Taorian'ilay fironana erantany ifampizaràna saripika sy tantaran'olombelona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, aingam-panahy nateraky ny asa natombok'i Brandon Stanton tamin'ny 2010 niaraka tamin'ny Humans of New York (HONY) – Olombelon'i New York, nizara ihany koa ny an'ny vahoakany avy amin'ireo tanàna samihafa manerana ny fireneny i Portiogaly, ahitàna fantina angna samihafa ao amin'ny Facebook.
Nandritry ny teo taona nisesy, nahita ny fihenàn'ny isan'ny mponiny ity firenena izay zara raha misy olona 10.5 tapitrisa ity (araka ny rakitra tamin'ny 2012). Tsy hoe fotsiny be fahafatesana tamin'ny 2012 mitaha amin'ny fahaterahana, fa koa nitombo be tsy nisy toa azy ny isan'ny olona nandeha nifindra monina [pt], tsy mbola fahita hatramin'ny taona 1960. Vinavina niainga tamin'ny 2010 no manondro fa 5 tapitrisa ireo Portiogey monina any ivelan'ny fireneny.
Ndeha isika hamantatra ny sasany amin'ireo olombelona izay nijanona na nandalo tao Portiogaly.
“Tsy misy revolisiona rehefa ny fiarahamonina no manaiky ny teknolojia vaovao, rehefa miova fitondrantena ny fiarahamonina vao misy izany”. Ilay fitanisàna, avy amin'i Clay Shirky, dia voamarika tao anatin'ny gazetiboky “Bastart”, tao anaty tafatafa niarahana tamin'i João Sá Leão izay namorona ny pejy Facebook Humans of Lisbon tamin'i May 2012. Soritan'i João ny endri-javatra nanosika azy hanomboka hanao kisary ny tantaran'i Lisbona:
Iray amin'ireo tantaran'olombelona tena nozaraina betsaka tao amin'ny pejin'ny Humans of Lisbon (efa nahazo mpitia 3.187 sahady) dia ny an'i Maria Isabel, vehivavy iray mifanena isanandro amin'ilay mpakasary eny an-dàlany handeha na hody avy miasa. Miresaka izy ireo indraindray rehefa manajanona ny fiarany eo amin'ny jiro fandrindràna fifamoivoizana i João :Alaivo sary antsaina fotsiny. Indray andro any, mety hoe sarintany vaovaon'izao tontolo izao no hananantsika. Rehefa mipotsitra anaran-tanàna iray isika dia mety hahita ny olona ao: ireo monina ao hatramin'izay sy mandalo fotsiny koa. Fomba iray hafa tanteraka mihitsy “hitetezana” tanàna iray …
… taorian'ireo fihaonana im-betsaka teo amin'ny jiro teo, tsy dia niresaka firy intsony momba ny asa fanaovantsoa na fiangonana izy fa mikasika ny governemanta indray, ny toetrandro, manontany vaovao momba an-janako, mitaraina fa misy nify maharary azy…sns…mandra-pivadiky ny jiro ho maitso sy misy olona mampaneno anjomara, ka tsy maintsy miala aho … fa ny ampitson'iny indray izahay dia mihaona.
Farany dia nataoko naka sisiny mihitsy ny fiara androany ary nanolotra sakafo ho azy aho sady niresadresaka kely, tsy mikorapaka.
Tsaroany ny anaran'ny zanako rehetra ary mazàna izy no miarahaba ahy eo amin'ny fitaratry ny fiara … na dia indraindray aza izy mikapoka azy ireo… fa farany dia haiko ny anarany ary fantany ny ahy.Mbola manana fotoana hiresahana momba ny krizy sy ny politika … “na ny New York Times aza dia miresaka tsy manjary momba an'i Portiogaly …”, “…Tsy manampy mihitsy ity krizy ity… tsy manome mihitsy ny olona na zara raha manolotra, saingy misy andro tsara noho ny sasany…”, hoy izy
Indraindray ny masoandro migaingaina be nefa izy mbola mipetraka eo miandry fitserana ihany…. fa avy ao anaty fiarako kosa ho mahita ny hafa manidy ny fitaratra raha vao manatona izy, sahala amin'ireny hoe hidaroka an-dry zareo ireny ery izy…. mampalahelo ny tonga amin'izao taona izao kanefa dia anakatonan'ny olona “varavarana”!
Raha mahita azy ianareo…. aza manidy fitaratra….. miantrà fotsiny!
Noforonina ny 1 Novambra 2013, ny pejy Facebook Humans of Porto (Olombelon'i Porto) ary efa nahangona mpitia 1.916. Ny sary voalohany, nalaina teny an-dalamben'ny tanàna faharoa lehibe ao Portiogaly , dia manasongadina “ramaroa iray tena miavaka ao Ribeira” izay mivarotra châtaignes, poa-katsaka, voanà “lupin” sy oliva… izay rehetra ilaina e, amin'ny fotoana rehetra ilàna azy”
Ny fampandehanana ny “Humans of Porto” dia iantsorohanà tarika iray tsy misy afa-tsy vehivavy – iray mpandrakitra lahatsary , iray mpanao gazety ary iray mpaka saripika – izay milaza fa ny iraka efain-dry zareo dia :
ny handrakitra ny tena antom-pisian'i Porto sy ny fanahy mandrafitra ny zava-maroloko eto amin'ity toerana mahavariana ity
Miezaka hatrany ry zareo hirakitra ireo tantaram-piainana ao ambadik'ireny saripika ireny toy ny an'i Sérgio, izay nanolotra ny tenany :
Nampiana-tena aho. Naniry ny hianarako zavakanto ny raiko saingy tsy izany velively no tiako natao. Nanapa-kevitra ny hianatra amin'ny fombako ahy manokana aho ary dia teny an'arabe satria ety ianao afaka mianatra zavatra isanandro isanandro ary miaraka amin'ireo olona mifanerasera aminao.
Misy ihany koa ireo sarin'ny Humans of Azores, iray amin'ireo faritra roa mizaka tena ao Portiogaly, itambaran'ireo nosy volkanika sivy hita any amin'ny faritra Oseana Atlantika Avaratra.
Manana saripika marobe maneho ny fiainan'ny mpianatra sy ireo fomba amam-panaon'ny anjerimanontolo ao an-tanàna ny Humans of Coimbra , ary saripikan'ireo olona manodidina ny tanàna koa ny an'ny Humans of Setúbal , saingy izy roa ireo dia samy mizara saripika tsy misy tantara daholo. Toy izay koa ny an'ny Humans of Almada izay ny ankamaroany dia fizaràna sarin-tanàna. Ny Humans of Cascais dia niforona tamin'ny Oktobra saingy sary iray fotsiny no nozarainy hatramin'ny anio.
Mahafantatra tetikasa “Humans of…” hafa ve ianareo ao Portiogaly ao? Ampahafantaro anay ao anaty faritra natao hanehoan-kevitra etsy ambany!