08 Jona 2013

Tantara tamin'ny 08 Jona 2013

Pôrto Rikô : Miroborobo Ny Tetikasa Tsy Miankina Firaisankina Ara-Ekolojika

  08 Jona 2013

Miha-mafy orina isan'andro ny firaisankina hiaro tontolo iainana any Portô Rikô, noho ireo olona miasa mafy mba hampivoarana ny tetikasa tsy miankina. Ireto misy ohatra vitsivitsy hanamafisana indray hoe ny tanjona ho fiarovana ny zava-boahary, ny fambolena vokatra tsy misy poizina ary ny ady amin'ny faharetan'ny fambolena dia tsy nofy tsy ho to akory.

Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata

  08 Jona 2013

Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.

Lasa 3D Ny Taokanton'ny Kafe Any Japana

  08 Jona 2013

Any Japana izay ny dite maitso no mbola be mpifidy indrindra, taokanto miha-miroborobo ny kafe 3D, na io milina fitsinjarana mandeha tsy baikoana mandroso cappucino amina endri-behivavy, na io asam-pamoronana 3D ambony herotra matevina.