Hatramin'ny 17 Jolay 2013, mitafy loko mena ireo Beninoà marobe isaky ny Alarobia ary mivorivory mba hilaza ny fanoherany ny fanitsiana lalàpanorenana ataon'ny Filohan'ny Repoblika Boni Yayi. Mamela an'i Boni Yayi hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka ity fanitsiana ity.
Nahoana no Alarobia mena? Dieu-Donné Hounwanou, mpitolona amin'ity fihetsiketsehana vaovao ity, nanazava hoe [fr]:
Cette couleur évoque le courage. Cette révision constitutionnelle par le Président Boni Yayi est opportuniste et n'inclut en aucun cas les intérêts du peuple. Par cette mobilisation, nous refusons à grand jamais la révision. Le peuple a faim et en a marre du gouvernement incapable. Mercredi rouge, tout rouge. Touche pas à ma constitution !
Maneho herimpo ity loko ity. Mampiseho endrika fanararaotana ity fanitsiana lalàpanorenana ataon'ny Filoha President Boni Yayi ity fa tsy mba misy tombotsoam-bahoaka. Amin'ny alalan'ny hetsika no andavanay tanteraka ny fanitsiana. Noana ny vahoaka ary leon'ny governemanta tsy mahavita azy. Alarobia mena, mena daholo ny rehetra. Aza kitihana ny lalàpanorenako!

Mpitolon'ny Alarobia Mena- sary tao amin'ny pejy facebook Red Wednesday [fr]. Nahazoan-dalàna ny sary
Ny fanitsiana lalàpanorenana Beninoà nampahafantarina tamin'ny volana Aprily 2013 dia ahitana, fananganana Fitsarana ara-bola, volavolan-dalàna avy amin'ny vahoaka, fametrahana Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENA) na koa famaritana ny heloka ara-toekarena. Mamela ny filoha hirotsaka hofidiana filoham-pirenena indray ihany koa ilay lalàpanorenana nasia-panitsiana.
Teraka tao amin'ny Facebook [fr], nanomboka nahazo vahana teny andalambe ao amin'ny firenena ihany koa ny hetsika. T-shirt, pataloha, fehin-tenda, satroka mena, tsara avokoa izay loko mena rehetra eny an-koditra hoentina hanohanana ny hetsika.
Araka ny filazan'ny Minisitry ny Serasera teo aloha Gaston Zossou [fr], tsy laitran'ny vavonin'ny fitantanan'i Boni Yayi ity hetsika ity. Araka ny nosoratan'i Zossou tao amin'ny kaonty Facebook-ny, voahodidina polisy ny trano fonenany tamin'ny 1 Aogositra 2013, fetin'ny fahaleovantena tao amin'ny firenena, mba hiambenana azy tsy handeha hamonjy ireo mpanao fihetsiketsehana Alarobia Mena.

Miaramila tao ivelan'ny trano fonenan'i Gaston Zossou. Sary: pejy Facebook Red Wednesday, nahazoan-dalana.
Na dia izany aza, mbola ho ela vao hiray hevitra amin'ity hetsika ity ny rehetra.
Etsy andaniny, misy ireo misalasala momba ny fahatsoran'ireo lohandohany mpitarika ny hetsika, ohatra i Joseph Djogbenou, izay ahiahiana mampiasa ny hetsika miaraka amin'ny fanohanan'ilay mpandraharaha Patrice Talon, izay mpisolovava amin'ilay raharaha fikasana hanapoizina ny filoham-pirenena [fr].
Ary koa i Gaston Zossou izay nosokajian'ilay bilaogera Alberic Gandonou ho “mpisoloky mandiso fanantenana ireo tanora ao amin'ny aterineto.”
Araka ny fijerin'i Gandonou, tsy mba hahaliana mihitsy ny eritreritr'i Zossou [fr]:
En mal de publicité, Gaston Zossou dont les béninois de bonne foi se souviennent encore de la gestion désastreuse qu'il a faite des secteurs GSM et du dossier TITAN pendant qu'il était ministre de la communication, s'active sur les réseaux sociaux notamment Facebook où il anime une opposition intellectuelle fondée sur sa nostalgie des affaires de l'Etat.
Tsy manana izay mampalaza azy amin'izao fotoana i Gaston Zossou izay mbola tadidin'ireo Beninoà manana fahatsorana ny fitantanana mahatsiravina nataony teo amin'ny sehatry ny finday GSM sy ny raharaha TITAN fony izy mbola minisitry ny serasera, mavitrika ao amin'ny tambajotra sosialy izy indrindra ao amin'ny Facebook izay hanaovany fanentana-panoherana miorina amin'ny fahatsiarovany ny fanaovany raharaham-panjakana taloha.
Hoy izy nanohy:
Les forces de l'ordre ont raison de veiller au grain pour empêcher que ce genre de personnage n'entraîne la jeunesse dans une aventure scabreuse.
Marina ny an'ny polisy izay niambina ny tranony mba hanakanana ity karazan'olona ity tsy hampidi-kizo ireo tanora.
Fanambarana izay efa niteraka fisintahana, tahaka an'i Andoche Amégnissè, mpikatroka goavana malaza ao amin'ny media sosialy amin'ny fahavitrihany amin'ny hetsika Alarobia Mena.
Faharoa, namaly ny hetsika ireo mpanohana ny filoha Boni Yayi ary namorona ny hetsika “Zoma Fotsy” [fr]. Nanambara [fr] ny minisitry ny Atitany Benoît Dégla fa “tsy mitombina ny zavatra arovan'ireo mpitarika ny hetsika Alarobia Mena” ary nanasokajy ny hetsika ho “fanapoizinana” izy:
Le mouvement qui mène la fronde est manipulé
Misy teti-dratsy ny hetsika mitarika amin'ny fikomiana.
Tao amin'ny media sosialy, nanapa-kevitra hanangana bilaogy ho an'ny Alarobia Mena [fr] ireo mpanohana ny hetsika Alarobia mena. Ahitana soso-kevitra sy hevitra avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny hetsika ny teny ifankafantarana #patriotes229.
#BENIN Le Pdt interdit de porter le ROUGE compte du Mouvement Citoyen des “#MERCREDIROUGE# mais était en cravate Rouge lui mm #team229
— Erick-C AHOUNOU (@EAHOUNOU) August 1, 2013
#BENIN Noraràn'ny Filoha ny fitondrana fitafiana MENA amin'ny Hetsiky ny Olom-pirenena #MERCREDIROUGE# kanefa izy manokana aza manao kravato Mena. #team 229
#Bénin – #Mercredirouge : le gouvernement demande aux opérateurs GSM d’intercepter les messages http://t.co/jXc63ea17A — Pass (@Nanguit) August 1, 2013
#Mercredirouge : nangataka tamin'ireo mpandraharaha amin'ny GSM (Global System for Mobile Communications) ny governemanta mba hitsikilo sy hanakana ireo hafatra http://t.co/jXc63ea17A
#Bénin: Un deuxième « mercredi rouge » timide – http://t.co/2XUfgt9Xi4 #MercrediRouge — Benin Newsdesk (@BeninNewsDesk) July 25, 2013
#Bénin: “Alarobia Mena” faharoa menamenatra – http://t.co/2XUfgt9Xi4 [fr] #MercrediRouge [fr]
Merdeeee le petite voiture que je conduis est rouge, les gars vont m'embarquer en taule #mercredirouge
— Zaf (@zaf22zi) July 16, 2013
Loooza, mena ny fiara kely entiko, hampidirin'ireo polisy am-ponja aho #mercredirouge [fr]