads upon entry! #Trinidad
— Je Suis Lakshmi (@KetchAVapse) January 29, 2014
Misy fetin'ny setroka matevina any Lewwe e!! Fitaovam-pisefoana maimaim-poana ary voahangin'ny talata matavy eo am-pidirana ! #Trinidad
Raha ohatra ka hitohy haharitra ela ilay setroka matevina, kely ny vintana mbola hanohizan'ireo mpiserasera hihanihany ny momba an'io. Vaovao farany, nasain'ny Environmental Management Authority ( Fahefana Mitantana ny Tontolo Iainana ) nakaton'ny orinasa mpitantana ny fako ny tranonkala mandra-pisy baiko vaovao.