
Michael Urtecho, Sarin'ny Kongresin'ny Repoblikan'i Peroa tao amin'ny Flickr, ampiasàna ny Creative Commons licence (CC BY 2.0)
[Mitondra amin'ny pejy miteny Espanola avokoa ny rohy rehetra afatsy izay voalaza manokana]
Ilay Peroviana mpikambana ao amin'ny Kongresy, Michael Urtecho dia voampanga ho naka tombony tamin'ny karaman'ireo Mpikambana ao amin'ny Kongresy ihany koa ankoatra ny fangalaràny tamin'ireo seza natokana ho an'ireo olona sembana sy ny fampitomboana ary fanaovana hosoka ireo taratasim-pandaniana (ary ny fandoavana ny volan'”ireo Orinasa matotoa”) izany rehetra izany dia mba hampitombo ny vola honerana aminy.
Tamin'ny herinandro lasa teo, neken'ny kongresy ny fampiatoana sy ny didy fanamelohana an'i Urtecho araka ny lalam-panorenana navoakan'ny Kaomisiona Etika, Urtecho izay efa mpikambana tao amin'ny kaomisionan'ny Kongresy. Haato amin'ny andraikitra sahaniny i Urtecho mandritra ny 120 andro ary ho enjehana araka ny lalam-panorenana noho ny heloka heloka bevava efatra iampangàna azy. Fanampin'izay, ilay Fikambanana National Solidarity [en], antoko havanana izay nisy an'i Urtecho, dia nilaza fa hoesorina ao izy raha toa ka hampiharina ilay fampiatoana azy.
Nahatonga resabe teo amin'ny tambajotra sosialy iny faneken'ny kongresy iny sy ny resaka manodidina ity tranga manokana ity izay efa foto-dresaka tao amin'ny filazam-baovao Peroviana nandritra ny roa herinandro.
Niady hevitra mikasika izany ireo mpampiasa Aterneto ka niompana tamin'ilay resaka kolikoly maty paika sarotra ongotana voalaza fa hita ao amin'ny Kongresy, nohon'ny tsy fisian'ny moraly eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy ireo ary koa ny filàna manome sazy ho ohatra ho an'ireo izay mbola mikàsa ny hanao ny toy izany.
Mikasika izay indrindra, naneho ny heviny i Mario C. Rosina tao amin'ny twitter :
Lo de M.Urtecho parece ser solo la punta del iceberg de una costumbre delictiva instalada en el Congreso de la República desde hace mucho.
— Mario C. Rosina (@MarioRosinaB) 11 Oktbra 2013
Ny resaka momba an'Andriamatoa Urtecho dia toa vongan-dranomandrin'ilay heloka bevava monja ihany, efa nitoetra tao amin'ny Kongresin'ny Repoblika an-taonany maro.
Naneho ny fahaverezan-tokiny i Carlos Francisco Herrera Díaz tao amin'ny Facebook :
El caso Urtecho ha incrementado las dudas sobre el Congreso en general, por lo que mal haría una gestión que ha ofrecido un trabajo con manos limpias, no adoptar medidas que ayuden en algo a pensar que todavía se puede creer en los congresistas.
Nampitombo ny ahiahy amin'ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy rehetra amin'ny ankapobeny mihitsy ny raharaha Urtecho, koa dia hadisoana lehibe raha toa ka sampan-draharaha nomena malalaka fitokisana toy io no tsy hahavita handray fepetra hanao izay hihazonana ny fitokisana ireo mpikambana ao amin'ny Kongresiny.
Nifototra taminà hosoka hafa koa i Pamela (@Pamelof):
Los ex trabajadores de #Urtecho también deben ser sancionados por complicidad, a menos que demuestren que fueron engañados.
— Pamela (@Pamelof) 11 Oktobra 2013
Ireo mpiara-miasa fahiny tamin'i Urtecho koa dia tokony hosaziana noho ny firaisan'izy ireo tsikombakomba taminy, na farafahakeliny mampiseho fa voafitaka koa izy ireo tao anatin'izany.
Raha toa i Urtecho (izay manana aretina mitaiza “muscular hypotonia” [en] – aretina mamparefo ny hozatra) – ilay mpikambana ao amin'ny Kongresy – ka voaporofo fa tafiditra tamin'ireo raharaha ireo (voasokajin'ny lalàna Peroviana ho fanambaràna hosoka, fangoronan-karena tsy hita fototra sy fanodikodinam-bola), dia efa miandry azy ny dimy ambiny folo taona an-tranomaizina.